Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 05 Oktobra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 05 Oktobra 2022. Anisan’izany ny:

• ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampony ho an’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI).

• ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tolobidy takian’ny tsenan’asam-panjakana amin’ny asa fanamboarana ny « Voie Rapide Ouest Tana » (VROT).

• ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fampodiana ireo mpianatra miisa 30 nahavita fianarana tany Maroc, Russie, ary Indonésie, ka nangataka ny hiverina hody eto Madagasikara.


>>>