Tontosa tamim-pilaminana ny Podium nokarakarain'ny Faritra Analamanga ho fankalazana ny faha-62 taona niverenan'ny Fahaleovantena izay natao teny Andoharanofotsy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano sy Ambohidratrimo, distrikan'Ambohidratrimo. Vory maro ny vahoaka nanatrika ny lanonana ary samy afa-po avokoa. Tonga niara-paly tamin'ny vahoaka teny Iavoloha ny Solombavambahoaka sy ny Ben'ny Tanàna ary ny mpiasan'ny Faritra notarihin'ny Talen'ny Kabinetra; torak'izany koa ny teny Ambohidratrimo, notarihin'ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra ny mpiasan'ny Faritra Analamanga. Nofaranana tamin'ny Afomanga moa ny lanonana rehetra ka isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA fa faly ny vahoaka. Hitohy eny FENOARIVO Atsimondrano sy AMBOHIMANGAKELY Avaradrano ny Podium karakarain'ny Faritra Analamanga ny Alakamisy 23 Jona 2022 ary eny BEMASOANDRO-ITAOSY sy SABOTSY-NAMEHANA kosa ny Alakamisy 24 Jona 2022