Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 30 Novambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 30 novambra 2022. Anisan’izany :

• Ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampony eo amin’i Etazonia sy ireo mpitondra afrikana, izay hotontosaina any Washington DC, Amerika ny 13 ka hatramin’ny 15 desambra 2022.

• Ny fanentanana ny olom-pirenena tsirairay avy amin’ny fanajana ireo fihetsika sakana noho ny fisian’ny valan’aretina gripa mahery vaika miparitaka ankehitriny, satria tafiditra ao anatin’ny vanim-potoanan’izany isika ankehitriny.

• Ny fankatoavana ny drafitra fohy ezaka sy antonona ezaka hanarenana ny fifamoivoizana amin’ny zotran-dalamby Fianarantsoa Côte-Est (FCE).


>>>