ATRIKASA NOTANTERAHAN'IREO TOMPON'ANDRAIKITRA ATO AMIN'NY FARITRA ANALAMNAGA TATSY MAORISY.
Araka ny fanasana azoko tamin'ireo mpiara miombon'antoka avy atsy amin'ny Nosy Maorisy dia nanatanteraka atrikasa na "team building" nandritra ny 4 andro tany an-toerana ny tenako sy ireo tompon'andraikitra ato amin'ny Faritra Analamanga.
Atrikasa izay niompana tanteraka tamin'ny resaka fambolem-bary,ny fiompina trondro ary ny fanorenana no natao tany ary tsy ho ela dia hisy ny fiaraha-miasa hatao momba io sehatra io.
Tsara ho marihina fa tsy nisy tetibola avy ato amin'ny Faritra Analamanga nivoaka na ny Ariary aza tamin'ny dia natao tany Maorisy izao ary azo hamarinina tsara izany.
Izao fihetsika izao ihany koa no nataoko dia mba ho fisaorana sy fankasitrahana ireto mpiara-miasa amiko ireto, izay niasa tsy nandry andro sy alina eny na andro tsy fiasana aza ka nazahoan'ny Faritra Analamanga vokatra maro nandritra izay fotoam-piasana 3 taona izay.
Ny Governora Hery RASOAMAROMAKA
21/11/22
Naneho ny heviny nanoloana ny mpanao gazety, ny alarobia 27 jolay 2022, tetsy Ambohidahy ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka. Nibahan-toerana tamin'izany ny fahitany ny hetsika nataon'ny vondron'ny mpanohitra tetsy Behoririka ny sabotsy 23 jolay lasa teo. Nambarany tamin'izany fa tsy fotoanan'ny fanakorontanana intsony izao. Fahatahorana ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023 no manosika ny mpanohitra hanao fihetsiketsehana hoy izy, izay hambolena korontana eto amin'ny firenena ka itakiana ny fiaraha-mitantana avy eo. Mandala ny demokrasia ny fitondrana ankehitriny, hoy ihany ny Governora, ary mihaino ny hevitry ny rehetra ary zon'ny mpanohitra ny maneho hevitra saingy tsy ekena kosa ny fanakorontanana. Toy izao ny fanehoan-kevitry ny Governoran'Analamanga : "Voalohany dia aoka tsy ho fitahina sy laingàna ny vahoaka fa miasa izao fitondrana izao. Ekena fa misy ny fahasahiranana amin'ny ankapobeny saingy tsy mitsahatra ny mitady vahaolana amin'izany kosa ny Fitondrana.
Tsy voaporofo hoe hamaha olana haingana sy mampidina ny vidim-piainana sy ny solika io fanonganana kasain'ny mpanohitra hatao io.
Raha ny mahakasika ny fanakanana ilay hetsika iny Sabotsy iny indray, dia rariny sy hitsiny raha nisy ny fandraràna sy ny fisamborana satria mazava ny tanjon'izy ireo dia ny hanakorontana sy hanongam-panjakana, ka nandray andraikitra ny mpitandro filaminana nandrara sy nanakana izany satria izay no isan'ny anjara asan'izy ireo.
Tsy toy ny Filoha teo aloha Ravalomanana izay hitam-poko hitam-pirenena ary izy tenanay no nilaza fa nanome baiko mpitandro filaminana tsy hihetsika, dia ireny korontana sy faty olona ary fandrobàna ireny no niseho teto Antananarivo sy ireo renivohi-paritany sasany tamin'ny fotoan'androny.
Hendry ary mandinika tsara ny ankabeazan'ny vahoaka Malagasy ka mahatsapa ny ezaka ataon'ny Fitondrana amin'ny fampandrosoana ka tsy ho azonao hidina an-dalambe ary fantatr'izy ireo koa ny ezaka ataon'ny mpitondra amin'ny fanampiana ny vahoaka.
Rehefa ireo vahoaka ireo no mihetsika noho ny fahatsapany ny tsy fetezana ataon'ny mpitondra dia tsy hisy mpitandro filaminana hahatohitra azy ireo.
