Analamanga Park, hampiantrano atleta amin'ny Lalaon'ny Nosy

Ho fiaraha-mientana amin'ny fanatanterahana ny "Jeux des Iles de l'Océan Indien " dia handray ireo ATLETA mpifaninana amin'izany ny Analamanga Park ka noho izany dia hihidy ho an'ny daholobe ny toerana manomboka ny 19 Aogositra ka hatramin'ny 6 Septambra ho avy izao.
Hiverina hisokatra ho antsika indray anefa ny toerana manomboka ny 7 Septambra 2023.
ALEFA MADAGASIKARA

14/08/23


Analamanga Park, Lundi de Pentecôte, 28 mai 2023

LUNDI DE PENTECOTE TETY ANALAMANGA PARK. 30.05.2023
Fahombiazana tanteraka ny "PIQUE-NIQUE GEANT" izay nokarakarain'ny Orinasa STAR sy ny RDJ tety Analamanga Park ny alatsinainin'ny Pentekosta 29 may 2023.
Isaorana izy ireo nahatoky ny Analamanga Park tamin'ny nikarakarany ny hetsika teny an-toerana.
Tonga maro ny olona sy ireo fianakavina nitsangatsangana sy niala voly tety an-toerana nanararaotra ny andro tsara nandritra ny tontolo andro nifaliana sy nialana voly.
Nisy ihany koa ny fampisehoana izay niarahana tamin'ireo tarika kalaza dia ny tarika AmbondronA sy ny tarika 'ZAY.
Ny Analamanga Park sy ny Faritra Analamanga dia misokatra hatrany ho antsika ary vonona hatrany hiara-miasa amin'ireo Orinasa sy fikambanana na olontsotra maniry hikarakara hetsika ety an-toerana.

29/05/23


Lundi de Pentecôte Analamanga Park, 06 juin 2022

Fitsangatsanganana Pentekosta voalohany taorian'ny fanavaozana

Ny Alatsinainy 06 Jona 2022 no Alatsinainin'ny Pantekosta voalohany nankalazaina tety Analamanga Park taorian'ny fanavaozana goavana nataon'ny Faritra Analamanga tamin'ity toerana ity. Niavaka ny nankalazana izany satria ny Pasteur Jocelyn Ranjarison no nanao fampisehoana ara-pilazantsara sy fitoriana teny an-toerana ny tolakandro. Ny maraina dia nisy Zumba teny an-toerana ary maro ireo mpitsangatsangana no nandray anjara tamin'izany.
Maro ny olona namaly ny antso ary afa-po avokoa izay tonga teny an-toerana satria samy nahazo ny sahaza azy avokoa.

Nafana ny Zumba

Sady mitsangatsangana no manao fanatanjahantena kely amin'ny dihy mirindra ireo mpitsangatsangana teny Analamanga Parka ny Alatsinainin'ny Pentekosta 06 Jona 2022. Na ankizy na tanora na zokiolona dia samy nientanentana teto avokoa niaraka tamin'ny Slash Crew

           Hetsika ara-pilantsara niarahana tamin'ny Pasteur Jocelyn Ranjarison

            Amin'ny maha fety kristianina ny Pentekosta dia niavaka ny teny Analamanga Park satria Fampianarana sy Toriteny niaraka tamin'ny hira ara-pilazantsara no nanohizana ny fansaharam-potoana ny tolakandro, niaraka tamin'ny Pasteur Jocelyn Ranjarison. Samy nahazo ny tandrify azy ny tsirairay tonga teny Analamanga Park. Ny Faritra Analamanga tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka kosa dia misaotra ireo rehetra namaly ny atso ka tonga teny an-toerana nanamarika ny Alatsinainin'ny Pentekosta 06 Jona 2022

 

06/06/22

Lundi de Pentecôte 06 juin 2022

 

01/06/22

Lundi de Pâques 18 avril 2022 Analamanga Park

12/04/22

Tsenaben'ny Fizahantany, 31 martsa - 02 aprily 2022

Tanterahina etsy amin'ny Gara Soarano : 31 martsa - 02 aprily 2022
 
Tanterahina etsy amin'ny Gara Soarano ny 31 martsa 2022 hatramin'ny 02 aprily 2022 ny andiany faha-5 amin'ny TSENABEN'NY FIZAHANTANY.
 

01/04/22

AMBONDRONA Analamanga Park 12 DECEMBRE 2021

TARIKA AMBONDRONA SY REKO TENY ANALAMANGA PARK

Nafana ny fiarahana tamin'ny tarika AMBONDRONA tety Analamanga Park, ny Alahady 12 Desambra 2021.
Nanokatra ny fampisehoana ny tarika REKO.
Isaorana ireo vahoaka mpankafy maro tonga nanotrona tety an-toerana.
   

