Routes

Lalana Ampaneva, distrika Manjakandriana, 28 janoary 2021

Toy izao ny asa fanamboarana ny lalan-tany mirefy 3km mampitohy ny RN3 sy ny fokotany Antanetilava Antanambao, ao amin'ny kaominina Ampaneva, disatrikan'i Manjakandriana.
Asa iandraiketan'ny faritra Analamanga.

 

28/01/21


Kaominina Ampaneva, mizotra ara-dalàna ny fanamboaran-dalana

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Efa nanomboka ny faran'ny herinandro teo ny fanamboaran-dalana ao amin'ny kaominina Ampaneva rehefa vita ny fanamboarana ny kianja fanaovam-baolina voalohany.
Fanamboarana lalan-tany mirefy 2km500 mampitohy fokontany 03 eto amin'ny kaominina Ampaneva no dingana voalohany izay hovitaina androany.

25/01/21


Kaominina Ampaneva, fanamboaran-dalana sy kianja filalaovana

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Taorian'ny fahavitan'ny fampahafantarana ireo engins 3 vaovao vao avy novidian'ny Faritra Analamanga sy ireo engins hafa efa nananany teo aloha dia nidina niasa avy hatrany tany amin'ireo toerana mila izany izy ireo.
Ny engins sasany dia nalefa tany amin'ny kaominina Ampaneva distrikan'i Manjakandriana avy hatrany.
2 andro izay dia nanao ny Kianja fanaovam-baolina any an-toerana no nataony  noho ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna sy ireo tanora mpitia baolina any an-toerana ka terrassement terrain ao Ambohinarivo Ampaneva no natao voalohany.
Misy kianja fanaovam-baolina 2 moa no hatao terrassement any an-toerana.
Rehefa vita ireo asa ireo androany dia hiroso amin'ny asa fanamboarana ny lalana mampitohy kaominina maromaro ireto fitaovana nalefa any an-toerana ireto.
Vahoaka maro be no nitsena ireto fitaovana ireto tamin'ny fahatongavany tany an-toerana ny Alarobia hariva teo satria efa ela nijaliana ny mponina amin'ireo lalana maro simba sy tsy azo nampiasaina ka ho afa-pahasahiranana tokoa izy ireo amin'izao fahatongavan'ny engins maro mpanao lalana any amin'izy ireo izao.
 

 

23/01/21


Lalana Miantso-Fihaonana, distrikan'Ankazobe

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
Ny andiany faharoa tamin'ireo engins kosa dia lasa tany amin'ny kaominina Fihaonana manao ny asa fanamboaranan-dalana, lalan-tany mirefy 6 km izay mampitohy kaominina roa eto amin'ny distrikan'Ankazobe dia ny kaominina Fihaonana sy ny kaominina Miantso.
 

 

23/01/21


Fitaovan'ny Faritra Analamanga ho fanamboaran-dalana

20.01.2021 tatitra teny amin'ny CCI Ivato

Notanterahana androany teny amin'ny CCI Ivato ny tatitry ny asa vita tamin'ny taona 2020 sy ny filazana ireo asa hatao amin'ity taona 2021 ity.
Tamin'ny taona 2020 ny Faritra Analamanga dia nahavita lalana pavé 14km sy lalan-tany 82 km.Misy ihany koa ny barrages ahafahana manondraka velarantany 150 Ha sy tsena manara-penitra 2 ary efitrano fianarana 12 sy ny maro hafa tsy voatanisa.
Engins 3 (niveleuses 2 sy compacteur) sy fiara hiasana vitsy ihany koa no azon'ny Faritra tamin'ny volan'ny faritra madiodio izay tsara ho marihina fa mitovy tamin'ny vola niditra tamin'ireo mpitantana teo aloha ihany no vola miditra amin'izao nefa nahavidy fitaovana maro sy nahavita fotodrafitr'asa maro isika tamin'ny taona lasa.
Eo indrindra no anipazana teny ho an'ireo mpanohitra izay milaza fa "raha izahay no tafaverina eo amin'ny fitondrana dia hataonay ny toy izao sy toy izao..."
Ny fanaovana asa dia rehefa mbola eo amin'ny Fitondrana no atao sy tanterahana satria sarotra ny mbola hiverenana hitondra rehefa tapitra ny taompiasana...
Rehefa eo amin'ny Fitondrana no am-pisehoana ny fahaizamanao fa tsy rehefa tsy eo amin'ny Fitondrana intsony.
Nandritra ny fandraisam-pitenenan'Atoa Governora ihany koa dia nampatsahiviny fa nandritra ny kabarin'ny Filoha Andry RAJOELINA dia taonan'ny asa ny taona 2021.Hinona araka izany fa ireo Minisitra voatendrin'ny Filoha ireo dia mahavita azy avokoa saingy rehefa tsy mahavita ny mpiara miasa aminareo dia tsara ny hanesorana azy ireo satria ny fampandrosoana an'i Madagasikara tsy tokony hiandry sady tsy azo ampiandrasana ireo tsy afaka.
Amin'ity taona ity ny Faritra Analamanga dia hividy "centrale enrobée" sy "finisseur" amin'ny volany madiodio hanatanterahany ireo asa fanamboarana lalana GOUDRON any amin'ny Communes sy distrika maro manerana ny Faritra Analamanga.

 

20/01/21


LALAN'NY ATODY MAHITSY


Androany 24 Febroary 2021 dia nisy ny fitsidihana ifotony nataon'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara- miasa aminy nijery ny asa fanamboaran-dalana mirefy eo amin'ny 20km mampitohy an'Antanetibe Mahazaza sy Mahitsy (Lalan'ny atody) izay asa iarahana amin'ny fanjakana Sinoa.
Nisy koa ny famahana ireo olana samihafa naterak'izao fanamboaran-dalana izao toy ny trano voatery noravana sy tany nototofana.
Hita tamin'izany fa efa mandroso ny asa fanamboaran-dalana ary nojerena tamin'izany ny iray amin'ireo tetezana 3 nohavaozina tanteraka.
Ny fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA dia amin'ny alalan'ny asa no anehoany ireo fampandrosoana vinavinainy hatao ka isaorana sy ampirisihana hatrany.

 

24/02/21


LALANA BOUT DE PISTE AMBOHIDRATRIMO

Mitohy hatrany ny asa fanamboarana ny lalana Ambatolaona Bout de piste mivoaka eny Ambohidratrimo côté station shell.
 

15/12/20


LALANA BOUT DE PISTE AMBOHIDRATRIMO, 10.12.2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga.
Manao "terrassement" ny lalana eny amin'ny  Bout de piste - Ambohidratrimo izay mirefy 5 km amin'izao fotoana izao (10 desambra 2020 ) ny Faritra Analamanga izay lalana be mpampiasa sy mamaha ny fahasahiranan'ny mponina nefa ratsy dia ratsy teo aloha.
Ireo "engins" miasa ireo dia an'ny Faritra Analamanga manokany izay novidiany hanatanterahana ny asa lalana rehetra.


TANJONA 2021.
Amin'ny taona 2021 dia manana tanjona goavana ny Faritra Analamanga ny hahavita lalan-tany mihoatra ny 100 km ary lalana pavé maherin'ny 20 km raha satria hiampy ireo "engins" araka ny tenin'ny Filoha.
Izahay ato amin'ny Faritra Analamanga dia resy lahatra fa ny fomba hanatrarana ny Vina sy Tanjon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia miainga avy eny ifotony ka izany no mahatonga izao fanamboarana sy fikojakojana ny lalana isaky ny Distrika samihafa izao.
 

10/12/20


Lalana MANGAIKA - FIAKARANA 08.12.2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Toy izao no fizotry ny asa fanaovana rarivato (pavé) ny lalana eny Mangaika mankeny Fiakarana.

18/12/20


LALANA DISTRIKAN'AMBOHIDRATRIMO, 01 OKTOBRA 2020

Toerana 3 izay misy asa iandraiketan'ny  Faritra Analamanga indray androany 01 oktobra 2020no nanatanterahan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika dia ny teny :
  • Kaominina Anosiala : Fokontany fiakarana izay lalana pavé.
  • Lalana vita rary vato (pavé) sy tara mampitohy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy sy Anjomakely.
  • Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy fokontany Soavinarivo Ambatomainty izay nanaovana fitarihandrano madio fisotro (Adduction d'eau potable) tany amin'ny toerana 3km ka hozaraina eo amin'ny Fokontany amin'ny alalany paompy miisa enina.
Raha ny teo amin'ny resaka lalana pavé dia hita fa tsara rafitra tokoa izany fa ny teo amin'ny fanarian-drano eny amin'ny sisiny no mila ahitsy kely.
Ny fitarihan-drano indray dia mbola eo an-dalana famitana ny asa ny orinasa manatanteraka izany.

 

01/10/20


LALANA ANKADIKELY ILAFY, 07 OKTOBRA 2020

Teny amin'ny Kaominina Ankadikely Ilafy  androany, 07 oktobra 2020,  no nanatanterahan'ny Ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika iteo asa sahanin'ny Faritra Analamanga.
Lalana pavé mampitohy Fokontany 4 dia Antanetibe, Mandrosoa, Ambatobe, Manjaka ary mivoaka any amin'ny RN3 no narahimaso.
Raha ny teo amin'ny resaka lalana pavé dia misy ny am-pahan-dalana efa vita saingy misy ny tsy maintsy haverina toy ny teo amin'ny lakan-drano fivarinan'ny rano izay miantoka ny fahatezan'ny lalana.
Hentitra ny Faritra Analamanga sy ireo teknisianiny amin'ireo asa rehetra iandraiketany ka toromarika no nomena ny orinasa mba hanajana tanteraka ny kalitao sy ny fenitra voafaritra anaty bokin’andraikitra ary tsy handefitra mihitsy mba hampanara-penitra ny asa rehetra.

 

07/10/20


Lalana Sabotsy-Namehana, 07 oktobra 2020

Fitsirihana ara-teknika
Nitohy teny amin'ny Kaominina Sabotsy Namehana ny fitsirihana ara-teknika notanterahan'ny Ekipan'ny Faritra Analamanga androany 07 oktobra 2020.
Lalana pavé miainga eo amin'ny tetezana Antsampandrano Ilafy ka mivoaka any amin'ny Kaominina Sabotsy Namehana no nojerena tamin'izany.

 

07/10/20


LALANA AMBOHIDAHY AMBOHIMANGA-ROVA

Fitsirihana ara-teknika
FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO
Mitohy hatrany ny fitsirihana ara-teknika ireo asa sahanin'ny Faritra Analamanga ka lalana rary vato na "pavé"  mampitohy fokontany maro eto amin'ny Fokontany Ambohidahy ao amin'ny Kaominina Ambohimanga Rova, distrikan'Antananarivo Avaradrano, no notsirihina androany 8 oktobra 2020.
Ny Faritra Analamanga dia sarotiny hatrany amin'ny kalitaon'ny asa izay iandraiketany ka manaramaso sy hentitra hatrany mba hampanara-penitra ny asa rehetra.