Aoka tsy handaingana ny vahoaka fa fantany ny zava-nisy teto amin'ny firenena toy ny raharaha izay nanagadra an'i Pety, Voninahitsy, 3 Frères sy ny maro hafa.
Tsy izao fitondrana izao mihitsy akory no manao didy jadona satria rehefa nohenoina ireo voalazan'Andriamatoa Ravalomanana dia ny azavatra nataony fahiny tamin'izy nitondra avokoa ireny notanisainy ireny, satria izy no tena nanao didy jadona.
Mihaino ny mpitondra amin'izao. Ny tenako dia tsy nianatra hitondra ny Faritra Analamanga fa mihaino aho ary malalaka ny varavarako raha misy sosokevitra avy amin'ny mpanohitra.
Voafidim-bahoaka ny Filoha RAJOELINA ka avelao izy hiasa sy hanapitra ny fotoam-piasany. Amin'ny 2023 ny fifidianana dia alao ny vahoaka no hitsara.
Io fifidianana io mihitsy no tena atahoran'ireo mpanohitra ireo ka mahatonga azy ireo te hanongana satria fantany fa kely ny vintana hahalany azy ireo. Hany heriny dia io mitady fiaraha-mitantana lava sy fanonganana io.
Ny imasoan'ny mpitondra izao dia ny manohy ireo "Velirano" izay ekena fa tsy tanteraka 100% noho ny valanaretina Covid sy ity krizy eran-tany ity, fa amin'ity heritaona farany izao ity dia hampitombo ny hafainganam-pandeha indroa na intelo mihoatra ny teo aloha izahay.
Hafatra averiko foana ho anay mpitondra, olomboatendry, olomboafidy dia ny hoe manaova ny mety, miasà, fa tsy hisy ho tafaverina eto amin'ny fitondrana izany intsony rehefa manao ny tsy mety."
Nanao valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny zoma 11 martsa 2022 ny Governora Hery Rasoamaromaka, niresahany mikasika ny raharaham-pirenena indrindra ny resaka fanoloana izay ho mpikambana ao anaty governemanta na remaniement.
Nambarany àry fa : "Aoka ny Filoha izay lany tamin'ny fomba demokratika no hisafidy izay ho mpikambana ao anaty governemanta izay fantany fa mbola mahavita sy izay efa tokony ho soloina.
Aoka hajanona ny filazana foko sy fihaviana ho entina handrangitana adim-poko sy fifankahalana eo amin'ny samy Malagasy, satria isika dia samy Malagasy avokoa ary avy eto Madagasikara. Aza omena tery "pression" sy fandrahonana ny amin'izany ny Filoha Andry RAJOELINA fa tsy mety izany.
Misy koa ireo antoko milaza fa nanohana ny Filoha ka aza kitihina hono. Ny fanohanana ny Filoha dia tsy voatery ho oa anaty Governemanta ihany fa maro lafy. Ka raha tena mpanohana ny Filoha tokoa ianao sy ny antokonao fa tsy sadasada na manana tanjona hafa ambadika, dia tsy hametraka olana na tsy ao anaty Governemanta aza..
Mahakasika ny fisokafan'ny mpikambana ao anaty govermemanta indray dia nampatsiahivin'ny Governoran'Analamanga fa efa nisokatra ny Filoha hatramin'zay. Tsy TGV na mpiray antoko aminy avokoa akory ireo efa nandalo sy mbola tafajanona ao amin'izao. Nambarany fa ny antoko TGV dia tsy hiady ny tsy maintsy ho mpikambana handrafitra izany governemanta izany satria malalaka amin'ny safidiny ny Filoha amin'izay fantany fa hahavita ny andraikitra sy ny vina tiany hotratrariny. Ny Antoko TGV dia manaiky sy manaja ny safidy sy ny fanapahan-kevitry ny Filoham-pirenena sady Filoha mpanorina ny antoko rahateo.