FEPETRA ARA-PAHASALAMANA

Maro ireo fepetra noraisin'ny Faritra Analamanga ho fisorohana ny fihanaky ny aretina Covid -19 nandritra ny fampisehoana nataon'ny tarika Ambondrona sy REKO teny Analamanga Park.
-Nisy ny "tunnel desinfectant" isaky ny fidirana.
-Nofendrahana ranom-panafody ny faritra rehetra ety Analamanga Park.
-Manao aro vavaorona ny rehetra
 

 

12/12/21

FETY BE Analamanga Park, AMBONDRONA 12 décembre 2021

MANOMBOKA NY TALATA 07 NOVAMBRA 2021 NY FIVAROTANA NY TAPAKILA ENY AMIN'NY BIRAON'NY FARITRA ANALAMANGA AMBOHIDAHY AMIN'NY FAMPISEHOAN'NY TARIKA AMBONDRONA ENY ANALAMANGA PARK NY 12 DESAMBRA 2021

Efa amidy etsy amin'ny Biraon'ny Faritra Analamanga etsy Ambohidahy rihana voalohany, ny tapakila (billets) amin'ny Fety be hiarahana amin'ny Tarika AMBONDRONA eny Analamanga Park ny Alahady 12 Desambra ho avy izao. Hanokatra ny fampisehoana ny Tarika REKO FY & HIS BAND. 7.000 Ariary ny vidim-pidirana

 

06/12/21

FETY BE Analamanga Park, 28 NOVEMBRE 2021

ANALAMANGA PARK 28 NOVAMBRA 2021 

Vao maraina dia efa somebiseby ny olona

Ny maraina dia efa manomboka tonga ny olona teny Analamanga Park hanatrika ny fety ny Alahady tontolo andro. Hisy ny rindrankira ny tolakandro ary ny maraina dia efa nanomboka ny "Kermesy Goavana" niarahana tamin'ny Faritra Analamanga, ny TELMA ary ny STAR nahazoana loka maro sy goavana toa ny fivahiniana ao Analamanga Park ho an'olona 6 mandritra ny 2 andro ary hiantohana ny rehetra. Misy trano fisakafoana na restaurants maro rahateo ety an-toerana.

Nitorajofo ny kianja niaraka tamin'ireo artista fanta-daza

Mpanakanto goavana efa fanta-daza no nanafana ny fotoana ny tolakandro. Nifandimby nampiseho ny talentany teto ry Rak Root's, Farah John's, Simonda Valera, Jazz Mmc, Smaven, Jerry Marcoss. Afa-po ny rehetra. 
Ny maraina dia nisy ny Kermesy Goavana niarahana tamin'ireo mpanohana toa ny Faritra Analamanga, ny TELMA ary ny STAR ka nisy ny TOMBOLA notanterahina. Toy ny mahazatra ireo mpitsidika eny Analamanga Park dia miara-mifaly amin'ny rehetra eny an-toerana ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka. Ny somary nahatsikaiky aza rehefa natao ny fisarihana ny tombola dia ny tapakilan'ny Governoran'Analamanga no voasarika nahazo ireo gros lots toy ny téléphone sy ilay fivahiniana ao Analamanga Park. Naverina ny antsapaka ka olon-kafa no nomena izany.
Nisaotra sy nankasitraka ny rehetra ny Governoran'Analamanga ary manasa antsika sahady amin'ny 12 Desambra 2021 amin'ny fampisehoana hiarahana amin'ny Tarika Ambondrona.

28/11/21

FETY BE Analamanga Park 28 NOVEMBRE 2021

 

15/11/21

Forage eny Analamanga Park, 04 Nov 2021

Mba hampizotra tsara ny resaka rano eny Analamanga Park dia nanolotra "forage" ho an'Analamanga Park ny Filoha Andry RAJOELINA ka isaorana tanteraka. Izany dia nataony tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Rano izay isaorana toy izany koa.

04/11/21


Appel à manifestation d'Intérêt, 04 novembre 2021

 

appel à manifestation d'interet

 

04/11/21

FETY BE Analamanga Park 01novambra 2021

ANALAMANGA PARK 31 OKT. - 01 NOVAMBRA 2021 

31 Oktobra 2021: Kermesy Goavana

Vory maro tety Analamanga Park ny olona ny Alahady 31 Oktobra namonjy ilay Kermesy Goavana nokarakarain' Analamanga Park. Ity no fety goavana voalohany noraisin'ity toerana ity taorian'ny fitokanana ofisialy natao ny 16 sy 17 Oktobra 2021.
Kilalao maro toy ny toraka kapoaka, jono tavoahangy, loto sns no teny an-toerana tao amin'ireo trano heva maro ary fanomezana maro no nozaraina tamin'izany.
Afa-po ireo maro tonga teny Analamanga Park izay samy variana tamin'ny hakanton'ny toerana sy ny kilalao maro samihafa hita eny an-toerana. Tsy mifidy sarangan'olona na taona fa samy nahazo izay tandrify azy manomboka amin'ny zaza madinika ka hatramin'ireo raiamandreny efa nahazoazo taona. Na ny mandeha irery na ny fianakaviana manao andiany na ny mpifankatia mandeha tsiroaroa dia samy naneho ny fahafaham-pony avokoa.