 

08/10/20


LALANA RARIVATO AMBOHIDRABIBY, 09 OKTOBRA 2020

Fitsirihana ara-teknika
Nitohy teny amin'ny Kaominina Ambohitrabiby, distrikan'Antananarivo Avaradrano ny fitsirihana ara-teknika ireo asa sahanin'ny Faritra Analamanga ka lalana rarivato na "pavé" mampitohy fokontany maro ary mifarana eo amin'ny tokontanin'ny Kaominina Ambohitrabiby no nojerena.
Mbola eo ampanatanterahana ny asa ny orinasa manantateraka izany ankehitriny.
Ny Faritra Analamanga dia mitaky hatrany kalitao tsara amin'ireo asa izay sahaniny rehetra.

 

09/10/20


LALANA TALATA-VOLONONDRY, 09 oktobra 2020

Toy izao ny asa fanamboarana ny lalana rarivato (pavé) manodidina ny Kaominina Talata-Volonondry, ao amin'ny distrikan'Antananarivo Avaradrano izay mampifandray ny EPP, CEG, LYCEE, CSB II, ny TSENA,ary ny Biraon'ny Zandarimariam-pirenena any an-toerana.

 

09/10/20


LALANA TSISANGAINA ANKAZOBE, 22 martsa 2021

NY FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Noho ny fiaraha- miasa matotra eo amin'ny Ben'ny tanàna ao Ankazobe sy ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora dia mitohy ny fanamboaran-dalana any amin'ny kaominina Ankazobe.
Lalana mampitohy fokontany 03 no natao :
Fkt Tsisangaina Anjezika, Ambotra ampovoany, Ambatomasina.
Averina hatrany fa raha tiana handroso.i Madagasikara dia miainga avy eny ifotony izany hoy ny Filoha Andry RAJOELINA.

22/03/21


Lalana Ankazobe-Talata Angavo-Fiadanana-Mandrosoa 14 APRILY 2021

Vita soa amantsara ny lalana kaominaly mampitohy ny Kaominina efatra : Ankazobe, Talata Angavo, Fiadanana, Mandrosoa ao amin'ny Distrikan' Ankazobe.
Lalana izay mirefiny eo amin'ny 17km eo ho eo.
Izao no atao dia ho fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha sy ireo fampandrosoana miala avy eny ifotony

14/04/21


Lalana Ankazondandy Antsahalalina, 15 aprily 2021

 
         

 

 

15/04/21


Lalana Ampanotokana - Mahabo, distrikan'Ambohidratrimo, 20 avril 2021

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga any amin'ireo kaominina maro manodidina.
Efa mandeha ihany koa izao ny fanamboaran-dalana mampitohy ny kaominina Ampanotokana (miala eo Anjomoka) amin'ny kaominina Mahabo, ao amin'ny district Ambohidratrimo.  Lalana mirefy 8km.
Marihana fa tena mamaha ny olan'ny mponina tokoa ny fanamboarana ireto lalana kaominaly ireto satria ahafahan'ny mponina mifamezivezy sy mamoaka ny vokatra any an-toerana ka miteraka fampandrosoana haingana araka ny vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA.

 

20/04/21


Lalana Mahabo-Anjanadoria, 12 may 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Mizotra antsakany sy andavany ny asa fanamboarana ny lalan-tany mampitohy ny Kaominina MAHABO amin'ny Kaominina ANJANADORIA, distrikan'Ambohidratrimo, mirefy 8 km eo ho eo.
Asa izay raisin'ny FARITRA ANALAMANGA an-tanana manontolo ny fanatanterahana azy.
Izany no atao dia entina hanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA, dia ny fampandrosoana izay miainga avy eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary koa ilay torimarika hanamboarana lalan-tany 250 km isan-taona.

12/05/21


Lalana Ankazondandy-Sadabe, 17 may 2021

Toy izao ny fandehan'ny asa fanamboarana ny lalan-tany mampitohy ny Kaominina Ankazondandy sy ny Kaominina Sadabe, ao amin'ny Distrikan'i Manjakandriana, izay mirefy eo amin'ny 10km eo ho eo .
Isan'ny tanjon'ny Faritra Analamanga amin'ireo lalan-tany 250 km baikon'ny Filoha Andry RAJOELINA tsy maintsy atao isan-taona ny fampifandraisana ireo samy kaominina any ambanivohitra.
Ny tanjona amin'izany dia ny hanamorana ny fivezivezen'ny vokatra ka hampisy ny fampandrosoana miala eny ifotony.
Marihina fa izao asa izao dia raisin'ny FARITRA ANALAMANGA an-tanana manontolo ny fanatanterahana azy.

17/05/21


Fitsirihana ireo Lalana rarivato ao Atsimondrano, 30.09.2020

Teny amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano indray androany 30 septambra 2020 no nanatanterahan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika ireo asa fanamboaran-dalana rarivato rehetra teny an-toerana izay raisin'ny faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana azy.
Ny voalohany dia teny amin'ny kaominina Andranonahoatra : axe Behenjy - Itaosy;  ary ny faharoa dia tao amin'ny kaominina Ambohidrapeto : axe Itaosy - Ambohidrapeto
Vita tsara ny asa saingy misy ireo pitsopitsony madinika hahitsy araka ny fahitan'ny teknisianina ao amin'ny faritra satria ilay asa manara-penitra sy maharitra no ilaina.
Niaraka nijery ireo asa ireo teny an-toerana ny Ben'ny tanàna roa tonta sy ny solotenan'ny Sefo Distrikta ao Atsimondrano.

30/09/20


Fitsirihana ireo Lalana ao Avaradrano : Masindray, 29.09.2020

Feno dia feno ny fandaharam-potoanan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga androany 29 septambra 2020 satria dia nanao fitsidihana ara-teknika tany amin'ireo asa maromaro any amin'ny distrikan'Antananarivo Avaradrano ka raisin'ny faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany.
Ny voalohany dia teny amin'ny kaominina Masindray no naleha sy notsidihana ka lalana pavé mampitohy an'Antaramanana sy Ampanobe ka ireo "points noirs" tena mampijaly ny mponina rehefa fahavaratra no nojerena.
Vita ny asa nefa misy ireo pitsopitsony tsy maintsy ahitsy araka ny fahitan'ny teknisianina ao amin'ny faritra ity asa ity.
Niaraka nijery ireo asa ireo teny an-toerana ny Sefo Distrikan' Avaradrano.

29/09/20


Fitsirihana ireo Lalana ao Avaradrano: Ambohimanambola, 29.09.2020

Toerana faharoa nanaovan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika androany 29 septambra 2020 ny tany amin'ny kaominina Ambohimanambola izay lalana pave mampitohy an' Ampahimanga sy Ambohipeno
Niaraka hatrany nijery ireo asa ireo teny an-toerana ny Sefo Distriktan' Avaradrano.
 

29/09/20


Fitsirihana ireo Lalana ao Avaradrano : Ambohimangakely 30.09.2020

Toerana fahatelo nanaovan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika androany 29 septambra 2020 ny lalana pavé tany amin'ny Kaominina Ambohimangakely Behintsy axe RN2 mihazo ny By Pass(ex RIP)
Niaraka hatrany nijery ireo asa ireo teny an-toerana ny Lehiben'ny distrikan'Avaradrano sy ny Ben'ny Tanànan'Ambohimangakely.

29/09/20


Fitsirihana ireo Lalana ao Avaradrano: Ambodivoara, 29.09.2020

Toerana fahefatra nanaovan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana ara-teknika androany ny tany amin'ny Kaominina Ambobimangakely izay lalana pavé eo Ambodivoara mampitohy an' Andranovao.
Niaraka teny an-toerana hatrany nijery ireo asa ireo ny Lehiben'ny Distrikan' Avaradrano sy ny Ben'ny tanàna.

29/09/20


Lalana Ankadimainto-Andakana, 28 sept 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Namboarina ny lalana (piste) any amin'ny kaominina Mahitsy, distrikan'Ambohidratrimo. Lalana izay miainga eo Ankadimainto mivoka an'Andakana.
Raha ratsy dia ratsy izy io teo aloha dia noraisin'ny Faritra an-tanana ny fanamboarana azy mba ho azo aleha tsara ary nohalehibeazina ihany hoa mba ho azo ifanenana tsara.
Ireo "engins" an'ny Faritra Analamanga no nentina nanamboarana ny lalana.

28/09/20


Lalana Ambohidratrimo, 08 jona 2021

Noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboaran-dalana eto Ambohidratrimo manomboka eo amin'ny Shell ka hatreny Ambohitahara ka horakofana tara (goudron).
Lalana izay tena simba tokoa ary efa nampikaikaika ny mponina nandritra ny taona maro ny haratsiny.
Efa nisy ny fampilazana isan-tokantrano natao andro vitsy mialoha  ny handrarahana tara satria hiasa andro aman'alina ny teknisianina. 
 

08/06/21


Lalana Ambohidratrimo, 09 jona 2021

Nataon'ny Faritra Analamanga rarivato (pavé) ny lalana mihazo ny Kianja manarapenitra ao Ambohidratrimo.

09/06/21


Lalana Mahitsy, 23 Jona 2021

Faritra Analamanga araka ny totomariky ny Filoha Andry RAJOELINA.
Natomboka ny alarobia 23 Jona 2021 ny fanamboarana ny lalana ao amin ny Kaominina Mahitsy sy ny manodidina, ka tao amin'ny fokontany Antongombato Atsimo no nanombohana izany. Lalana izay hamaha ny fitohanan'ny fifamoivoizana eto amin'ny Kaominina Mahitsy tampon-tanana.
Ity fanamboaran-dalana ity dia hitohy amin'ny lalana mampitohy ny Kaominina Mahitsy sy ny Kaominina Ambohimanjaka, izay samy ao anatin'ny Distrikan'Ambohidratrimo avokoa.
Izao asa izao dia fanantanterahana ny Vina sy ny Veliranon'ny  Filoha Andry Rajoelina amin'ny fampandrosoana ifotony ary tsy hisy hadino intsony ny.Kaominina rehetra eny na ny any ambanivohitra aza.

24/06/21


Lalana MAHITSY, 21 Jolay 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Mitohy ny asa fanamboarana ny lalana eto amin'ny Kaominina Mahitsy tampo-tanàna distrikan'Ambohidratrimo.
Izy ity dia lalana natao hamahana ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao antampon-tanàna ka fokontany 04 no andalovany sy misitraka izany fanamboarana izany dia ny fokontany Mahitsy, Antongombato Atsinanana, Antongombato Andrefana, Ampamantanana.

21/07/21


Lalana ANOSIALA-MAHITSY-AMBOHIMANJAKA, 16 Aogositra 2021

Mitohy ny fanamboaran-dalana tanterahan'ny FARITRA ANALAMANGA.
Lalan-tany kaominaly mirefy eo amin'ny 8km mampitohy ny Kaominina Ambanivohitra Anosiala, Mahitsy ary Ambohimanjaka no asiam-panamboarana ankehitriny. Natomboka ny fanarenana sy fanavaozana azy ho azon'ny vahoaka ampiasaina.