Raha fehezina ny hevitry ny Governora Hery Rasoamaromaka, mahakasika ny fanoloana ny mpikambana ao amin'ny governemanta dia : Aleo halalaka amin'ny safidiny amin'ireo mpiara-miasa aminy ny Filoha fa aoka tsy hasiana teritery satria fampandrosoana no tanjona.
FANAMBARAN'NY GOVERNORA HERY RASOAMAROMAKA
-Mankahery ireo traboina manerana ny Nosy
-Fampianarana : Miverina mianatra ny mpianatra ny Alatsinainy 07 febroary 2022
-Fitaterana : Miverina misokatra ny Zotra rezionaly ato Analamanga
Nihaona tamin'ny mpanao gazety ny Alatsinainy 26 Jolay 2021 tetsy Ambohidahy ny Governora Hery Rasoamaromaka ka tamin'izany no namelabelarany ny heviny mikasika ireo raharaha mafana eto amin'ny Firenena.
Teboka maromaro no noresahana tamin'izany ka isan'izany ny :
FIFOFONA NY AIN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA.
Manameloka tanteraka ary tsy manaiky ny fifofoana ny ain'ny Filoham-pirenena sy ireo olona ambony ato amin'ny Firenena ny tenany.
Tsy azo ekena ary melohina tanteraka izany hoy izy satria fanozongozonana ny fiandrianam-pirenena ary ho loza goavana ho an'ny Firenena izay vao miarina avy ao anaty fahantrana lalina raha SANATRIA tanteraka
FANAMPIANA 1 MILLIARD 100 DE $.
Raha tsiahivina dia 100 millions de $ no vola nampiasaina tamin'ny tetezamita nefa marobe ireo fotodrafitrasa MANARAPENITRA voatsangana ary nizotra an-tsakany sy an-davany ny raharaham-pirenena.
Ankehitriny anefa dia 1 milliard 100 de $ no nomen'ny Banky iraisam-pirenena izay midika voalohany indrindra fa atokisan'ny mpiara-miombon'antoka izao Fitondrana izao.
Mino sy manantena isika fa hahavita be lavitra noho ny tamin'ny tetezamita ity Fitondrana ity, hoy hatrany ny Governoran'Analamanga satria fantatry ny Filoha Andry RAJOELINA izay mety sy hahasoa antsika sy ny Firenena Malagasy.
HETSIKY NY MPANOHITRA RMDM.
Nanao fanambarana ary nitaky ny fialan'ny Filoha ankehitriny ny Filoha teo aloha Marc RAVALOMANANA ary mangataka ny hananganana Repoblika faha5. Hentitra ny Governora nanambara fa :
"Fomba fiteniko matetika ny hoe rehefa eo amin'ny Fitondrana dia ataovy izay asa rehetra TOKONY hatao fa sarotra, mba tsy hitenenako hoe tsy ho tafaverina eo intsony, vao miala eo.
Filoha lany tamin'ny fomba demokratika ny Filoha Andry RAJOELINA ka ny miandry ny fifidianana manaraka no azon'ireo mpitondra teo aloha atao ka mandroso politika tsara kokoa ho an'ny vahoaka RAHA MANANA ka ny vahoaka Malagasy no tompon-tsafidy avy eo.
Ny mampikoropaka ireo mpanohitra mantsy dia mazava fa raha miasa an-kalalahana ny Fitondrana an-kehitriny dia tsy manambitana ny ho tonga eo amin'ny Fitondrana izy ireo, hany ka ny manakorontana sisa fara-herin'izy ireo".
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia manamafy ny filazana fa ny Fiangonana eto aminy Faritra Analamanga sy ireo Faritra hafa izay nakatona dia mbola mikatona ka tsy hisy noho izany ny fotoam-pivavahana isaky ny Alahady noho ny ezaka iombonana amin'ity ady amin'ny valan'aretina ity. Ireo Fiangonana any amin'ny Faritra hafa tsy mikatona kosa dia afaka manatanteraka ny fotoam-pivavahana isaky ny Alahady. Ireto avy ireo Faritra mbola mikatona: -Faritra Analamanga -Faritra Atsinanana -Faritra SAVA Ireo Faritra nakatona tamin'ny 2 May : -Faritra Vakinakaratra -Faritra Matsiatra Ambony -Faritra Anôsy Ireo Faritra efa nosokafana ny 2 May lasa teo: -Faritra Boeny -Nosy Be Entanina hatrany isika hanaraka ireo toromarika ireo mandra-piandry ny toromarika vaovao. |
FILAZANA SY FAMPAHAFANTARANA MOMBA NY FASAN'NY FIRAISAM-PO
|
MIARAHABA ANTSIKA REHETRA.
