Structure Locale de Concertation

Natsangana ny 28 martsa 2024 teo ny SLC Analamanga
Ny alakamisy 28 martsa 2024 teo no nanao ny fivoriana fananganana amin'ny fomba ofisialy ny SLC na Structure Locale de Concertation ny Faritra Analamanga. Nitarika izany tetsy Ambohidahy ny Governora Hery Rasoamaromaka, notronin'ny Sekretera Jeneraly, Ratsiharovala Ramesy Marie Jackia. Nandray anjara tamin'ny fananganana ity rafitra ity kosa ireo solotena avy eny ifotony, nahitana ny solombavambahoaka, ny ben'ny tanàna, ny lehiben'ny distrika.
Izao no natao dia ho fanamoràna ny serasera eo anivon'ireo hery velona misy eto amin'ny faritra Analamanga sy entina hampandroso haingana ny eny ifotony.