16/08/21


Lalana Soavinimerina 11 septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
SOAVINIMERINA AMBOHIDAHY.
Toy izao ny asa fanamboarana ny lalana ho pavé eny Soavinimerina Ambohidahy, asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA.
 

11/09/20


Lalana AMBATOBE, 11 Septambra 2020

11.09.20
FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
AMBATOBE
Mitohy hatrany ary efa madiva ho vita ny asa fanamboarana ny lalana ho pavé ao Ambatobe. Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga araka ny toromariky ny  Filoha Andry RAJOELINA.

11/09/20


Lalana BEHINTSY BY-PASS, 07 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
Toy izao ny asa fanamboarana ny Lalana eny Behintsy By-pass. Raha ny amin'ny lafiny teknika dia miroso amin'ny création exutoire en maçonnerie, pose butée longitudinale en béton, finition chape butée longitudinale, ressouflage sy compactage ny orinasa manao ny lalana ho pavé ankehitriny.
Mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ho an'ny Faritra Analamanga ho fanatanterahana ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
 

07/09/20


Lalana ANTSAMPANDRANO, 05 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
ANTSAMPANDRANO.
Mitohy hatrany ary efa madiva ho vita ny asa fanamboarana ny lalana pavé ao Antsampandrano
Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga araka ny toromariky ny  Filoha Andry RAJOELINA.

05/09/20


Lalana FIAKARANA-ALAKAMISY, 04 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
FIAKARANA mivoaka ALAKAMISY
Toy izao no.fizotry ny asa fanamboarana ny lalana "piste" eo Fiakarana mivoaka any Alakamisy tontosain'ny Faritra Analamanga.
Fitaovana "engins" an'ny Faritra Analamanga no entina manatanteraka ny asa.

04/09/20


Lalana TALATA-VOLONONDRY, 05 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
TALATA-VOLONONDRY.
Toy izao ny fivoaran'ny asa fanamboaran-dalana ao Talata-Volonondry, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Ampatsiahivina fa noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana ho pavé ny lalana mampitohy ny biraon'ny kaominina, CSB, CEG ary ny Lycée ao Talata-Volonondry.

05/09/20


Lalana FIAKARANA-ALAKAMISY, 02 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
Mamboatra ny lalana "piste" eo Fiakarana mivoaka any Alakamisy ny Faritra Analamanga.
Ny "engins" an'ny Faritra Analamanga izay vao azo no entina anamboarana izany lalana izany.
Mandeha tsara ihany koa ny fanamboaraha ho pavé ny lalana eo Fiakarana.
Izany asa rehetra izany dia asa iandraiketan'ny Faritra Analamanga avy amin'ny teti-bolany madiodio.

02/09/20


LALANA ANDRANOVAO AMBOHIMANGAKELY, 01 Septambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.
ANDRANOVAO AMBOHIMANGAKELY
Efa mamarana ny asa ny orinasa mpanatanteraka ny fanamboarana ny pavé eny Andranovao Ambohimangakely.
Miditra amin'ny remblayage ny accotement, ressouflage ary ny compactage izy ireo ankehitriny
Ny Faritra Analamanga dia manohy hatrany ny asa fampandrosoana araka ny toromariky ny  Filoha Andry RAJOELINA
 

01/09/20


Lalana Fiakarana Anosiala, notokanana 26 Aogositra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Notanterahina ny Alakamisy 26 Aogositra 2021 teny Fiakarana Kaominina Anosiala ao anatin'ny Distrikan'Ambohidratrimo ny fitokanana ny lalana rarivato (pavé) mirefy 3 km izay tafiditra ao anatin'ny asan'ny Fitondrana tarihan'ny Filoha Andry RAJOELINA notanterahin'ny Faritra Analamanga.
Ny Faritra Analamanga dia manome toky fa hahavita lalana bebe kokoa noho ny takiana satria tao aorian'ny diika nifanaovan'ny Minisitry ny Asa Vaventy vaovao sy ny Governoram-paritra dia hisy ny fiaraha-miasa matotra sy akaiky mba hanatanterahana ireo fanamby sy vina takian'ny Filoha ireo.
Nohamafisin'ny Governoran'Analamanga fa hihatsara hatrany ny kalitao amin'ny lalana izay ataon'ny Faritra ka tsy azo ekena ireo Orinasa tsy manatanteraka an-tsakany sy an-davany ny fenitra takiana ary raha sanatria misy mpiara-miasa miray tsikombakomba dia hisy ny sazy mafy satria ny asa atao rehetra dia natao ho lovain'ny taranaka mifandimby avokoa.

 

 

 

26/08/21


Lalana Ampitatafika - Fenoarivo, 06 septambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Mitohy ny fanamboarana ny lalantany mampitohy ny Kaominina Ampitatafika sy ny Kaominina Fenoarivo, samy ao amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Ny Faritra Analamanga no manatenteraka ny asa ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA ny amin'ny fanamboaran-dalana lalantany 200 km isan-taona.

06/09/21


Lalana Ampitatafika - Alakamisy, 07 septambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Noho ny fananan'ny Faritra Analamanga "engins" maro dia asa maro no miaraka atao ato amin'ny Faritra Analamanga.
Toy izao ny fanamboaran-dalana mampitohy ny Kaominina Ampitatafika sy ny Kaominina Alakamisy, any amin'ny Distrikan'Antananarivo Atsimondrano izay mirefy 1,2km.
Etoana dia isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA nanome ireto fitaovana fanamboaran-dalana ireto izay manampy ny efa fananan'ny Faritra Analamanga.

07/09/21


Lalana DIGUE 07 septambra 2021

NANOMBOKA NY FANAMBOARANA NY LALANA ENY AMIN'NY DIGUE.
Natomboka ny Talata 07 septambra 2021 ny asa fanamboarana ny lalana mirefy 11km100 eny amin'ny digue izay haharitra 2 volana.Tonga nanotrona ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry HATREFINDRAZANA teny an-toerana ny Governoran'Analamanga Hery RASOAMAROMAKA satria ato anatin'ny Faritra Analamanga io lalana hamboarina io.
Matotra ary mirindra tsara ny fiaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran'ny Asa Vaventy ankehitriny ka antenaina fa hitondra vahaolana misimisy kokoa ho antsika vahoaka ato Analamanga izany fiaraha-miasa izany hoy ny Governora.
Nambaran'ny Minisitra ihany koa amboarina miaraka amin'ity asa ity ny lalana simba mihazo ny Fasan'ny Karana manomboka eo amin'ny Jovena Anosizato.

07/09/21


Lalana Fenoarivo - Alakamisy, 16 septambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO. 16 sept 2021
Mitohy ny fanamboaran-dalana lalantany izay tanterahin'ny FARITRA ANALAMANGA ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny fanamboaran-dalana lalantany 200 km isan-taona.
Toy izao ny fanamboarana ny alana mampitohy ny Kaominina Fenoarivo sy ny Kaominina Alakamisy ao amin'ny Distrikan'Antananarivo Arsimondrano izay mirefy 2,8km.

16/09/21


Lalana Soavina, 23 Septambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.

Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon'ny faritra Analamanga. Toy izao ny fanaovana "terrassement" ny lalan-tany ao amin'ny Kaominina Soavina, distrikan'Antananarivo Atsimondrano izay mirefy 4,6km. Isaorana hatrany ny Filoham-pirenena nanolotra ireto fitaovana ireto.

23/09/21


Lanana Ambatolaona-Mantasoa, 28 Septambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.

Mitohy hatrany ny fanamboaran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga any amin'ireo distrika samihafa ato anatin'ny Faritra. Toy izao ny fanaovana ny "terrassement" lalan-tany mampitohy ny Kaominina Ambatolaona sy ny Kaominina Mantasoa izay samy ao anatin'ny Distrikan'i Manjakandriana. Isaorana hatrany ny Filoham-pirenena nanolotra ireto fitaovana ireto.

28/09/21


Lalana Fiombonana Atsimondrano, 26 Oktobra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO

Toy izao ny fizotry ny asa fanaovana rarivato (pavé) ny lalana eny amin'ny Kaominina Fiombonana, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Efa mamarana ny asa ankehitriny ny orinasa nahazo ny asa. Marihina fa lalan-tany isan'ny tena nitarainan'ny mponina ity navadika ho rarivato ity satria tena mamotaka tokoa rehefa fahavaratra ka na ny mpandeha an-tongotra aza sahirana amin'izany.

26/10/21


Lalana Ambodifasina-Antsofinondry, 05 Novambra 2021

AZO ALEHA MANOMBOKA IZAO NY LALANA AMBODIFASINA – ANTSOFINONDRY.

Azo haleha manomboka androany 05 Novambra 2021 ny lalana mampifandray an’Ambodifasina sy Antsofinondry ka nanokatra izany teny an-toerana ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA Jerry, niaraka tamin’ny Governoran'Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA sy ny mpiara-miasa aminy avy.
Lalana mirefy 5,2 kilometatra no natao rarivato izay miatomboka eo anelanelan’ny sampanan-dalana Tsarasaotra – Ivato sy Ambodifasina ka miafara any Antsofinondry izay misy lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra.
Mba hiarovana sy hampaharitra izao foto-drafitrasa izao dia noferana tsy hihoatra ny 2,50 metatra ny haavon’ny fiara ary latsaky ny 3,5 T ny vesatry ny fiara mivezivezy eny an-toerana.
Isaorana ny Filoha Andry RAJOELINA satria maro no mahazo tombony sy hisitraka ity lalana ity noho izy mampifandray mivantana ny lalam-pirenena fahatelo RN3 sy ny Renivohitra ary manamaivana ihany koa ny fitohanan’ny fiara lavareny eny Sabotsy-Namehana mihazo an’Andranobevava.

05/11/21


Lalana Tsarasaotra - Ivato, 05 Novambra 2021

VITA NY RECEPTION DEFINITIVE

Feno dia feno ny fandaharampotoana androany 05 Novambra 2021 satria notanterahina ny fandraisana tanteraka (réception définitive) ny làlana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato.
Nidina teny an-toerana niaraka tamin'ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA Jerry ny Governoran'Analamanga, Hery RASOAMAROMAKA sy ireo mpiara-miasa aminy avy, nanatanteraka ny fandraisana izany asa fanamboaran-dalana izany.
Lalana mirefy 10,92 kilometatra no natao tara izay novatsian'ny Fanjakana Malagasy vola tamin'ny alalan’ny Ressources Propres Internes na RPI, sy ny Banky Sinoa « Exim Bank » izay namatsy vola.
Mbola nisy moa ireo asa fanatsarana sy fanitarana, toy ny lalana natokana ho an’ny mpandeha tongotra sy ny bisikileta alohan'izao fandraisana tanteraka ny asa izao.
Rehefa vita ny fandraisana ny asa dia nisy ny lanonana fifanaovan-tsonia ny « PV de réception définitive » tao amin’ny Asia and Africa Hotel Mandrosoa Ivato izay natrehin’ny masoivohon’i Chine miasa eto Madagasikara Ramatoa GUO Xiaomei sy ireo mpanolo-tsaina azy, ankilany, ary tarihin’ny Minisitry ny Asa Vaventy sy ny Governoran’ny Faritra Analamanga, andaniny.

