Fiaraha-miasa Madagasikara - OIF

c

SG OIF et PDT RAJOELINA

Noraisin'ny Filoham-pirenena Malagasy Andry Rajoelina teny Iavoloha ny Sekretera Jeneralin'ny OIF Ramatoa Louise Mushikiwabo.


Ny 12 septambra 2022 no nihaony teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momban'ny Frankofaonia (OIF), Louise Mushikiwabo, niresahana indrindra ny mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa.
Niompana tamin'ny sehatra maro mahakasika ny fiainam-bahoaka andavanandro ny dinika, indrindra ny momba ny fanabeazana izay mikendry ny fahafahana mametraka tetikasa ahafahana mifanakalo mpampianatra avy amin'ireo firenena ao anatin'ny OIF ho an'ireo Oniversite Manarapenitra, mba ho fanatsarana ny tontolon'ny fampianarana. Eo ihany koa ny fanohanan'ny OIF ny ezaka mikasika ny fampananana "kopia nahaterahana" ho an'ny olom-pirenena tsirairay, ary ny fiarovana ny tontolo iainana.
Nambaran'ny Filoha Malagasy tamin'izany fa nitondra avo ny feon'i Afrika i Madagasikara nandritra ireo fandraisam-pitenenana nataony teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Ary mahavelom-bolo tokoa, hoy izy, ny finiavan'ny OIF hanamora ny fahazoana ireo "famatsiam-bola maitso" ho an'ireo firenena frankofaonina. Mitovy ny fomba fijery mikasika ny maha zava-dehibe ny fanamafisana ny feon'i Afrika sy ireo nosy kely mikasika ny fitadiavana ny rariny mikasika ny toetrandro.



SG OIF et PDT RAJOELINA

SG OIF