RY TANINDRAZANAY MALALA Ô !
Tonony: Pasteur Rahajason Feony : Norbert Raharisoa
1-Ry Tanindrazanay malala ô !
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao ho anao doria tokoa.
Fiverenana :
Tahionao ry Zanahary
‘Ty Nosindrazanay ity.
Hiadana sy ho finaritra
He ! sambatra tokoa izahay.
2-Ry Tanindrazanay malala ô !
Irinay mba hanompoana anao.
Ny tena sy fo fanahy anananay,
‘Zay sarobidy sy mendrika tokoa.
3-Ry Tanindrazanay malala ô
Irinay mba hitahiana anao,
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan’ny satanao.
Hymne national malgache Inno nazionale Madagascar
Ry Tanindrazanay malala ô! Mada Lyrics
Madagascar National Anthem Instrumental
Ny Alahady 19 Jona 2022 no nosokafana ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan'ny Fahaleovantenan'i Madagasikara sy ny faha-62 taona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy. Antsam-piderana ara-pilazantsara no natao tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Tonga nanatrika izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina notronin'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa sy ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo manam-pahefana sy olo-manan-kaja maro eto amin'ny Firenena.
Mpanakanto ara-pilazantsara maro, avy eto an-toerana sy avy any ampitan-dranomasina no nanafana ny fotoana teo Mahamasina, toa an-dry Rija Rasolondraibe, Hillsong France, Pepe Shine, Henika, Jaws Band, Tanora Masina Itaosy, Pasteur Jocelyn Ranjarison, Pasteur Mahandry, Mirella, Eliandry, Harilanto, TDL, Stenny, Ariane sy Christian-K, Fara Andriamamonjy, Vetson-kira, Joanah, ASCCAMAE, Chorale Seta Tafaray, Chorale Andrim-panjakana sy Ministera Mihira.
Taorian'ny hetsika dia naneho ny hafaliany sy ny fisaorana ny Malagasy ny Filoha Andry Rajoelina :
"Mankasitraka antsika mpiray Tanindrazana niombom-panahy nanankina ity Madagasikara malalantsika ity tamin’Andriamanitra nandritra ny Antsam-piderana ho an’ny firenena izay nanokafana ny fankalazana ny faha-62 taona niverenan’ny fahaleovantena. Nahazo fankaherezana manokana ny tenako tamin’ny vavaka natao teto Mahamasina. Izany fahasoavana azoko izany no ampitaiko ho amintsika Malagasy rehetra mba hankahery ny tsirairay amin’ny adidy sahaniny eo amin’ny tokantrano sy amin’ny firenena ary ho fanilo handrehitra ny fitiavan-tanindrazana ao anatintsika. Iray isika Malagasy! Ny fitiavako ny Tanindrazako mamelona ny hambompom-pirenena!"
Antsam-piderana ho an'ny Firenena 19 jona 2022
×