05/11/21


Lalana Fihaonana, 11 Novambra 2021

Mandroso ary mandeha tsara araka ny tokony ho izy ny  fanamboarana ny lalana ho pavé eto amin'ny Kaominina Ambanivohitra Fihaonana izay sahanin'ny Faritra Analamanga.

11/11/21


Lalana Ambatolampy Tsimahafotsy, 12 Novambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Fitsidihana sy fijerena ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana pavé eny Ambatolampy tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo.

12/11/21


Lalana Masindray, 16 Novambra 2021

FARITRA ANALAMAGA MIASA HO ANTSIKA.

Toy izao ny fizotry ny fanamboarana ny lalana ety Masindray, distrikan'Antananarivo Avaradrano, izay sahanin'ny Faritra Analamanga.

16/11/21


Lalana Tsiafahy-Ambatofahavalo, 01 Desambra 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA
Toy izao ny asa fanamboarana ny lalana rarivato (pavé) mampitohy ny KaomininaTsiafahy sy ny Kaominina Ambatofahavalo, ao amin'ny distrikan'Antananarivo Atsimondrano

01/12/21


Lalana Antsahalalina, 03 Décembre 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana ho pavé ao amin'ny Kaominina Antsahalalina, distrikan'i Manjakandriana.

03/12/21


Lalana Fiombonana Atsimondrano, 08 Décembre 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Vita tanteraka ny fandraisana ara-teknika (réception technique) ny lalana rarivato (pavé) ao amin'ny kaominina Fiombonana, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Ny Faritra Analamanga dia manentana hatrany ny rehetra mba hanaja sy hikolokolo ny fananana iombonana toy izao satria lalana tena isan'ny nampitaraina ny mponina eny an-toerana nandritra ny taona maro rehefa tonga ny fahavaratra ity namboarin'ny Faritra Analamanga ity

08/12/21


Lalana Tsiafahy Atsimondrano, 08 Décembre 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana ho rarivato (pavé) eny amin'ny Kaominina Tsiafahy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.

08/12/21


Lalana Anosibe Trimoloharano, 20 décembre 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana ho rarivato na pavé  ao amin'ny Kaominina Anosibe Trimoloharano, distrikan'Andramasina.

20/12/21


Fanamboaran-dalana Antananarivo Renivohitra, 01 febroary 2022

Manomboka ny asa fanamboarana ny simba

Araka ny toromariky ny Filohan'ny Repoblika Andry RAJOELINA  dia hamboarina ireo lalana rehetra simba eto Antananarivo Renivohitra vokatry ny orambe nifanesy.
Asa izay hifandrombonan'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. 
Natomboka androany, 01 febroary 2022 teo Ampasika izany asa fanamboarana izany. Hiasa andro aman'alina ireo mpanamboatra lalana. Nahetsika avokoa ireo engins ny Faritra Analamanga hanamboarana izany.
Nambaran'ny Governoran'Analamanga fa dia azo atao tsara ny mamboatra lalana na dia amin'ny fotoanan'ny orana aza ary hoporofointsika ny fahamarinan'izany.
Ao anatin'ny lalana hamboarina ireo tena mampitaraina ny mpampiasa lalana toy ny etsy Antohomadinika,Vasakosy, 67ha ambadiky ny Havana, arrêt Mahitsy, Vatobe sns...

Ireto avy ireo lalana amboarina

🔴PREMIERE ETAPE.
- Axe Ankorondrano-Ivandry.
- Axe rond point Ankadimbahoaka - rond point Bypass.
- Axe Fiaro Ampefiloha -  Andavamamba -  Andohotapenaka.
- Axe Madinox - Boulevard.
- Axe rond point Ampasampito - Ampandrianomby.
- Axe Isotry Cnaps - Tsaralalana.
- Axe Ambodinisotry - Jovena.
- Axe rond point Tsarasaotra SANIFER - Ambodivonkely.
- Axe rond point Behoririka ranomaimbo - Chocolaterie Robert.
- Axe Rasalama - Bel'air - Ambanidia - Mandroseza - Ankadindratombo.
- Axe rond point Ankadimbahoaka - Rond point Anosizato.


🔴DEUXIEME ETAPE.
- Axe rond point coté Seimad - Jovena 67 ha.
- Axe Jovena 67 ha - Coum - rond point Seimad.
- Axe rond point Seimad - Inscae 67 ha.
- Axe arrêt bus 30 - Ny Havana 67 ha.
- Axe 67 ha Fop - arrêt bus Mahitsy - Vasakosy -  Antanimena.
- Axe 67 ha Fop - Ambodinisotry tsena.
- Axe 67 ha Fop - Andohotapenaka.
- Axe rond point Ampefiloha - Cnaps Ampefiloha.
- Axe Shell Ambatoroka - 3 chemins tampon'Ambohipo.
- Axe 3 chemins tampon'Ambohipo - Cité Ankatso II.
- Axe Ambohidahy - Ambohijatovo - tunel Ambanidia - Ankazotokana - Manakambahiny - rond point Tsimbazaza.
- Axe Ambohidahy - Mahamasina - Ankadilalana - Tsimbazaza.
- Axe Amboidahy - Analakely - Firaisana I.
- Axe RM1 Analakely - Muguet-Soarano.
- Axe Firaisana I - Tsiazotafo - Shell Ankadifotsy - Galana Ambodivona.
- Axe Galana Ambodivona - Galana Behoririka - Firaisana III - Croisement Rasalama - Epi d'or - Andravoahangy Fivavahana.
- Axe Besarety Ambodimanga - HOMI.
- Axe Masquotte Antsakaviro - Accem - Fivondronana.
- Axe bretelle Antsakaviro après Accem - Nane bel'air.

01/02/22


Fanamboaran-dalana Antananarivo Renivohitra, 09 février 2022

Manomboka eo Ampefiloha, mandalo ny CENAM, mipaka eny amin'ny Kianja Maki no ataon'ny Faritra Analamanga
Taorian'ny toromarika sy baiko nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA mikasika ny fanamboarana ireo lalana simba eto Antananarivo dia efa mamboatra ireo anjarany ny ato amin'ny Faritra Anamanga.
Lalana haharitra ireo lalana amboarinay amin'izao ankehitiny, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka, satria sarotiny amin'ireo fanamboarana ireo ny Filoha. Ezahina tsy hiandrasana ho tena simba be intsony manomboka izao ny lalana fa raisina ny andraikitra raha vao ahitana fahasimbana.
Marihina fa araka ny fitsinjarana asa teo amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy sy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ary ny Faritra Analamanga dia manomboka eo Ampefiloha mandalo ny CENAM sy Andohatapenaka ary mipaka eny amin'ny Kianja Maki no anjaran'ny Faritra Analamanga amin'ireo lalana hamboarina. Mbola hisy hafa rehefa vita ity andiany voalohany ity.

09/02/22


Fanamboaran-dalana By-Pass 21 février 2022

Toy izao ny fizotry ny fandrakofana tara ny lalana teny By-bass. Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga amin'ny fanarenana ireo lalana ratsy eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. 21 febroary 2022

21/02/22


Fanamboaran-dalana Antananarivo Renivohitra, 19 février 2022

Nanomboka ny sabotsy 19 febroary 2022 ny fandrakofana tara (goudron) ireo lalana simba eto Antananarivo amin'ireo iandraiketan'ny Faritra Analamanga. Ny eny amin'ny By-pass sy Andohatapenaka no nanombohana izany androany ary hitohy amin'ireo lalana hafa iandraiketan'ny Faritra Analamanga.
Tsara marihina fa ny Faritra Analamanga dia miezaka ny manao ireo asa izay ataony mba hanara-penitra hatrany. Noho izany dia tara (goudron) manarapenitra tany amin'ny COLAS no ampiasaina amin'izao fanamboaran-dalana ataony izao. Izany no isan'ny somary nahatara kely ny fandrakofana goudron ireo lavaka satria niandry ny andro ho maina tanteraka. Maneho ny fialan-tsiny ho an'ny fanelingelenana ny Faritra Analamanga.

Fanamarihana momba ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra
Mizara 3 ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina ka ny Minisiteran'ny Asa Vaventy, ny Faritra Analamanga ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra no mifarimbona manao ny asa. Samy manana ny toerana iandraiketany ny tsirairay araka ny fandaminana efa natao.

21/02/22


Fanamboaran-dalana Antananarivo Renivohitra, 25 février 2022

 
Nijery ifotony ny fizotry ny asa ny Minisitra Hatrefindrazana Jerry, 25 febroary 2022

Manoloana ny fahasimban-dalana mampimenomenona ny mpampiasa lalana eto an-drenivohitra dia miroso amin’ny fanamboarana ny Minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny Faritra Analamanga.
Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny fanamboarana ny lalana Anosibe – Anosipatrana. Tonga teny an-toerana nijery ifotony ny fanombohan'ny asa ny Minisitry ny Asa Vaventy, HATREFINDRAZANA  Jerry.
Nandritra ny fidinana ifotony no nilazan’ny minisitry ny Asa Vaventy fa efa misy fizaran’asa napetraky ny Filohan’ny Repoblika mahakasika ny fanamboaran-dalana. Fanamby napetrany rahateo ny hamerenana amin’ny laoniny ny lalana eto an-drenivohitra, hoy hatrany ny minisitry ny Asa Vaventy. Ny fahasimbana lehibe toy ny eny Anosipatrana dia andraikitry ny Minisitera, nohon'ny fanarenana tsy vitan’ny tetikasan’ny kaominina intsony satria mila fitaovana lehibe.  
Ankoatra ny eny Anosipatrana, miisa 17 ireo “axes” hamboarina eto Antananarivo.
    -Axe Anosibe - Anosipatrana
    -Axe Bretelle RN7 - ByPass,
    -Axe Andavamamba - Vasacos - Antohimadinika - 67Ha FOP,
    -Axe Cotona Tsaralalàna - Consulat de France - Pharmacie Analakely,
    -Axe Shell Ambatoroka - Ambohipo - Ambolokandrina,
    -Axe Rond Point Andranomanalina - Jovenna 67Ha,
    -Axe Croisement Tsena Isotry - 67Ha,
    -Axe Croisement Ambodin'Isotry - BMH
    -Axe Rond Point Andranomanalina - arrêt 30,
    -Axe Arrêt 30 - Vatobe 67 Ha,
    -Axe Vatobe vers 67Ha Nord Est,
    -Axe Croisement Seimad - Jovenna 67 Ha,
    -Axe FOP vers Vatobe,
    -Axe Coum 67 - Cenam,
    -Axe Jovena arrêt Itaosy (zoky Éric),
    -Axe Super Maki - Ravitoto,
    -Axe Arrêt 30 - Vatobe vers poste 67 ha ».
 
