Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 14 Septambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina sy ireo didim-panjakana noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 14 Septambra 2022. Anisan’izany ny:

• Ny firosoana amin’ny fanamboarana tobim-pamokarana angovo manome herinaratra (centrale hydroélectrique) ao Ranomafana, izay hanana tanjaka 64 MW ao amin’ny reniranon’Ikopa manandrify ny distrikan’Ankazobe.

• Ny didim-panjakana nentina nanamarinana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (CFM).

• Ny didim-panjakana hanomezana tambin-karama ireo mpisehatra rehatra manatontosa ny hetsika faobe fanomezana solo-kopia sora-pahaterahana (jugement supplétif d’acte de naissance) sy fanomezana karapanondrom-pirenena.


>>>