Bâtiment

ANKAZOBE : TSENA MANARAPENITRA

Hisitraka tsena manarapenitra ny mponin'i Vonizongo. Efa vita tanteraka ny tsena lehibe ary ankehitriny dia eo ampanatanterahana ireo pavillons manodidina ny Faritra Analamanga. 
Rehefa tsy nisy nikarakara nandritra ny taona maro ity Tsenan'i Vonizongo ity dia izao noraisin'ny Faritra Analamanga izao ny fanavaozana tanteraka azy. Hahazo tombontsoa amin'izao fotodrafitrasa izao avokoa, na ny tantsaha hivarotra ny vokany na ny mpividy.

23/01/20


Tsenan'i Behoririna, notokanana ny 25 febroary 2021

Notontosaina androany ny fitokanana ny Tsena vaovao etsy Behoririka ahitana rihana telo (R+3)
Tsena natao hamahana ny olan'ireo mpivarotra eny amoron-dalana eny amin'iny faritra iny izay mahazaka mpivarotra 800.
Nanatrika izany fitokanana izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka.
Nandritra ny fandraisany fitenenany no nilazany fa ity Tsenan'i Behoririka ity dia fanombohana ihany amin'ireo asa marobe tanterahin'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry Rajoelina amin'ny alalan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Fiarahabana sy fampirisihana no natolony ho an'ny Ben'ny Tanana Naina Andriantsitohaina amin'izao ezaka lehibe vita izao izay fanombohana ihany satria ho avy tsy ho ela ny etsy Anosy sy Coum 67ha ary ireo toerana maro eto Antananarivo

 

25/02/21


TSENA MANARAPENITRA ANKAZOBE 18 janoary 2021

Toy izao ny fivoaran'ny asa fanamboarana ireo "pavillons" ao amin'ny tsenan'Ankazobe.

18/01/21


TRANOMPOKONOLONA MANGAMILA ANJOZOROBE, 03.11.2020

Manomboka androany 03 novambra 2020 ny fanavaozana tanteraka ny tranompokonolona ao Mangamila, distrikan'Anjozorobe izay efa potika sy simba tanteraka.

03/11/20


ANJOZOROBE, nahazo fitaovana ny kaominina

TALATA 10 NOVAMBRA 2020
ANJOZOROBE.
Ny Alakamisy 22 Oktobra lasa teo no nidina taty Anjozorobe ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy. Nisy ny tafa sy dinika nifanaovana tamin'ireo Ben'ny tanana 19 ato amin'ny Distrikan'Anjozorobe izay nanehoan'izy ireo ny fangatahany ny fitaovana entina manantanterahana ny fampandrosoana.
19 andro aty aoriana dia naniraka ny Governora sy ireo mpiar-miasa aminy ny Filoha Andry RAJOELINA nanatitra manontolo ireo fitaovana ireo ka toy izao avy izany:

  • Dabilio: 430
  • Ciments: 664
  • Fers: 322
  • Toles: 730
  • Fil recuit : 25 kg
  • Kidoro: 111
  • Madrier: 30

Fanampin'izany dia hisy ihany koa ny "engins" hapetraka aty an-toerana hanamboarana ireo lalana mampifandray ny kaominina ary hisy koa ny solika homena amin'izany.
Tsy nohadinoina ihany koa anefa ny mpianatra  satria niara-dia tamin'ny Governora ny SG ComNat Unesco Manda RAVELOJAONA izay zanaky ny Distrikta rahateo ka nisy ny fanolorana "Rakibolana", boky fianarana ary cahier ho azy ireo.
Fisaorana moa no natolotr'ireo Ben'ny tanàna ireo ary nambaran'izy ireo fa tsy mbola nisy  fitondrana haingam-piasa toy ity sady tsy manavaka antoko-politika.
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia manamafy hatrany fa ny fampandrosoana ny Firenena dia miainga avy any ifotony ka tsy ifampiandrasana fa manao izay tokony hataony hatrany ny Faritra Analamanga izay tantanany.

10/11/20


TRANOMPOKONOLONA MANGAMILA, 11 NOVAMBRA 2020

Nijery ny fizotry ny asa fanarenana ny tranompokonolona ao Mangamila Distrikan' Anjozorobe ny Governoran'ny.Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy.
Ny Filoha Andry Rajoelina dia tsy mifidy na kaominina kely aza satria ny fampandrosoana dia miala avy eny amin'ny kaominina.
 

11/11/20


TSENA ANKAZOBE 10 oktobra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Taorian'ny fahavitan'ny Tsena  manarapenitra lehibe ao Ankazobe dia hiroso amin'ny fanamboarana ireo "pavillons" manodidina ny tsena ny Faritra Analamanga.
Nandray izao fanampahan-kevitra hamboatra ny "pavillons" manodidina izao ny Faritra Analamanga mba hisitrahan'ny mponina any an-toerana tsena manarapenitra tanteraka.

