Vory lanona androany 31 Jolay 2021 ny mponin'i Mangamila, distrikan'Anjozorobe nandritra ny fitokanana ny Tranompokonolona izay nohavaozin'ny Faritra Analamanga raha toa ka tsy azo nampiasaina nandritra ny fotoana maro izany noho ny fahasimbany.
"Ny fitantanana Firenena na Faritra dia mila finiavana sy fahavonona kely fotsiny dia ahitam-bokatra goavana raha ity ao Mangamila ity no raisina ohatra", hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny fitokanana ny zava-bita tany an-toerana. Nandritra izany fotoana izany koa dia nisy ny fanolorana masomboly 1 taonina mahery, angadinomby sy sarcleuse miisa 10 isa , kitapo maromaro ho an'ny mpianatra ary vola 200.000 Ar isan'olona ho mari-pankasitrahana ho an'ireo mpianatra valo nahazo naoty ambony indrindra tao amin'ny Kaominina Mangamila, avy amin'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Noho ny fangatahan'ny Ben'ny tanàna sy ny tompon'andraikitry ny trano fiterahana na Maternité ao an-toerana dia nanolotra kidoro miisa 10 ho an'ny Matérnité Mangamila ny Faritra Analamanga satria misedra olana izy ireo indrindra ireo reny hiteraka. Marihina fa havaozin'ny Faritra Analamanga afaka fotoana vitsy ihany koa ity Maternité ity.
Amin'ny herinandro dia halefa any amin'ny Distrikan'Anjozorobe indray ireo fitaovana lehibe fanamboaran-dalana na "engins" toy ny niveleuse sy ny compacteur hanao ireo lalana inter communale ka ireo kaominina any an-toerana no mifandamina amin'izany. Noho ny fiaraha-miasa tamin'ny Tale Jeneralin'ny Angovo sy ny Akoran'afo dia nisy ny fanolorana jiro LED mandeha amin'ny herin'ny masoandro mba hanazavana ny tanàna ao Mangamila ary napetraka sy narehitra avy hatrany ireo jiro ireo.
Nohamafisin'ny Governoran'Analamanga hatrany teto fa tsy hisy Distrika hadino sy faralahy intsony ato amin'ny Faritra Analamanga satria any amin'izy ireny no miainga ny tena fampandrosoana ny Firenena nefa mandeha miandalana izany.
Ny 03 Novambra 2020 no nanomboka ny fanavaozana ny tranompokonolona Mangamila Aanjozorobe. Fotodrafitrasa fampiasan'ny olona teto Mangamila izy ity saingy noho ny tsy fisian'ny fikarakarana dia simba ary tsy azo nampiasaina intsony. Noho ny hetahetan'ny mponina sy noho ny fahitan'ny Faritra Analamanga fa ilaina ny hanavaozana indray izany fotodrafitrasa izany dia noraisin'ny Faritra an-tanana ny fanamboarana azy. Fotodrafitrasa manarapenitra no atao ka tsy nikely soroka nanara-maso ny fizotry ny asa ny Governoran'Analamanga.
Vita tanteraka ny asa ankehitriny ary samy nidera ny finiavan'ny fitondram-panjakana ankehitriny hanao zavatra ny rehetra. Santionany ihany amin'ny zava-bita sy izay mbola hatao ity Tranompokonolona Mangamila ity. Tsy ho ela dia hahita fiovana goavana ihany koa i Mangamila amin'ireo lalana samihafa mampifandray ny kaominina mifanolobodirindrina.
Iray amin'ireo kaominina 19 mandrafitra ny distrikan'Anjozorobe ny kaominina Mangamila. Fokontany 21 kosa no hita ao aminy