Tranompokonolona Mangamila

Notokanana ny Sabotsy 31 Jolay 2021 ny Tranompokonolona ao Mangamila, distrikan'i Manjakandriana izay nohavaozin'ny Faritra Analamanga tanteraka raha toa ka tsy azo nampiasaina nandritra ny fotoana maro izany noho ny fahasimbany.
"Ny fitantanana Firenena na Faritra dia mila finiavana sy fahavonona kely fotsiny dia ahitam-bokatra goavana raha ity ao Mangamila ity no raisina ohatra", hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny fitokanana ny zava-bita tany an-toerana.
Nandritra izany fotoana izany koa dia nisy ny fanolorana masomboly 1 taonina mahery, angadinomby sy sarcleuse miisa 10 isa , kitapo maromaro ho an'ny mpianatra ary vola 200.000 Ar isan'olona ho mari-pankasitrahana ho an'ireo mpianatra valo nahazo naoty ambony indrindra tao amin'ny Kaominina Mangamila, avy amin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

tohiny