Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 02 Novambra 2022

Nialoha ny fandinihana ny lahadiniky ny Filankevitry ny Minisitra androany, dia nitondra ny teny fisaorana ho an’ny vahoaka Malagasy, ny mpandraharaha Malagasy sy vahiny, ny mpiara-miombon’antoka sy ny mpampiasa vola namaly ny antso sy ny tomponandraiki-panjakana isan-tsokajiny ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, noho ny fahavitan’ny “Forum National des Investissements pour l’Emergence de Madagascar” ny herinandro lasa teo.
Tsapa ny fiverenan’ny fahatokisan’ny mpampiasa vola sy ny mpandraharaha Malagasy efa misehatra eto an-toerana, ary ny faharisihan’ireo mpandraharaha vaovao te hampiasa vola eto Madagasikara, ary nankasitrahan’izy ireo ny fisian’ny fahavononana sy ny ezaka ataon’ny Fanjakana hametraka tontolo mahasarika ny mpampiasa vola.
Araka ny fanazavana efa nentina moa dia hitohy amin’ny volana Martsa 2023 indray ny fihaonana amin’ireo mpampiasa vola sy mpiara-miombon’antoka vahiny (Forum International des Investissements pour l’Emergence de Madagascar) izay dingana manaraka hatao. Tsiahivina hatrany fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny PEM avokoa ny firenena Malagasy ankehitriny, ny fikaonan-doha indroa miantoana izay natao sy mbola hatao dia fanohizana ny ezaka rehetra efa natomboka ny taona 2019.
Nisy ihany koa ankoatra izay ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 02 novambra 2022. Anisan’izany ny:

• ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny tany mampiasa sy miteny frantsay (OIF) andiany faha-18.

• ny fisokafan’ny taom-panondranana ny lavanila efa voaomana (vanille préparée) ho an’ny 2022-2023, ny 15 novambra 2022 sy ny famaranana izany ny 31 may 2023.


>>>