Eau

ANDRAMASINA - Fihaonan'ny Governora tamin'ireo tompon'andraikitra samihafa

ANDRAMASINA
Nitohy androany 04 Novambra 2020 tany Andramasina indray ny fidinana ifotony eny amin'ireo Distrikta eto Analamanga ataon'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara miasa aminy araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Androany dia niara-dia tamin'izy ireo ny Tale Jeneralin'ny Angovo sy ny Akoran'Afo ary ny Solombavambahoakan'Atsimondrano satria Distrika mifanila sy mifampitohy ny Distrika roa tonta.
Tanjon'izao fidinana ifotiny izao ny hifampidinika sy hihaino ny hetahetan'ireo olom-boafidy rehetra ao amin'ny Distrika izay nahitana ben'ny tànana 14 sy ny Filohan'ny mpanolontsainan'ny Tanàna.
Tsapa tamin'ny fihainoana ireo Ben'ny Tanàna ireo fa misy ny asa azo  tanterahina avy hatrany satria efa ao anatin'ny sorabolan'ny Faritra.
Tsara marihina ihany koa fa ao anatin'ny fotoana fanoratana ny teti-bolany ho an'ny taona 2021 izao ny Faritra Analamanga ka hampidirina ao anatin'izany teti-bola izany ireo asa goavana rehetra irian'ny Ben'ny Tanana hotaterahina.
Androany dia nahazo tombony manokana ny Distrikan'Andramasina satria jiro maromaro no natolotra ny kaominina ary efa napetraka avy hatrany izany.
Hovitain'ny Faritra Analamanga ihany koa ny "trano fanoratam-panambadiana" ao Andramasina.
Nohamafisin'ny Governora hatrany fa tsy mifidy antoko ny fampandrosoana ny tanàna satria ny fampandrosoana an'i Madagasikara dia miainga avy eny ifotony ka mila miara-miainga ny kaominina rehetra ato Analamanga raha tiana hotanteraka izany fampandrosoana an'i Madagasikara izany.

04/11/20


SOAVINARIVO, FAMPIDIRAN-DRANO FISOTRO

Toy izao ny fizotry ny asa fampidiran-drano fisotro ao amin'ny fokontany Soavinarivo Ambatomainty, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo. Any amin'ny 3 km miala ny tanàna no nitarihana ny rano ary hozaraina amin'ny paompy miisa 6 ao amin'ny fokontany izany. Nanao fitsirihana ara-teknika ny fizotry ny asa ny alakamisy 01 oktobra 2020 ireo ekipan'ny Faritra Analamanga. Tamin'izany ihany koa no nijerena ny fizotry ny fanamboarana lalana rarivato ao amin'ny fokontany Fiakarana, kaominina Anosiala sy ny lalana rarivato sy tara mampitohy ny kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy sy Anjomakely.
 

01/10/20


Fampidiran-drano Analamanga Park 02 oktobra 2020

Nitsidika ny asa fampidiran-drano madio fisotro tao Analamanga Park ny ekipan'ny Faritra Analamanga ny 02 oktobra 2020, notarihin'ny Sekretera Leneraly sy ny Talen'ny Kabinetra.
Vita tsara ary mandeha tsara avoko ny rano any amin'ny "bungalow" tsirairay ary feno tsara ny piscines rehetra miisa 2.
Ny piscine 2 izay "piscine chauffante" ny 1 dia efa vita ihany koa.
Raha nokasaina hisokatra ny volana Jona ity toeram-pialamboly ity dia mihemotra kely izany noho ny hamehana ara-pahasalamana  izay nanova zavatra marobe teo amin'ny tetiandron'ny orinasa nanatanteraka ny asa.
 

02/10/20