Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 07 Septambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 07 Septambra 2022. Anisan’izany ny:

• ny fandraisana an-tanana ny fandaniana momba ny fananganana Lapan’ny Fitsarana any Mahanoro, Ambatofinandrahana sy Beroroha ary ny fonja ao Antsiranana.

• ireo tetikasan'ny Governemanta Malagasy ho vatsian’ny findramam-bola amin'ny Governemanta Indiana amin'ny alalan'ny Exim Bank izay mitentina 100 tapitrisa dolara efa nankatoavina tamin'ny 20 Jolay 2022.

• ny fivadihana amin’ny "mode prépayé" ho an'ireo kaonteran-jiro ampiasaina eny amin’ny biraom-panjakana na "catégorie Administration".


>>>