Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 28 Septambra 2022

Nisy ireo fampitana am-bava izay nankatoavina teo anivon’ny Filankevitry ny Minisitra notanterahina androany 28 Septambra 2022. Anisan’izany ny:

• ny toro-lalana hampiasain’ireo andrimpanjakana sy minisitera isan-tsokajiny, mikasika ny fanalana amin’ny Fanjakana ireo fiaram-panjakana tsy ilaina intsony (procédure de condamnation pour des véhicules administratifs), mifanaraka amin’izay voalazan’ny lalàna manan-kery.

• ny fitsinjarana ireo “postes budgétaires” ahafahana mandray mpiasa miisa 17.900 voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana taona 2022.

• ny fandraisana ny fepetra vonjimaika sy hamehana, sy ny paikady fohy ezaka hametrahana ny fiarovana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN 44), indrindra ny ampahany faharoa amin’ny fanamboarana eo anelanelan’ny PK 60 sy ny PK 133.


>>>