01 Novambra 2021: Fampisehoana niarahana tamin'ny mpanakanto fanta-daza

Tohin'ny Kermesy Goavana teny an-toerana dia nisy ny fampisehoana notanterahin'ny tarika Elidiot, Dah'mama ary Wada & Youngs.
Vory lanona ny vahoaka teny an-toerana ary niara nitotorebika ny rehetra. Niara-nifety sy niala voly teny an-toerana ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana ary ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy tao amin'ny Boriboritany Voalohany Antananarivo Renivohitra.
Misaotra antsika rehetra tonga teny an-toerana ary manome fotoana antsika indray amin'ny 28 Novambra 2021 ho avy izao ety Analamanga Park hatrany.

01/11/21

FILAZANA

FAMPAHAFANTARANA AVY AMIN'NY MPITANTANA ENY ANALAMANGA PARK
Ry mpanjifa hajaina,
Ampahafantarina isika rehetra fa efa nisy namandrika ny toerana fanaovana activités (espace enfant, terrain de foot, terrain de basket, terrain de volley, terrain de pétanque, piscine, chalets) ny andron'ny Sabotsy 30 Oktobra 2021, ireo Bungalows kosa dia misokatra foana ihany.
Mankasitraka tompoko.

 

28/10/21

FETY BE Analamanga Park 01 novambra sy 28 NOVAMBRA 2021

FETY BE 01 ET 28 NOV 2021

 

25/10/21

ANALAMANGA PARK, Notokanan'ny Filoha Andry Rajoelina 16 OKTOBRA 2021

17/10/21

ANALAMANGA PARK, fitokanana 16-17 OKTOBRA 2021

13/10/21

ANALAMANGA PARK, nahitana firehetana, 11 oktobra 2021

NISEHOANA FIREHETANA TAO ANALAMANGA PARK.
EFA VOAFEHY NY AFO.
Ny alatsinainy 11 oktobra 2021 dia nisehoana firehetana tato Analamanga Park.
Ny ala sy ny tanety tato anatiny izay tsy lavitra ny Bungalow VIP no may tamin'izany.
"Isaorana an'Andriamanitra fa voafehy ny afo ary tsy nisy may ny foto-drafitrasa. Raha ny fitsirihana voalohany natao tety an-toerana izay tombanana ho niaingan'ny afo dia nisy baoritra may izay mahatonga ny ahiahy tsy ihavanana "sao" nisy nandrehitra", hoy ny fanambaran'ny Governoran'Analamanga raha nijery ifotony ny zava-misy teny antoerana raha vantany vao nahare ny vaovao. Efa tonga teny an-toerana koa ny Zandary manao ny fanadihadiana sy ny fizahana lalina.
Nambaran'Andriamatoa Governora ihany koa fa "Tsy hay na fifandrifian-javatra fa minitra vitsy tao aorian'ny nivoahan'ny Spot sy ny affiche mikasika ny fitokanana ny 16 Oktobra ho avy izao tato amin'ny page no nisian'izao firehetana izao.
Isaorana ny vahoaka sy ny mponina ety amin'ny Kaominina Ambalavao notarihin'ny Ben'ny Tanàna namono ny afo. Teo ihany koa ny Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra sy ny eny Tanjombato nandefa ny mpamonjy voina (sapeurs-pompiers) namono ny afo ka nahafehezana tanteraka ny afo tety an-toerana."

Tsahivina fa efa nisy ny firehetan'ny tanàna toy izao tamin'ny 2017 ka nahamaizana Bungalows 3 tety an-toerana ka efa nosoloina vaovao ankehitriny.

11/10/21


Hotokanana tsy ho ela

MPONINA ETY AMIN'NY MANODIDINA IHANY NO HALAINA HIASA ETO.  ANALAMANGA PARK

Ho fanomanana ny fisokafan'ny Analamanga Park ato ho ato izay voatery nahemotra volana maro noho ny hamehana ara-pahasalamana dia nisy androany 07 septambra 2021 ny fitadiavana mpiasa (entretien de recrutement) natao tety Analamanga Park izay natrehin'ny Governora.
Araka ny fifanarahana tamin'ny Ben'ny Tanàna ety amin'ny Kaominina Ambalavao misy an'Analamanga Park, mba ho fanomezana asa ny tanora ety dia ny tanora sy mponina ety an-toerana ihany no halaina hanao ny asa toy ny femme de menage, mpanasa lamba, mpikarakara ny terrains, maintenance sy ny sisa.

07/09/21