Source : Ministรจre de la Santรฉ Publique
๐ ๐ถ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ๐ณ๐ฎ๐ป๐ฎ๐๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐บ๐ถ๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฎ๐ป'๐ป๐ ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐ป'๐ป๐ ๐ผ๐น๐ผ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐บ๐ถ๐๐ผ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ ๐ป๐ ๐๐๐ถ๐บ๐ผ๐ธ๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐๐ถ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐๐ถ๐ฑ-๐ญ๐ต ๐๐ ๐ป๐ ๐ฎ๐ต๐ถ๐ฎ๐ต๐ ๐บ๐ถ๐ธ๐ฎ๐๐ถ๐ธ๐ฎ ๐ป๐ ๐ฎ๐ฟ๐ฒ๐๐ถ๐ป๐ฎ ๐ถ๐๐ฎ๐ ๐บ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ผ ๐ป๐ ๐๐ฎ๐๐ฎ ๐ฎ๐ป๐ธ๐ฒ๐ต๐ถ๐๐ฟ๐ถ๐ป๐ ๐ป๐ ๐ง๐ฎ๐น๐ฒ๐บ-๐ฝ๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฒ๐๐ผ ๐๐ป๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ด๐ฎ, ๐๐ฟ ๐ฅ๐๐๐๐ฅ๐๐ ๐๐ ๐ข๐ก๐๐ฌ ๐๐ฎ๐น๐ถ๐ฒ.
Nisy ny fepetra noraisin'ny Fitondram-panjakana amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka tamin'ny fitiliana ireo zaza izay ahiahiana fa voan'ny aretina kitrotro ary eo am-piandrasana ny valin' izany ankehitriny.
โ ๏ธ Ny fiovaovan'ny toetr'andro no isan'ny antony iray mampirongatra aretina maro samihafa. Tsara ny manamarika fa ny aretina rehetra dia azo sorohana , azo tsaboina tsara ary manana andraikitra amin' izany olom-pirenena tsirairay.
โ ๏ธ Entanina araka izany isika hanatona ireo Tobimpahasalamana hahazo ny fitsaboana sahaza sy hialร na amin'ny mety ho tranga na ahiahy sy ny honohono.
โ ๏ธ Tsikaritra ihany koa tato ho ato fa somary niha -nitombo ny tahan'ireo olona izay voatily fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19.
โ ๏ธ Maro ireo paik'ady izay efa napetraky ny Fitondram-panjakana nahitam-pahombiazana izay mbola mitohy ankehitriny. Isan'izany ny fanapariahana CVO sy CVO +, ny fanajana ireo fepetra sakana toy ny fanaovana arotava amin'ny toerana vory olona, ny fanasana tanana matetika amin'ny rano sy savony, ny fanaovana vakisiny....
Eo ihany koa ny fidinana ifotony izay ataon'ny Mpiasan'ny fahasalamana hanapahana ny rojom-pifandraisana amin'ny alalan'ny "Opรฉration coup de poing".
๐ Ny fitiliana no hany fomba hahafahana mamantatra na mitondra ny tsimokaretina na tsia koa manentana ny tsirairay hanatona avy hatrany ny Tobimpahasalamana vantany vao misy tranga mampiahiahy hisorohana ny tranga misy fahasarotana.
โ ๏ธ Marihana hatrany fa maimaimpoana ny fandraisana an-tanana ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Covid-19.
Source : Ministรจre de la Santรฉ Publique