Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 23 Novambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 23 novambra 2022. Anisan’izany :

• ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandaniana mikasika ny fanonerana ireo olona voakasiky ny tetikasa PRIRTEM I izay tsy maintsy miala amin’ny taniny, dia ny fandrafetana ny « plans parcellaires » miaraka amin’ny Minisitera misahana ny Fanajariana ny tany.

• ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny saram-pitaterana hanaparitahana ireo fitaovam-pianarana “kits scolaires”, fampitaovana ny sekoly manaram-penitra, sy ireo bisikileta ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Fanabeazam-pirenena miisa 23 sy ny Fari-piadidiam-pampianarana (CISCO) miisa 114 eto Madagasikara


>>>