Fizarana Kopia tao Antananarivo Renivohitra, 12 septambra 2022

Notanterahina tao amin'ny Lapan'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, ny alatsinainy 12 septambra 2022, ny fizarana tamin'ny fomba ofisialy ny kopian'ny sora-pahaterahana ho an'ireo olona tsy mbola nanana izany tao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Ity hetsika ity dia tafiditra ao anatin'ny tetikasa “Fanohanana ny sora-piankohonana” iarahan'ny Faritra Analamanga sy ny Organisation Internationale de la Francophonie na ny OIF miaraka amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana sy ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
Niatrika ity fotoana ity ny Sekretera Jeneralin'ny OIF Ramatoa Louise Mushikiwabo, ny Solotena avy ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka ary ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra Naina Andriatsitohaina.
Mitotaly 17.700 isa ireo kopia efa voazara hatramin’ny fanombohana ity tetikasa ity. Mbola hitohy ity tetikasa iarahana amin'ny Faritra Analamanga ity, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka. Ho an'ny Faritra Analamanga manokana dia kaominina 31 no hisitraka ity tetikasa ity.
Mikasika ny fiaraha-miasan'i Madagasikara sy ny OIF izay ihany dia ny 12 septambra 2022 no nihaony teny amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momban'ny Frankofaonia (OIF), Louise Mushikiwabo, niresahana indrindra ny mikasika ny fanamafisana ny fiaraha-miasa.