Feno 3 taona tamin'ny 25 septambra 2022 ny nanendrena an'Andriamatoa Hery Rasoamaromaka ho Governoran'ny Faritra Analamanga. Manoloana izany dia nisy ny fanambarana nataony tao amin'ny pejy Facebook-ny.
"FA NY FAHASOAVAN'ANDRIAMANITRA NO MAHA TOY IZAO AHY ; ARY TSY FOANA NY FAHASOAVANY ATO AMIKO." 1 Kor 15 : 10a
Isaorana ny Tompo fa mbola velon'aina. 3 Taona androany no nanendrena ahy ho Gouverneur faritra Analamanga ahy. Isaorako mandrakariva ianao Andriamatoa Filoha Andry RAJOELINA taminy nanendrenao ahy . Isaorako ianareo izay rehetra nanampy ahy hatramin izay.
Misy ny asa vita fa mbola betsaka ny asa miandry. Hiezaka izaho sy ny équipe-ko hanao tsaratsara kokoa. Mandalo ny toerana ka manainga antsika rehetra hiasa tsara hanavotantsika miaraka ity firenena ity.
10 taona aho no niandry an'io toerana io. IZAY MAHARITRA IHANY NO HOVONJENA.
Masina ny Tanindrazana.