Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 12 Oktobra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 12 Oktobra 2022. Anisan’izany ny:

• ny handraisana fepetra hentitra hiadiana maika amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny afo miparitaka tato ho ato, indrindra amin’ny faritra na valan-java-boahary arovana

• ny fankatoavana ireo « nouveaux projets émergents » ho an’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy fananan-tany, ny minisiteran'ny fahasalam-bahoaka, ny minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa sy ny Zandarimariam-pirenena


>>>