Asa manara-penitra, tsy idiran'ny resaka politika
Nanamarika ny Minisitra fa asa manaraka ny fenitra no hotanterahina hanamboarana ireo lalana simba ireo. Fantatra anefa fa ny rano no fahavalon’ny foto-drafitrasa ka manafaingana ny fahasimbany. Manoloana izany dia nanao antso avo amin’ny mpampiasa lalana ny Minisitry ny Asa Vaventy mba hikojakoja azy ireny, ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka.
Niangavy ihany koa ny minisitra mba tsy hampidirana resaka politika ny fanarenan-dalana. Izany hoe tokony harovana ny fitaovan’ireny orinasa mpanao lalana ireny.

25/02/22


Fanamboaran-dalana Antananarivo Renivohitra, 28 février 2022

Taorian'ny fiatoan'ny asa fanamboaran-dalana ny farany herinandro teo noho ny orana dia nitohy izany androany, 28 febroary 2022,  ka nidina teny an-toerana ny Governora Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy nijery ifotony ny kalitaon'ny asa sy ny fanafainganana izany.
Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana eo amin'ny fifamoivoizana saingy efa miezaka ireo mpiasa mpanao ny lalana hamita izany haingana, hoy ny Governora.

28/02/22


Fanamboaran-dalana Ankadimbahoaka sy By-pass, 14 mars 2022

Nitohy teny Ankadimbahoaka sy By-pass ny 14 martsa 2022 tontolo andro ny asa fanamboran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga eto Antananarivo.
Somary niato izy tao anatin'ny andro vitsy satria mba hananana asa maharitra sy manara-penitra dia tara "goudron" tsara efa vita omana avy eny amin'ny COLAS no ampiasaina ka teo amin'ny famatsiana izany no nisy fahatarana.
Ny Faritra Analamanga dia miasa sy miezaka hatrany hananana zavatra tsara ka dia maneho etoana ny fialan-tsiny noho ny fahatarana sy ny mety ho.fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana.

14/03/22


Lalana Ambatolampy Tsimahafotsy, 24 mars 2022

Nitohy ny fitsidihana ny asa sahanin'ny Faritra Analamanga ka ny lalana rarivato tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo no nojerena tamin'izany.
Misy ny zavatra mbola mila ahitsy sy amboarina na dia efa nampiasain'ny mponina sy ny mpampiasa lalana eny an-toerana aza ity lalana ity, ka tsy maintsy atao izany.

24/03/22


Lalana Tsiafahy, 28 mars 2022

Tany amin'ny Kaominina Tsiafahy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny alatsinainy 28 martsa 2022, no nanohizana ny fitsidihana nataon'ireo teknisiana sy mpitantana ao amin'ny Faritra Analamangany. Nojerena manokana tamin'izany ny lalana rarivato tany an-toerana.
Araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia mila mamita lalana pavé maro isa-taona ny Faritra ka ho fanatanterahana izany toromarika izany no anton'izao fanamboaran-dalana izao.

28/03/22


Lalana Behenjy Atsimondrano, 01 avril 2022

Teny amin'ny Kaominina Itaosy no namaranana ny fitsidihana ny Zoma 01 aprily 2022 ka ny lalana rarivato eny Behenjy no nojerena tamin'izany.
Lalana izay efa an-taonany maro no simba ka izao natao rarivato na pavé izao.

01/04/22


Lalana Fiombonana Atsimondrano, 01 avril 2022

Toerana maromaro no nanohizan'ireo teknisianina sy ireo STAFF avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny fitsidihana sy fitsirihana ireo asa sahaniny ny Zoma 01 aprily 2022.
Teny amin'ny Kaominina Fiombonana, Distrikan'Antananarivo Atsimondrano no nanombohana izany. Olana lehibe ho an'ny mponina amin'ny fivezivezena ity lalana ity hatrizay noho ny haratsiny indrindra amin'ny avy orana ka izao nataon'ny Faritra ho rarivato izao.
Amin'ny an-kapobeany dia mety ny asa fa misy hatrany moa ireo pitsopitsony tokony ahitsy izay nifampiresahana tamin'ny orinasa manatanteraka ny asa.

01/04/22


Lalana Fihaonana RN4, 28 avril 2022

Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana ny lalana ho pavé sahanin'ny Faritra Analamanga ao amin'ny Kaominina Fihaonana eny amin'ny lalampirenena faha 4 (RN4)
Izao dia ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny fanamboaran-dalana.

28/04/22


Lalana Distrika Andramasina, 28 avril 2022

Nidina  ifotony tany amin'ny Distrikan' Andramasina ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka sy ireo  mpiara-misa aminy nahitana injeniera maro ny Alakamisy 28 Aprily 2022.
Anisan'ny voatsidika  tamin'izany ireto kaominina manaraka ireto : Andramasina, Alatsinainy Bakaro, Fitsinjovana Bakaro, Anjomà Faliarivo, Ambohimiadana, Alarobia Vatosola, Sabotsy Manjakavahoaka ary Mandrosoa. Ny LALANA no olana fototra iraisan'izy ireo izay ahitana fiantraikany mivantana amin'ny famoahana ireo vokatra maro any an-toerana.
Nisy arak'izany ny vahaolana fohy ezaka sy lavitr'ezaka niarahana nijery tamin'ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny tamin'ireo kaominina nolalovana. Hisy ireo "points noirs" hatao pavé ary halefa avy hatrany any an-toerana ireo "engins" hanao ireo asa azo atao.
Ny Governora dia maneho fisaorana etoana ho an'ireo tompon'andraiki-panjakana (Depiote, Maires, conseillers communaux...) rehetra tamin'ny fiarahana misalahy amin'ny fijerena ny ho tombotsoam-bahoaka ary manantena ny fiaraha-miasa hatrany.

28/04/22


Lalana Ankorodrano, 30 avril 2022

Araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny hanafoanana ireo lavadavaka eto Antananarivo dia nitohy teny Ankorondrano ny 30 aprily 2022 ny asa fanamboaran-dalana fanampenana ireo lavaka sahanin'ny Faritra Analamanga ary mbola mitohy hatrany ihany koa ny eny amin'ny ByPass.
Nidina teny an-toerana nijery ny fizotry ny asa tamin'izany ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka sy ireo mpiara-miasa aminy nanara-maso izany asa izany.
Maneho hatrany ny fialan-tsiny ho an'ny mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana ny tenany.

29/04/22


Lalana ByPass, 29 avril 2022

Niverina nitohy androany ny 29 aprily 2022 asa fanampenana ireo lavaka amin'ny lalana izay sahanin'ny Faritra Analamanga.
Etoana ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny indrindra noho ny fiatoan'ny asa noho ny fifandaminana nisy teo amin'ny orinasa COLAS mpamatsy ny goudron. Mbola maneho hatrany ny fialan-tsiny ihany koa amin'ny fanelingelenana ny fifamoivoizana ateraky ny asa fanamboaran-dalana toy izao.
Ny tanjona dia ny tsy hisian'ny lavadavaka eny amin'ny arabe fifamoivoizana intsony.

29/04/22


Lalana Talata Volonondry sy Ampaneva, 04 mai 2022

Nisy ny fidinan'ireo mpiara-miasa sy teknisianina ao amin'ny Faritra Analamanga ny Alarobia 04 mai 2022 nijery ny fizotry ny asa fanamboarana lalan-tany tany amin'ny Kaominina Talata-Volonondry Distrikan'Antananarivo Avaradrano sy tany amin'ny Kaominina Ampaneva Distrikan'i Manjakandrina.
Lalana maromaro no iandraiketan'ny Faritra Analamanga any amin'ireo toerana ireo ary misy ny efa vita ary misy koa ireo eo andalam-panamboarana.
Tanjona moa ny tsy hanadinoana ireo distrika rehetra araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA.
Nisy moa ny fihaonana tamin'ireo ben'ny tanana any amin'ireo toerana anamboarana lalana ireo.

04/05/22


Lalana By-pass, 04 mai 2022

Mitohy hatrany ny asa fanampenana ny lavadavaka eny amin'ny By Pass taorian'ny fiverenan'ny famatsiana goudron avy any amin'ny orinasa Colas.
Hitohy hatrany izany mandrapahavitan'ny asa fanamboarana ary anehoana hatrany ny fialan-tsiny avy amin'ny Faritra Analamanga noho ny fanelingelenana.

04/05/22


Lalana Ambohitrimanjaka, 06 mai 2022

Nitohy teny Ambohitrimanjaka ny Zoma 06 may 2022 ny fijeren'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny asan'ireo engins sy ny mpiasan'ny faritra manao ny lalana eny an-toerana. Andalam-panamboarana izy ireo an-kekitriny.
Lalana izay hivezivezen'ny mponina ao anatin'ny Kaominina ary mampitohy Kaominina sy distrika vitsivitsy.
Ny Faritra Analamanga tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka dia vonona hatrany amin'ny fiaraha-miasa amin'ireo kaominina rehetra izay mila fanampiana mba hampisy ny fampandrosoana.

06/05/22


Lalana Ambohitrimanjaka, 02 juin 2022

Toy izao ny fanatsarana sy fanarenana ny lalana pavé eny Ambohitrimanjaka izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga.

03/06/22


Lalana Ambohitromby-Mahavelona, 08 Jolay 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Mitohy ny fanamboaran-dalana lalantany izay tanterahin'ny FARITRA ANALAMANGA ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA ny amin'ny fanamboaran-dalana lalantany 200 km isan-taona.
Toy izao ny fanamboaran-dalana izay mampitohy ny Kaominina Ambohitromby-Mahavelona, any amin'ny Distrikan'Ankazobe, mirefy 17 km izay tanterahin'ireo fitaovana nomen'ny Filoha.

08/07/22


Lalana Alatsinainy Bakaro, 12 juillet 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Ho fanantanterahana ny Vina sy ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia manatanteraka ny fanamboaran-dalana ho rarivato na pavé ao an-tampontananan'ny kaominina Alatsinainy-Bakaro, distrikan'Andramasina, ny Faritra Analamanga.
Ankehitriny dia eo amin'ny "phase terrassement n'ny plateforme" ny asa ary mizotra soamantsara.

12/07/22


Lalana Alatsinainy Bakaro, 19 juillet 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana ny fanamboaran-dalana ho rarivato na pavé ao antampontananan'ny Kaominina Alatsinainy-Bakaro, distrikan'Andramasina, izay tanterahin'ny Faritra Analamanga.

19/07/22


Lalana Andravoahangy, 25 Juillet 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Taorian'ny fahitana ny fahasimban'ny lalana manoloana ny Biraon'ny boriboritany fahatelo, Antananarivo Renivohitra, dia noraisin'ny Faritra Analamanga ny fanamboarana io lalana io hatreny amin'ny Fiangonana Andravohangy Fivavahana.
Miasa andro aman'alina ny mpiasa hamitana haingana  ity lalana ity
Miala tsiny noho ny fanelingelenana ho an'ireo mpampiasa io lalana io.

