Education

EPP Tongarivo Tanjombato

Toy ny fanaon'ny faritra Analamanga amin'ny fanohanana ny sekoly dia anjaran'ny EPP Tongarivo, ao amin'ny Kaominina Tanjombato, distrikan'Antananarivo Atsimondrano indray no notolorana dabilio ny 6 febroary lasa teo. Nandray izany tamin'ny anaran'ny sekoly sy ny vahoakan'i Tanjombato ny Ben'ny tanàna ary naneho fisaorana feno ny ezaka rehetra ataon'ny faritra Analamanga amin'ny fanampiana ny eny ifotony toy izao.

 

06/02/21


EPP SOAVINARIVO

Fitsidihan'ny teknisianina avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny fizotry ny asa fanamboarana ireo efitrano fianarana maro ao amin'ny EPP SOAVINARIVO ny 07 janoary 2021.

07/01/21


EPP AMBOHINAMBO TALATAMATY

Nitohy teny Ambohinambo ny fitsIdihan'ny teknisianina avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny asa fanamboarana efitrano fianarana ao amin'ny EPP Ambohinambo, kaominina Talatamaty, distrikan'Ambohidratrimo.
Asa izay iandraiketan'ny faritra Analamanga iray manontolo ny famatsiana azy.

07/01/21


EPP AMBOHINAMBO TALATAMATY, 07.12. 2020

Manomboka ny asa fanampiana sy fanamboarana efitrano fianarana eny amin'ny EPP Ambohinambo.
Marihana fa efa misy EPP mitsangana ao an-toerana saingy tsy ampy efitrano fianarana maromaro izany noho ny hamaroan'ny mpianatra.
Noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanorenana izany efitrano izany ho famaliana ny hetahetan'ny mponina sy ireo raiamandrenin'ny mpianatra.
 

07/12/20


EPP SOAVINARIVO 01 desambra 2020

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO.
Toy izao ny fizotra ny asa fanarenana efitrano fianarana eny amin'ny EPP Soavinarivo.
Marihana fa efa misy EPP mitsangana ao an-toerana saingy tsy ampy efitrano fianarana maromaro izany noho ny hamaroan'ny mpianatra.
Noraisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanorenana izany efitrano izany ho famaliana ny hetahetan'ny mponina sy ireo raiamandrenin'ny mpianatra.
Isaorana manokana ny Filoha Andry RAJOELINA amin'ny fanatontosana izao asa fanorenana izao.

01/12/20


SOAMANDRAKIZAY

Ny 30 Novambra 2020 no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ny sekoly fanabeazana fotora EPP sy ny CEG eny Soamandrakizay. Tonga nitokana ity sekoly manara-penitra ity teny an-toerana ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina

 

30/11/20


AMBATOLAMPY TSIMAHAFOTSY

Notanterahina androany 05 martsa 2021 teny Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo ny fanolorana ireo dabilio miisa 60 avy amin'ny Faritra Analamanga.
Tonga nandray izany ny Ben'ny tanàna, ny Filohan'ny Filankevitry kaominaly, ny Raiamandrenin'ny  mpianatra.

05/03/21


CEG ANOSY AVARATRA, NAHAZO DABILIO, 07 OKTOBRA 2020

Androany 07 Oktobra 2020 no namaliana ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna sy ny Lehiben'ny CISCO Avaradrano teny Anosy Avaratra ka nanolorana azy ireo ny dabilio 100 ho an'ny CEG ao Lazaina mba hiatrehana ny fidiran'ny mpianatra.
Raha nandray fitenenana ny Talen'ny Kabinetra izay nisolo tena ny Governora dia nanambara fa tsy manao ambanijavatra ny resaka fampianarana ny Faritra Analamanga satria io no lova tsara indrindra sy isan'ny antoky ny fampandrosoana ny Firenena.
Hanaporofoina izany dia efa nisy ny sekoly toy ny Lycée izay efa naorin'ny Faritra Analamanga.
Raha nandray fitenenana ny Ben'ny Tanàna sy ny Sefo Cisco dia nisaotra sy nankasitraka izao fanomezan'ny Faritra Analamanga izao.

 

07/10/20


EPP ANKARAOBATO, 10 OKTOBRA 2020

NY FARITRA ANALAMANGA MITSINJO NY MPIANATRA HATRANY.
Androany 10 oktobra 2020 dia anjaran'ny kaominina Ankaraobato Atsimondrano indray no nandray ireo fanomezana dabilio avy amin'ny Faritra Analamanga.
Dabilio ho an'ny mpianatra miisa 220 no natolotra tamin'izany ka ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra no nisolo tena ny Governora.
Izao no natao dia noho ny fangatahan'ny Ben'ny tanana ao Ankaraobato. Avy nanavao ny  EPP ao an-toerana tokoa mantsy ny kaominina ka rariny sy hintsiny raha dabilio vaovao sy manarapenitra no hovantanin'ny mpianatra amin'ny fidirana ho avy izao.

