Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 16 Novambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava nankatoavina sy ireo volavolan-drijantenin-dalàna noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 16 novambra 2022. Anisan’izany :

• ny famindrana ny fantson-drano amin’ny tambajotran’ny orinasa JIRAMA izay tafiditra ao anatin’ny RN9 eo anelanelan’i Bevoay sy Manja, sy ny manamorona ny RNT12A eo anelanelan’i Tolagnaro sy Ebakika

• mikasika ny fankatoavana ny famatsiam-bola hanamboarana ireo tobin-kerinaratra miisa 2 ka ny iray eny Avaratr’Antananarivo (Tanà Nord 2) ary ny iray any Ambohibary

• mikasika ny fankatoavana fifanaraham-pindramam-bola fanampiny ao anatin’ny tetikasa «Projet de Durabilité du Secteur Routier à Madagascar» izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 3 oktobra 2022 lasa teo.


>>>