25/07/22


Lalana RN4-Ambohitromby-Mahavelona, 26 Juillet 2022

Faritra Analamanga miasa ho antsika

Amperin'asa tanteraka ankehitriny ny orinasa manao ny lalan-tany mampitohy ny sampanana RN4 mankany amin'ny Kaominina Ambohitromby mipàka hatrany amin'ny Kaominina Mahavelona, any amin'ny distrikan'Ankazobe.

26/07/22


Lalana rarivato Antaramanana Masindray, 08 aogositra 2022

Fitsirihana ny lalana vita, 08 aogostra 2022

Fitsirihana ny asa lalana rarivato na pavé nataon'ny Faritra Analamanga tany Antaramanana Masindray, distrikan'Antananarivo Avaradrano, niarahana tamin'ny DRTP Analamanga.
Ny asa lalana tanterahin'ny Faritra Analamanga dia ezahana hatrany ny hampanarahana an-tsakany sy an-davany amin'izay voasoratra tao anatin'ny bokin'andraikitra.

08/08/22


Lalana Antsahalalina-Andriampamaky, 09 aout 2022

Mizotra soaman-tsara ny asa

Ho fampifandraisana ireo kaominina any ambanivohitra araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny fanomezany ireto "engins" ireto dia mitohy hatrany ny  fanamboarana lalan-tany tanterahin'ny Faritra Analamanga.
Lalan-tany mirefy 17 km izay mampitohy ny kaominina Antsahalalina sy Andriampamaky, kaominina Ambohitrony, ao amin'ny distrikan'i Manjakandriana an-kehitriny no amboarin'ny Fartitra Analamanga. Mizotra soa aman-tsara ny asa ary velom-bolo ny tantsaha satria miantoka betsaka amin'ny lalana ny fampandrosoana eny ifotony.

09/08/22


Lalana Ambatolampy-Tsimahafotsy, 16 aout 2022

Nanao ny "constat" na fanamarinana ny asa ataon'ny orinasa manatanteraka ny asa ny Faritra Analamanga sy ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy na ny DRTP Analamanga. Ny lalana rarivato na pavé ao amin'ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo,  no nanaovana izany fanamarinana izany. Nojerena raha toa ka mifanaraka na tsia amin'ny bokin'andraikitra ny lafiny kalitao sy ny asa nifanarahana tamin'ny orinasa nanao ny asa. Misy axes 4 ireo natao constat tamin'izany. 
 

16/08/22


Lalana Androndrakely - By pass, 17 aout 2022

Notanterahana ny 17 Aogositra 2022 ny fanampenana tara (goudron) ny lalana eny Androndrakely ka hatreny amin'ny By Pass izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga.
Nitohy ny alina ny asa teny an-toerana.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana amin'ny  fifamoivoizana.

17/08/22


Lalana By pass - Ankadimbahoaka, 18 aout 2022

Nitohy ny 18 aogositra 2022 tontolo andro ny asa fanamboaran-dalana izay ataon'ny Faritra Analamanga ka ny lalana mampitohy ny station Shell Bypass ka hatreny Ankadimbahoaka no natao.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany hanome kalitao tsara amin'ny asa lalana izay sahaniny ary maneho hatrany ny fialan-tsiny noho ny fanelingelenana amin'ny  fifamoivoizana.
 

19/08/22


Lalana By-pass - Ankadimbahoaka, 20 aout 2022

Mitohy hatrany ny fanamboarana ny eny Ankadimbahoaka - By-pass, 20 aogositra 2022

Mitohy hatrany ary miasa andro aman'alina ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By-pass.
Ezahana hatrany ny hanamboana io lalana io amin'ny fenitra manaraka ny tokony ho izy ary mila fotoana kely. Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny amin'ny fanelingelenana amin'ny fifamoivoizana eny an-toerana.

20/08/22


Lalana Ambatolampy Tsimahafotsy, 21 septembre 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Ho fanohizana ny asa efa vitan'ny Faritra Analamanga tamin'ny taona lasa tao amin'ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, dia notohizany ny lalana pavé vita tamin'ny taona lasa.
Natomboka noho izany ny fanohizana ny lalana mankany amin'ny Biraon'ny Kaominina ao amin'ny renivohitry ny kaominina.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany amin'ireo asa izay ataony ny hampanara-penitra izany amin'ny kalitaon'ny asa.
Etoana dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ny mpampiasa lalana rehetra noho ny mety ho fenelingelenana.

21/09/22


Lalana rarivato Ambohitrimanjaka, 05 oktobra 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA

Toy izao ny  fizotry ny asa fanamboarana ny lalana rarivato na pavé eo amin'ny sampanana Ambotrimanjaka mankany  Anosimanjaka, ao amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo, 05 oktobra 2022.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'ireo mpampiasa ity lalana ity noho ny fanelingelenana.

05/10/22


Lalana rarivato Anosimanjaka, 18 oktobra 2022

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana rarivato na pavé eny Anosimanjaka Kaominina Ambotrimanjaka, distrikan'Ambohidratrimo. 18 oktobra 2022
Ny Faritra Analamanga dia miasa hatrany hanatanterahana ny veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.

18/10/22


Lalana rarivato Ambohitromby, 20 oktobra 2022

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavé eny amin'ny Kaominina Ambohitromby, distrikan'ankazobe izay ataon'ny faritra Analamanga.
Mbola mitohy ny asa fanamboarana azy. Ny pavé dia maro no efa voapetraka fa ny compactage sy ny ceinture mbola tsy vita.
Ny Faritra Analamanga dia  maneho ny fialan-tsiny ho anareo mpampiasa iny lalana iny noho ny fanelingelenana ateraky ny fanamboarana.

20/10/22


Lalana Anjomà-Betoho, 24 oktobra 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ary efa madiva hifarana ny asa fanamboaran-dalana "lalan-tany" any amin'ny kaominina Anjomà-Betoho ao anatin'ny Distrikan'i Manjakandriana.
Lalan-tany mirefy 10 km mahery ity amboarin'ny Faritra Analamanga ity izay ampiasana ireto "engins"  nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA ireto.
Ny torimariky ny Filoha dia ny hamintana lalan-tany mirefy 200 km isan-taona.

24/10/22


Lalana rarivato Alatsinainy Bakaro, 01 novambra 2022

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana rarivato na  pavé ao amin'ny kaominina Alatsinainy Bakaro, Distrikan'Andramasina.
Ny Faritra Analamanga dia miasa hatrany hanatanterahana ny veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.

01/11/22


Lalana rarivato Anosimanjaka, 13 novembre 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavé eny Anosimanjaka Kaominina Ambotrimanjaka, distrkan'Ambohidratrimo.
Ny Faritra Analamanga dia miasa hatrany hanatanterahana ny veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.

14/11/22


Lalana rarivato Ambohitromby, 18 novembre 2022

Vita ary azo ampiasaina tsara ny lalana, 18 novambra 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Araka ny fitsirihana nataon'ireo teknisianina ao amin'ny Faritra Analamanga dia vita ary azo ampiasaina avy hatrany ny lalana rarivato na pavé mirefy 1000 ML izay mampitohy ny RN4 mankany amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambohitromby, Distrikan' Ankazobe izay amboarin'ny Faritra Analamanga.
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga any amin'ireo toerana hafa ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA.

18/11/22


Lalana rarivato Anjoma Faliarivo distrikan'Andramasina 26-12-2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Toy izao hitantsika amin'ny sary izao ny fizotry ny fanamboarana lalana pavé any amin'ny Kaominina Anjoma Faliarivo, Distrikan'Andramasina.
Mbola mitohy hatrany ny asa fanamboarana ary etoana ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka dia mampanantena ny mponina any Andramasina fa ho maromaro ny asa hatao any an-toerana amin'io taona vaovao io ary efa santionany izao.

26/12/22


Lalana Ambodivonkely-Ambohimandroso, Tanà VI, 10 janoary 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Noho ny fangatahan'ny Solombavam-bahoaka voafidy teny amin'ny boriboritany faha-6, Antananarivo Renivohitra, sy ny vahoaka mpampiasa lalana eny an-toerana dia natomboka ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavée eny Ambohimanarina miainga eo Ambodivonkely mivoaka eny Ambohimandroso.
Hivaha tsy ho ela ny olana nampijaly ny vahoakan' Ambohimanarina an-taonany maro tamin'io lalana io.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'ny fanelingelenana ho an'ireo mpampiasa lalana.

11/01/23


Lalana Ambodivonkely-Ambohimandroso, Tanà VI, 18 janoary 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Toy izao hitantsika amin'ny sary izao ny fizotry ny fanamboarana lalana rarivato na pavé eny Ambodivonkely mivoaka Ambohimandroso, ao amin'ny distrikan'Antananarivo faha-VI, kaominina Antananarivo Renivohitra.
Mbola mitohy hatrany ny asa fanamboarana ary miala tsiny aminareo mpampiasa ny lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboarana.

18/01/23


Lalana rarivato Antsavatsava, 19 janvier 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Lalana maro amin'ireo toerana maro any amin'ny kaominina samihafa ato anatin'ny Faritra no amboarin'ny Faritra Analamanga ankehitriny.
Toy izao ny fizotry ny fanamboarana ny lalana rarivato na pavé eny Antsavatsava, kaominina ambanivohitra Itaosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany manao ireny lalana tsy nisy mpikitika mampitohy ny samy kaominina ireny satria izay ny antom-pisiany araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Etoana dia miala tsiny hatrany amin'ireo mpampiasa ny lalana ny Faritra Analamanga noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboarana.

19/01/23


Lalana rarivato Anjoma Faliarivo, distrikan'Andramasina. 25 janvier 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana rarivato na pavé any amin'ny kaominina ambanivohitra Anjomà-Faliarivo, distrikan'Andramasina.
Ampatsiahivina hatrany fa ny tena himasoan'ny faritra Analamanga amin'ny asa fanamboaran-dalana ataony dia ny fanamboarana ireo lalana tsy nisy nanamboatra hatrizay sy ny mba hampifandraisana ireo samy kaominina araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialana tsiny hatrany amin'ireo mpampiasa ny lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa.

25/01/23


Lalana Ambatolampy Tsimahafotsy, 01 février 2023

Ambatolampy Tsimahafotsy, 01 febroary 2023

Noho ny fangatahan'ny mponina eny an-toerana manoloana ny haratsin'ny lalana dia nangataka tamin'ny Faritra Analamanga ny hanaovana "terrassement" ny lalan-tany amin'ny axe bretelle lalana Tsarasaotra Ambodifasina mankany Anjomakely, ao anatin'ny kaominina ambanivohitra Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, izy ireo.
Efa eo an-dalam-panamboarana izany ny Faritra Analamanga ankehitriny.