 

10/10/20


TSENA Alatsinainy-Ambazaha, 25 Sept 2020

Tany amin'ny Kaominina Alatsinainy Ambazaha androany 25 septambra 2020 ny Governoran'ny Faritra Analamanga nijery sy nalolotra ny Tsena manarapenitra izay namboarin'ny Faritra Analamanga ho an'ny vahoaka.
Hampiasaina tsy ho ela izy io raha ny tenin'ny Governora aorian'ny fanitsina vitsivitsy tsy maintsy atao.
Natolotra latabatra fianaran'ny mpianatra ao amin'ny EPP sy CEG miisa 100 ihany koa ny Faritra Analamanga.
Nandritra izao fitsidihana tany an-toerana izao dia zavatra maro no nampanantenain'ny Governora fa hotanterahina sy hamboarina toy ny lalana izay ratsy tokoa ka mampitoka-monina Kaominina maro ao Atsimondrano amin'ny fotoam-pahavaratra.
Eo ihany koa ny hanomezana "ordinateur complet" ho an'ny Kaominina .
Tao amin'ny CSB II indray dia hisy ny fanavaozana ny trano rehetra izay hita fa antitra sy simba tokoa nandritra ny fitsidihana izay natao.
Izao fitsidihana androany izao dia nifanojo tamin'ny faha-herintaona naha voatendry ny Governora Hery RASOAMAROMAKA hitantana ny Faritra Analamanga.
 

25/09/20


TSENA ANKAZOBE 24 SEPTAMBRA 2020

24 Septambra 2020

Vita tanteraka ny TSENA MANARA-PENITRA lehibe ao Ankazobe ary afaka 2 volana kosa dia ho vita ny KIANJA FANAOVAM-BAOLINA MANARA-PENITRA.
Hosoloina pavillons manara-penitra ihany koa ireo pavillons manodidina ny tsena  an-kehitriny ary hanomboka ny Alatsinainy izao izany asa izany.
Tonga nitsidika ireo fotodrafitrasa ireo tany an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Tianarivelo Razafimahefa.
Maro ireo fotodrafitrasa izay mbola hotanterahana ao amin'ny distrikan'Ankazobe izay mifanaraka amin'ny Vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA ka tsy ho Distrika zandriny intsony ny Distrikan'Ankazobe.

Tao anatin'izao fidinana ifotony nataon'ny Minisitry ny Atitany sy ny Governoran'Analamanga izao dia nisy ihany koa ny dinika nifanaovana tamin'ireo  olom-boafidy rehetra tao amin'ny distrikan'Ankazobe nahitana ny Solombavambahoaka, ben'ny tanàna ary ny mpanolon-tsainan'ny Tanàna.
Nivoitra tamin'ny dinika nifanaovana ny resaka fampandrosoana hotanterahina.
Ho entina hanatanterahana izany dia hamafisina ny resaka fitsinjaram-pahefana izay tafiditra ao amin'ny velirano faha-12n'ny Filoha Andry RAJOELINA ka nentanina ireo olom-boafidy rehetra hanangana ny Rafitra fakan-kevitra ifotony (Structure locale de concertation) ka izay hevitra tapaky ny rehetra no tanterahina amin'ny asa fampandrosoana.
Nohamafisin'ny Minisitra sy ny Governora fa tsy ho faralahiny sy tsy ho hadino toy ny teo aloha intsony ny distrikan'Ankazobe sy ireo distrika rehetra amin'ny asa fampandrosoana.
 

24/09/20


TSENA Alatsinainy-Ambazaha, 11 Sept 2020

Toy izao ny endriky ny Tsena manarapenitra eto Alatsinainy-Ambazaha, distrikan'Antananarivo Atsimondrano. Asa izay iandraiketan'ny Faritra Analamanga

11/09/20


Fitokanana ny Tsena Alatsinainy-Ambazaha, 13 Septambra 2021

FITOKANANA NY TSENA MANARA-PENITRA ALATSINAINY AMBAZAHA.

Notokanana androany ny Tsena Manarapenitra izay natolotry ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA ho an'ny Kaominina Alatsinainy Ambazaha, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, izay notontosain'ny Faritra Analamanga.

231 taona no napetraky ny Mpanjaka ANDRIANAMPOINIMERINA ny Tsena teto an-toerana ary an-kehitriny noho ny fangatahan'ny Kaominina ka nampitain'ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY dia nohavaozin'ny Faritra Analamanga ho manara-penitra izany ankehitriny.

Tsy hijaly ho main'ny masoandro ary tsy hiladina an-tany intsony ireo mpivarotra ary indrindra hilamina ny mpividy satria milamina ny tsena izay ahitana ny zavatra rehetra toy ny vokatry ny tany, hena eny hatramin'ny lamba fitafy. Mahazaka mpivarotra 168 ity Tsena manara-penitra ity ary tonga eto avokoa ireo mpivarotra sy mpividy avy amin'ny kaominina manodidina.

Nisy koa androany ny fanolorana ordinateur complet ho an'ny Kaominina noho ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna ary vary natao ho masomboly ho an'ny tantsaha. Ankoatra izay dia notoloran'ny faritra Analamanga fanampiana ihany koa ireo mpampianatra FRAM izay misedra fahasahiranana amin'izao fotoana izao ary hojerena manokana ihany koa ny hanatsarana ny Lisea atsy ho atsy.

Hamafisiko hatrany, hoy Andriamatoa Governora, fa ny asa rehetra sahanin'ny Faritra Analamanga dia ireo asa rehetra avy amin'ny hetahetan'ny Kaominina mba ho entina hanantanterahana ny veliranon'ny Filoha.

 

13/09/21