Analamanga Park amin'ny endriny vaovao

Vita tanteraka ankehitriny ny fanarenana an'Analamanga Park. Misokatra ho an'ny daholobe indray ity toeram-pitsangatsanganana sy fialam-boly tantanin'ny Faritra Analamanga ity manomboka izao. Nitokana sy nisantatra izany ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA ny 16 Oktobra 2021, tao anatin'ny lanonana manetriketrika nokarakarain'ny Faritra Analamanga tarihin'ny Governora Hery RASOAMAROMAKA....

Afon-dasy niarahan'ny daholobe

Nitohy ny takariva ny lanonana ka nisy ny afon-dasy lehibe nafanain'ny tarika malaza toa an-dry Mise Sayda, Samoëla, Raboussa....

Nitohy ny Alahady 17 oktobra 2021 ny lanonana ary nofaranana tamin'ny afomanga

Nitohy ny tontolo andron'ny Alahady ny lanonana tety Analamanga Park niarahana tamin'ny mpanakanto marobe. Ny masoandro maty no nampalahelo araka ny fomba fiteny. Ho fanomezana fahafaham-po ireo olona marobe namaly ny antso dia nofaranana tamin'ny afomanga lehibe ny fotoana tety Ampangabe....