01/02/23


Lalana rarivato Antsavatsava, 17 février 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO

Antsavatsava,  17 febroary 2023
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana ho rarivato na pavé eny Antsavatsava Itaosy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Vita ny pavage dia manao finition ny "boutisse butage transversale" izao ny orinasa mpanatanteraka ny asa.

17/02/23


Lalana Ambatolampy Tsimahafotsy, 20 février 2023

Vita ny asa fanamboaran-dalana (lalantany) mirefy 8km mapitohy ny bretelle Tsarasaotra Ambodifasina - Anjomakely ao amin'ny Kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo.

20/02/23


Lalana Antananarivo Renivohitra, 28 mars 2023

Mitohy ny asa iarahan'ny Minisitera, ny Faritra ary ny Kaominina

Ho fanaraha-maso ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina dia nisy ny fidinana ifotony niarahan'ny Minisitry ny Asa Vaventy, ny Kolonely ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah, ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, ary ny ben'ny tananan'Antananarivo Renivohitra, Naina ANDRIANTSITOHAINA. 
Nojerena voalohany tamin'izany ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By pass izay efa vita ka efa misokatra sy azon'ny rehetra ampiasaina.
Taorian'izay dia nijery ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an'Ambodin'Isotry sy "Aigle noir" ka efa manao ny asa fanomanana (travaux préparatoire) ny orinasa. 
Marihina fa miara-miasa ny Minisitera sy ny Faritra ary ny Kaominin'Antananarivo amin'ny fanamboarana ireo lalana simba eto Andrenivohitra.
Nanamafy ny Minisitra fa ho hentitra ny minisitera amin'ny fanaraha-maso ny kalitao sy ny fenitra amin'ireo asa izay tanterahina satria fotodrafitrasa maharitra no omena hampiasain'ny vahoaka Malagasy.
Manentana ny rehetra kosa ny Governora mba hikajy sy hanaja hatrany ireo fotodrafitrasa momba ny lalana toy ny tsy fahafahana manasa sy manamboatra fiara eny amin'ny lalam-pirenena noho izy ireny mamotika ny tara amin'ny arabe.

28/03/23


Lalana Antananarivo sy ny manodidina, 31 mars 2023

FANAMBOARANA NY LALANA ETO ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA, 31.03.2023
Araka ny fitsinjaran'asa eo amin'ny Minisiteran'ny asa vaventy, ny CUA ary ny Faritra Analamanga dia miroso amin'ny anjara asa fanamboaran-dalana sahaniny ny Faritra Analamanga 
Ny teny Ivato Mamory, Talatamaty sy Andranomena no nanombohana izany ny Zoma 31 martsa 2023 lasa teo.
Mbola hisy faritra hafa hamboarina ihany koa rehefa vita ny eny an-toerana.

03/04/23


Lalana ao Ambatomanoina Anjozorobe, 07 avril 2023

Faritra Analamanga Miasa ho antsika

FANAMBOARANA LALANA AO AMBATOMANOINA ANJOZOROBE, 07 aprily 2023
Mitohy ny asa fanaovana rarivato na pavé ny lalana ao amin'ny  renivohitry ny kaominina ambanivohitra Ambatomanoina, distrikan' Anjozorobe izay asa sahanin'ny Faritra Analamanga.
Misy ny efa vita efa azo am-piasana ary misy ny eo andalam-panamboarana koa miangavy ny fiaretana kely ho an'ireo mpampiasa io lalana io ny Faritra Analamanga.

08/04/23


Lalana Ambohimanatrika, 12 avril 2023

Faritra Analamanga Miasa ho antsika
Volana vitsy izay nandritra ny fandalovan'ny Governoran'Analamanga teny amin'ny Kaominina Tanjombato dia nangataka taminy ny Solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano sy ny Ben'ny Tanàna ny mba hanamboarana ho rarivato na pavé ity lalana eto Ambohimanatrikaity, izay mirefy 1200 metatra ary  tsy mbola nisy nikitika tao aorian'ny Repoblika voalohany.
Ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny hoe "tsy hisy distrika ho hadino eto Madagasikara" dia natomboka androany 12 aprily 2023 ny asa ho fanamboarana ity lalana ity izay hosahanin'ny Faritra Analamanga tanteraka.
Efa eny an-toerana ireo milina an'ny Faritra Analamanga izay fanomezan'ny Filoha hanao ny terrassement alohan'ny hanaovana ny pavé.
Teny an-toerana nanamarika ny fanombohan'ny asa ny Mpanolotsaina manokan'ny Filohampirenena, ny Solombavambahoakan' Antananarivo Atsimondrano, ny Lehiben'ny distrikan'Atsimondrano, ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Tanjombato, ary ny ekipan'ny Faritra Analamanga izay notarihin'ny Talen'ny kabinetra.
Marihina fa misitraka ny ampahany amin' io làlana io ihany koa ny distrikan'Antananarivo Avaradrano dia ny Kaominina Alasora.

12/04/23


Lalana Mamory Ivato sy Talatamaty, 11 avril 2023

Nitohy nandritry ny andro fety ny asa, 11 aprily 2023

Nitohy nandritra iny faran'ny herinandro iny eny nandritra ny andro fety ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo sy ny manodidina.
Teny Mamory Ivato sy Talatamaty no nanohizana.
Izany no natao dia mba hamahana haingana ny olan'ireo mpampiasa iny lalana iny amin'ireo fahasimban'ny lalana.

11/04/23


Lalana Ambohimanatrika, 19 avril 2023

Faritra Analamanga Miasa ho antsika, 19 aprily 2023

Manomboka ny asa fanaovana rarivato na pavé ny lalana Ambohimanatrika Saropody izay lalana mahakasika kaominina roa dia i Alasora sy Tanjombato.
Marihina fa ity lalana ity dia tsy nisy nikitika intsony tao aorian'ny Repoblika voalohany nefa dia isan'ny lalana be mpampiasa ao Tanjombato.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny amin'ireo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.

19/04/23


Lalana Andranomena Ambodimita, 20 avril 2023

Mitohy hatrany ny asa, 20 aprily 2023

Mitohy  hatrany ny asa fanamboaran-dalana "point-à-temps" sahanin'ny Faritra Analamanga.
Efa eny Andranomena Ambodimita izy ireo ankehitriny no manatanteraka ny asa izay mbola hitohy hatrany. Miasa andro aman'alina izy ireo

20/04/23


Fikojakojana ny lalana Tsarasaotra-Antsofinondry, 24 avril 2023

Mifarimbona ny Faritra sy ny Kaominina
Tsikaritra fa tatoato dia nihasimba ny lalana rarivato na pavé mampitohy an'i Tsarasaotra sy Atsofinondry izay mirefy eo amin'ny 6 km eo ho eo.
Kaominina 4 no misitraka an'iny lalana iny ka tokony hikarakara azy raha ny fifanarahana tamin'ny nanamboarana azy tany amboalohany dia ny Kaominina Ambatolampy Tsimahadotsy, Sabotsy Namehana, Anosy Avaratra ary Ambohimanga Rova.
Misy ireo Kaominina mahavita sy manao izany fikojakojana izany saingy misy kosa ireo tsy manatanteraka ny andraikiny.
Nisy ny fidinana ifotony nataon'ny Governoran'Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy niaraka tamin'ireo avy ao amin'ny fitaleavam-paritry ny asa vaventy Analamanga sy ny avy ao amin'ireo kaominina voalaza ireo, ny Alatsinainy 24 aprily.
Tsikaritra fa ankoatra ny fahasimban'ny lalana dia misy ireo olona tena minia manala ireo vato pavé ary manary izany any anaty rano. Misy koa ireo fiara vaventy manala ireo "barrières" natao ho fetran'ireo fiara afaka mandalo amin'iny lalana iny ka miteraka izao fahasimbany haingana izao.
Tapaka àry tamin'ity fidinana ity fa ankoatra ny fanamboarana hataon'ny Faritra dia tsy maintsy manao ny asa fanamboarana sy fikojakojana ireo kaominina rehetra manodidina.
Hamafisina ihany koa ny fiambenana sy ny sazy ho an'ireo fiarabe mbola mikiry handeha amin'iny lalana iny.

25/04/23


Lalana Antsahamarofoza-Ambatofotsy, 08 mai 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.

Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana lalan-tany mampitohy an'Antsahamarofoza kaominina Ankadikely Ilafy sy Ambatofotsy kaominina Sabotsy Namehana.
Ny Faritra Analamanga dia miezaka hatrany manao ireo lalan-tany mampifandray kaominina maromaro mba ahafahana mivezivezy sy mamoaka ireo vokatry ny tantsaha.

08/05/23


Lalana Alakamisy-Tsarasaotra, Anjozorobe 19 mai 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Araka ny nambara ombieny ombieny dia isan'ny asa sy laharam-pahamehana ho an'ny Faritra Analamanga amin'ny asa lalan-tany ataony ny fampifandraisana ireo kaominina maromaro izay tsy afaka nifandray teo aloha.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalan-tany mampitohy Kaominina roa dia ny Kaominina Alakamisy sy Tsarasaotra ao amin'ny distrikan' Anjozorobe.
Marihina fa ireo fitaovana vaventy (engins) nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA no ampiasaina amin'ny asa fanamboarana.

19/05/23


Lalana Andakana, 26 mai 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO
Ho tohin'ny asa fanamboaran-dalana sy fikojakojana izay sahanin'ny Faritra Analamanga eto Analamanga dia nitohy teny Andakana, distrikan'Ambohidratrimo, izany asa fanamboaran-dalana izany. Izao asa izao dia marihana fa mbola hitohy miakatra aty Antananarivo Renivohitra.
Ny Faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny amin'ny fanelingelenana noho ny asa fanamboarana.

26/05/23


Lalana Ambodivonkely Ambohimanarina, 21 juin 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO

Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ny lalana Ambodivonkely mivoaka eny Antanety, boriborintany VI, mirefy 800 metatra. 21 jona 2023

Raha efa ela nijaliana ny mponina ao amin'ny fokontany Ambodivonkely Ambohimanarina tamin'ny lalana vovoka sy fotaka rehefa avy orana dia noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany lalana izany ho rarivato na pavé. Vita soamantsara izany ankehitriny.
Ny tanjon'izao fitondrana izao moa dia miezaka ny hamaha ny olan'ny mponina ka nisy ny fiaraha-miasa tamin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ka izy ireo no nanamboatra ny tohatohabato.
Notanterahina androany 21 Jona 2023 noho izany ny fitokanana ireo lalana sy zava-bita ireo ka niaraka nidina teny an-toerana nanao izany fitokanana izany ny Governoran'Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy ary ny Ben'ny tananan'Antananarivo Renivohitra, notronin'ny Solombavam-bahoaka.