Tonga soamantsara eto an-tanindrazana ny tenako.
Isaorana voalohany Andriamananitra nanasitrana.
Faharoa dia ireo mpitsabo izay nitsabo na teto an-toerana na tany ivelany.
Ary tsy ny kely indrindra dia ianareo namana sy havana ary mpiara-miasa nitondra am-bavaka.
Hitondrako fanazavana fohy fa "Assurance Santé" tao amin'ny ASSISTANCE PLUS izay efa nataoko nandritra ny taona maro no nahafahako nanao ny EVASAN tany ivelany sy nanarahako ny fitsaboana (Hospitalisation) fa tsy nisy volam-panjakana na volan'ny Faritra niala na kely aza.
Azontsika hamarinina eo anivon'ny Assistance Plus sy ny Faritra Analamanga izany.
Mbola eto ary miha mahery vaika ny aretina Covid-19 ka manentana antsika hatrany hitandrina sy hanaja ireo fihetsika sakana rehetra indrindra ireo fepetra napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA izay ankasitrahana tanteraka.
![]() |
|
|
TENIN'NY GOVERNORA.
- Izahay mpitondra dia afaka mihaino ireo tsikera sy ireo "tena" mpanohitra satria tena ilaina ny "critiques constructives" hanitsiana ireo tsy mety. Fanitsiana anefa ny tanjona fa tsy fanakorontanana toy ny tian'izy ireo hatao rahampitso io.
|
Nanantanteraka fihaonana tamin'ny mpanao gazety ny Governoran'ny Faritra Analamanga notronon'ireo STAFF mpiara miasa aminy ny 4 janoary 2021.
Nandritra izany no nilazany ireo asa vita tamin'ny taona 2020 toy ny lalana pavé 14km raha 10km no nangatahin'ny Filoha ho vitaina. Teo ihany koa ny lalan-tany 82km.
Ny tohodrano (barrage), trano sekoly maro, tsena manarapenitra ary asa sosialy maro samihafa.
Ho an'ny taona 2021 dia manao fanamby ny Faritra Analamanga fa hamita lalana pavé 50km sy lalan-tany 200 km satria hisy ireo "engins" fanamboaran-dalana vaovao hatolotry ny Filoha Andry Rajoelina hanatanterahana izany.
Amin'ity Taona vaovao ity ihany koa dia hamboatra ireo lalana goudron eny amin'ny lalam-pirenena (RN) sy any amin'ny kaominina misy lavadavaka amin'ny fanampenana azy ireny ny Faritra mba hanampiana ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny kaominina sasany satria hahazo fitaovana vaovao hahafahana hanao izany ihany koa ny Faritra Analamanga.
Marihina fa raha ny teti-bola omen'ny fitondrana foibe dia tsy ho ampy hanatanterahana ireo asa marobe ireo. Ireny no tontosa sy hotontosa dia noho ny fahaiza-mitantana teto amin'ny Faritra. Teo ihany koa ireo tamberin-ketra avy eny amin'ny kaominina ary ny hetra sy haba tsy nisy nitaky teo aloha ka ireny no narindra nahavitana ireo asa ireo sy nahafahana nividy fitaovana maro toy ny "engins" fanamboaran-dalana.
Amin'ny maha taonan'ny asa ity Taona 2021 ity araka ny tenin'ny Filoham-pirenena dia fanamby no apetraky ny Governora sy ireo mpiara miasa aminy fa hanatanteraka sy hanampy bebe kokoa ny fanatanterahana ireo Veliranon'ny Filoha ireo izy ireo satria ny fampandrosoana dia miala avy ety ifotony.