Nahazo efitrano 3 sy dabilio

Vita ary efa azo ampiasaina sy ianarana nanomboka tamin'ity taom-pianarana ity ireo efitrano fianarana 3 vaovao namboarin'ny Faritra Analamanga tao amin'ny Fokontany Antamboho Atsimo, Kaominina Ambonivohitra Ankazobe. Marihana fa tranotany sy tafobozaka ity efitrano fianarana ity teo aloha ary tsy ampy nianaran'ny mpianatra izay efa nitombo maro. Ka araka ny velirano sy toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA no nanorenan'ny Faritra Analamanga ireto efitrano fianarana vaovao 3 ireto. Mba hampanara-penitra tanteraka ireto efitrano fianarana ireto dia nisy ny fanolorana dabilio vaovao 120 ny sekoly. Entanina hatrany ny mba hanajana ny fananana iombonana satria mitovy amin'ny tsy manana ihany ny tsy mahay manaja sy mikolokolo.