21/06/23


Lalana Ambodimita-Ambodihady, 29 jona 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY.
Mitohy tsy tapaka ny asa fanamboaran-dalana sahanin'ny Faritra Analamanga amin'ny fanampenana ireo lavadavaka eto Antananarivo sy ny manodidina.
Ny 29 jona 2023 dia ny eto Ambodimita Ambodihady indray no nanohizana izany.
Ampatsiahivina hatrany fa misy ny fifampizarana andraikitra eo amin'ny Minisiteran'ny Asa Vaventy sy ny Commune ary ny Faritra Analamanga amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina.
Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialantsiny ho antsika mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.

29/06/23


Lalana Betatao Anjozorobe, 14 juillet 2023

Lalana Betatao Anjozorobe

Mba ho fanatanterahana hatrany ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny nanomezany ireo "engins" maro ho famahana ny olan'ny fifandraisan'ireo samy kaominina dia mitohy ny fanamboaran'ny Faritra Analamanga ny lalana intercommunale Axe Anjozorobe-Betatao, izay mirefy 30km. Eo amin'ny Fokontany Anosivola, 8km tsy hiditra ny Kaominina Betatao ny asa amin'izao fotoana ary mitohy hatrany. Ny Faritra Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho an'ireo mpampiasa iny lalana iny noho ny fanelingelenana.

14/07/23


Lalana rarivato Ambohimalaza, 18 juillet 2023

MANOHY NY ASA HO ANAO HATRANY NY FARITRA ANALAMANGA
Lalana rarivato ao Ambohimalaza Avaradrano, 18 jolay 2023
Araka ny ambentintenin'ny Governoran'Analamanga rehefa mikabary manao hoe "rehefa mbola eo amin'ny toerana nahavoatendry na naha voafidy anao ianao dia vitao an-tsakany sy an-davany ny asa nankinina aminao"; noho izany
ny Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka dia manohy hatrany ny asa nankinin'ny Filoha Andry RAJOELINA aminay dia ny fampandrosoana ny kaominina rehetra ato amin'ny Faritra ka isan'izany ny fanamboaran-dalana na ao an-tampotanana ny kaominina na lalana mampifandray kaominina maromaro.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana pavé ao Ambohimalaza, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Marihana fa mbola tsy vita ny asa ka manohy ny ressouflage sy ny fametrahana butage longitudinal en boutisse ny orinasa manatanteraka ny asa amin'izao fotoana izao.

18/07/23


Lalana Ankorondrano, 21 juillet 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO HATRANY
Mbola ao anatin'ny fotoam-piasana tsara ny Fitondrana izay tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ankehitriny ary dia toy izany ihany koa ny Faritra Analamanga izay tarihiko, hoy ny Governora Hery Rasoamaromaka. Mitohy araka izany ny asa sahaninay, hoy hatrany izy, satria araka ny fitenenanana hoe : "Asa aloha fa tsy kabary".
Araka ny fizaran'asa amin'ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo dia nitohy tetsy Ankorondrano Axe La City sy Pharmacie Ankorondrano no namboarina tato anatin'ny andro vitsy.
Lalana izay isan'ny be mpampiasa ka miteraka fitohanana lavareny noho ny fahasimbany.
Ny Faritra Analamanga dia mahohy hatrany ny asa izay hiandraiketany ary miala tsiny noho ny fanelingelenana amin'ny fanatanterahana izany asa izany

21/07/23


Lalana Andramasina, 24 juillet 2023

MANOMBOKA NY ASA FANAMBOARAN-DALANA MANKANY ANDRAMASINA

Isan'ny lalana tena be mpampiasa nefa ratsy dia ratsy ary tena mampitaraina ny mpampiasa lalana ny lalana makany amin'ny Distrikan'Andramasina.
Natomboky ny Faritra Analamanga androany 24 jolay 2023 àry ny asa fanamboarana izany lalana izany, miainga avy eo Ambatofotsy mandalo any amin'ireo tanàna toa an'Andramasina- Anepoka- Alatsinainy Bakaro- Ambohimiadana.
Ankasitrahana feno ny fiaraha-misala avy amin'ireto Ministera manaraka ireto dia ny Ministeran'ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny vehivavy, Ministeran'ny Angovo sy ny Akoran'afo, Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr'andro ary ny Sekretariam-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana.
Tsy hadino ihany koa ny fisaorana ireo mpitatitra mpampiasa iny lalana iny amin'ny fiaraha-miasa.
Tsy honohono na fampanantenana poakaty ity fanamboaran-dalana ity satria efa eo Ambatofotsy avokoa ireo "engins" rehetra avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA hanatanterahana ny asa toy ny pelleteuse, tractopelle, niveleuse, chargeuse, ny camion citerne ary ny camion hanatanterahana ny asa.

25/07/23


Lalana Andramasina, 26 juillet 2023

FANOMBOHA NY ASA LALANA ANDRAMASINA
LALANA VAOVAO NOSOKAFANA
Nomarihina androany 26 jolay 2023 teo amin'ny Kaominina Ambalavao, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, ny asa fanamboarana ny lalana Rip 20 mihazo an'Andramasina. 
Tery dia tery ny làlana ambany tetezana Ambatofotsy hamonjy ny lalana Rip 10 Andramasina ka nanome toromarika ho an'ny Governoram-paritra Analamanga ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny hanaovana fidirana vaovao amin'ny làlana makany Andramasina. 
Isan'ny antony lehibe nanaovana ity lalana vaovao ity  ny mba tsy hikitihana ny tranon'olona izay efa niorina hatrizay raha halebiazina ny lalana. Hafaliana ny an'ny vahoaka satria sady ho vita ny lalana no tsy ho voakitika ny tranon'izy ireo.
Teny an-toerana ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano Andry RATSIVAHINY, ny Lehiben'ny Distrika ny Atsimondrano, BELAMY Rafidison Mamitiana Claude, ny Ben'ny tanànan'ny Kaominina Ambalavao ary ireo teknisianina avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy manao ny étude sy ny fanaraha-maso amin'ity lalana vaovao nosokafana ity.
Nisy moa ny omby natolotry ny Filoha mba ho mariky ny fanombohana ny asa sy ho nofon-kena mitahim-pihavanana nozaraina ho an'ny fokonolona.

26/07/23


Lalana Ambatofotsy-Andramasina, 02 août 2023

Mitohy tsara ny asa fanamboaran-dalana mampitohy an' Ambatofotsy sy Andramasina.
Lalana izay hezahin'ny Faritra Analamanga ny hanamboatra azy ho manara-penitra sy tsy ho mora simba, ka nisy araka izany ny fanajariana ny lalan'ny rano amin'ny sisiny izay tena antoky ny fahatezan'ny lalana.
Maneho hatrany ny fialana tsiny noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboaran-dalana ny Faritra Analamanga.

02/08/23


Lalana Ivato tanàna

FANAMBOARANA NY LALANA ENY IVATO TANANA, 05 aogositra 2023

Ivato no vavahady hidirana eto Madagasikara satria eny no misy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena. Tonga tao amin'ny trano fiasan'ny Governoran'Analamanga etsy Ambohidahy ny Ben'ny Tananan'ny Kaominina Ivato nangataka fiaraha-miasa ny hanamboarana ny lalana ao an-tanana, ka ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA izay Filohan'ny Malagasy tsy an-kanavaka amin'ny tsy hanasiana distrika sy kaominina hadino amin'ny asa fampandrosoana, dia tonga nanolo-tanana namboatra ny lalana eny Ivato ny Faritra Analamanga. Haharitra andro vitsivitsy ny fanamboarana ny lalana eny Ivato koa maneho ny fialan-tsiny ho an'ireo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana.

05/08/23


Lalana Andramasina, 10 Aogositra 2023

FANAMBOARANA NY LALANA ANDRAMASINA 10.08.2023
Mitohy hatrany ary mizotra antsakany sy andavany ny fanamboarana ny lalana mankany Andramasina izay sahanin'ny Faritra Analamanga. Toy izao aseho antsika izao ny sary mirakitra ny fizotry ny asa ankehitriny. Teny Ankorona, kaominina Andramasina, distrikan'Andramasina omaly 09 aogositra, ireo "engins" avy amin'ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy ireo teknisianina amin'ny fanamboaran-dalana avy ato amin'ny Faritra no nanatanteraka ny asa fanamboarana-dalana.
Ny faritra Analamanga dia maneho hatrany ny fialan-tsiny aminareo mpampiasa lalana noho ny fanelingelenana mandritra ny asa fanamboarana iny lalana iny.

09/08/23


Lalana Andramasina, 21 Aogositra 2023

Mitohy hatrany ny asa, 21 aogositra 2023
Tsy araka ny resaky ny olona sasany hoe mijanona ny fanamboarana ny lalana Andramasina fa mitohy an-tsakany sy an-davany izany.
Toy izao ny fizotry ny asa fanamboarana ny lalana  Andramasina - Sabotsy Ambohitromby ny 21 aogositra 2023.
Mbola any an-toerana avokoa ireo "engins" nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA manatanteraka ny asa.
 

22/08/23


Lalana Andramasina, 13 septembre 2023

Mitohy ary tsy mijanona ny fanamboarana ny lalana ao amin'ny Distrikan'Andramasina.
Toy izao ny asa fanamboarana lalana  Andramasina - Sabotsy Ambohitromby ny 12 septambra 2023.
Mbola any an-toerana avokoa ireo "engins" nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA manatanterana ny asa.

13/09/23


Lalana rarivato Ampefiloha Ambodirano, 24 oktobra 2023

Tohizana ny rarivato hipàka any ampovoan-tanàna

Nisy fotoana nandritra ny fandalovan'ny President Andry RAJOELINA tetsy amin'ny EPP Ampefiloha Ambodirano dia efa namboarin'ny Faritra Analamanga ho lalana rarivato na pavé ny lalana avy eo amin'ny arabe mankeny amin'ny EPP.
Ankehitriny dia notohizan'ny Faritra Analamanga izany lalana pavé izany ka manomboka eo amin'ny EPP mitsofoka any anaty tananan'Ampefiloha Ambodirano no amboarina amin'izany.
Marihiny fa namboarina ihany koa ireo rarivato efa vita tamin'ny andiany voalohany ary nohamafisina ihany koa ny sisiny mba hampateza tsara ny lalana efa vita.

24/10/23


Lalana Befelatanana, 23 février 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO
Fanarenana ny lalana eny Befelatanana, 23 février 2024
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon'ny Faritra Analamanga.
Ny asa "décapage" ho an'ireo lalana simba horakofana tara hatreto ny dingana atao ka tetsy Befelatanana no nanatanterahana izany.
Mifanindran-dalana amin'izao asa fanamboaran-dalana izao ny fisokirana ireo tatatra na "curage canal" izay tena antony mahasimba haingana ny lalana. 

23/02/24


Lalana Ampasampito Andraisoro, 01 mars 2024

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO
Fanarenana ny lalana eny Ampasampito-Andraisoro, 01 martsa 2024
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana eto amin'ny Faritra Analamanga. Toy izao ny fanombohana ny "décapage" natao teny Ampasampito Andraisoro, natao androany.
Marihina fa toerana samihafa eto andrenivohitra no ataon'ny Faritra Analamanga toy izao, toy ny eny Befelatanana.

01/03/24