Taorian'ny Faritra Analamanga dia ny Faritra Itasy indray no handray ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny Journées Internationales des Régions, andiany faharoa, ny 30 septambra 2021 hatramin'ny 2 oktobra 2021. Ny andiany fahatelo kosa, amin'ity taona 2021 ity ihany dia hotanterahina any amin'ny Faritra Sofia ny 28 hatramin'ny 30 oktobra.
Raha tsiahivina dia ny Faritra Analamanga no nandray ny andiany voalohany tamin'ny JIR ny 26 hatramin'ny 28 novambra 2020.
ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY FARITRA Journées Internationales des Régions |
|
Hankalazaina eto amintsika manomboka amin'ity taona ity ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny Journées Internationales des Régions ; hetsika izay karakarain'ny Minisiteran'ny Raharahambahiny sy ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana miaraka amin'ireo Faritra rehetra manerana ny Nosy ary iaraha-mientana amin'ireo minisitera rehetra voakasika miaraka amin'ny mpiara-miombona antoka isan-tsokajiny. Ny tanjona dia ny fampahafantarana ireo otrikarena ao amin'ny Faritra iray sy fitadiavana loharanom-bola ahafahana manatanteraka ireo tetikasa isan-karazany eny anivon'ny Faritra. |
|
![]() |