Tatitry ny Filankevitry ny minisitra, Alarobia 22 febroary 2023

Mialohan'ny nirosoana tamin'ireo lahadinika efa voafaritra dia nampahafantarina amin'ny fomba ofisialy tamin'ny vahoaka malagasy androany 22 febroary 2023 ireo valo mianadahy mpikambana vaovaon’ny Governemanta vao avy notendrena.
Nisaotra ireo mpikambana teo aloha tamin’ny asa vitan’izy ireo nandritra ny fotoana izay nitantanan’izy ireo ny minisitera niandraiketany avy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, sy niarahaba ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny endriny ankehitriny fa indrindra nanomezana tsodrano ireo minisitra vaovao, mba hahaleo hahalasana ka hahavita soa aman-tsara ireo andraikitra ankinina amin’izy ireo.
Nitondra fanazavana ny Filohan’ny Repoblika fa matoa nasiana ny fanovàna dia mba hitondrana fanatsarana bebe kokoa sy hanafainganana ihany koa ny asa, ny tetikasa sy ny fandaharanasa izay ho tanterahina eo anivon’ny sampandraharahan’ny minisitera tsirairay avy, ho fanasoavana ny vahoaka malagasy. Mifanindra an-dalana amin’ny fanovàna ireo mpikambana sasantsasany ao amin’ny governemanta, dia tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fanovàna ny fomba fiasa manomboka izao, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika.
Taorian'ny lahateny nataon'ny Filoham-pirenena dia nomena fotoana ireo minisitra vaovao namelabelarana ireo laharam-pahamehana sy fanamby hotanterahin’izy ireo ato anatin'ny enim-bolana.

Décret n°2023-165 du 20 février 2023

Conseil des ministres du mercredi 22 février 2023

>>>