 

10/10/20


EPP ANTAMBOHO SUD, ANKAZOBE 22 martsa 2021

EPP Antamboho Sud
22.03.2021
FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Araka ny fangatahana nataon'ny  Ben'ny tananan'Ankazobe sy ny Filohan'ny Filankevitra izay monina ao aminp'ny Fokontany Antamboho Sud dia namaly izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga ka nanolotra bâtiment vaovao izay hisy efitrano 3 ho an 'ny EPP Antamboho Sud ao amin'ny Fokontany Antamboho Sud, Kaominina Ankazobe.
Marihina fa tsy mbola nisy fotodrafitrasa nataon'ny fitondram-panjakana nifandimby mihitsy teto fa ny fokonolona no nanangana sy niantoka ireo trano gasy natao EPP hitantsika amin'ny sary ireo.
Dia izao hitantsika izao ny fandrosoan'ny asa.
Araka ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA dia miainga avy eny ifotony ny fampandrosoana
 

 

21/03/21


EPP Ampahidralambo Ambohidrabiby, 19 Aprily 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY.

Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanamboarana ny EPP ao Ampahidralambo, Kaominina Ambohitrabiby, Distrikan'Antananarivo Avaradrano.

Marihina fa trano efa ho rava tanteraka no teo an-toerana teo aloha izay tsy azo nampiasaina intsony ka tranon'olona tsotra no nianaran'ny mpianatra tao an-toerana.

Noho ny fahitana izany fahasahiranana izany dia nanapa-kevitra ny Faritra Analamanga hanangana efitrano fianarana maromaro ao an-toerana hanampiana ny raiamandrenin'ny mpianatra sy ny kaominina

19/04/21


EPP Soavinarivo, 28 oktobra 2020

Nitohy teny amin'ny EPP Soavinarivo ny fanoloran'ny Faritra Analamanga dabilio hampiasain'ny mpianatra amin'izao fidiran'ny mpianatra izao.
Faly sy ravo tokoa ireo mpianatra nandray ireo dabilio ireony tolakandron'ny 28 oktobra 2020.

28/10/20


Ambatolampy Tsimahafotsy, 28 oktobra 2020, notolorana dabilio

Fanolorana dabilio,

Amin'izao fidiran'ny mpianatra izao dia nanolotra dabilio miisa 60 ho an'ny ZAP Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo, androany 28 oktobra 2020 ny Faritra Analamanga. Tao amin'ny CEG Ambatolampy Tsimahafotsy no natao ny fanolorana.
Tonga nandray izany ny  Ben'ny tanàna sy ny Filohan'ny mpanolotsaina kaominaly, ny Sefo ZAP ary ny solontenan'ny raiamandrenin'ny mpianatra.
Fisaorana sy fankasitrahana ny Faritra Analamanga izay tarihan'ny Governora moa no natolotr'ireo izay rehetra nandray fitenenana satria tena namaha olana tokoa izo fanomezana izao mandritra ity taompianarana ity.

28/10/20


Lycée Anjomà-Betoho, 30 oktobra 2020

Notanterahina androany 30 Oktobra 2020 ny fanokanana ny Lycée voalohany ao Anjomà-Betoho, distrikan'i Manjakandriana. Asa izay notanterahin'ny Faritra Analamanga madiodio taorian'ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna any an-toerana, ka isaorana manokana ny Filoha Andry RAJOELINA.
Trano ahitana efitra lehibe 3 amin'izao fanombohany izao ary handray mpianatra kilasy fahafolo amin'ity taom-pianarana vaovao 2020-2021 ity.
1 volana sy 10 andro no namitan'ny orinasa izao asa izao, izay manaporofo fa rehefa misy ny fahavononana dia mahavita zavatra tsara sy haingana isika.
Nisy ihany koa ny fanoloran'ny Faritra Analamanga dabilio 100 ho an'ny Lycée vaovao hampiasaina ao anatin'izany.
Ny Faritra Analamanga dia misokatra hatrany amin'ny fiharaha-miasa amin'ireo Ben'ny Tanàna rehetra mba hanatanterahana ny fampandrosoana eto amin'ny faritra.

Nahazo Lycée ny kaominina Anjomà Betoho any amin'ny distrikan'i Manjakandriana.Tonga nitokana izany tany an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga ny zoma 30 oktobra 2020.
Taorian'ny fangatahan'ny ben'ny tanàna noho ny hetahetan'ny fokonolona dia notanterahin'ny Faritra Analamanga ny fananganana Lycée any an-toerana izay isaorana manokana ny Filoha Andry Rajoelina.
Ahitana efitra lehibe telo ity lycée ity amin'izao fanombohany izao ary handray mpianatra taona fahafolo (classe de seconde) amin'ity taom-pianarana vaovao 2020-2021 ity.
1 volana sy 10 andro no namitan'ny orinasa izao asa izao izay manaporofo fa rehefa misy ny fahavononana dia afaka mahavita zavatra tsara sy haingana isika.
Nisy ihany koa ny fanoloran'ny Faritra Analamanga dabilio 100 ho an'ny Lycée vaovao hampiasaina ao anatin'izany.
Ny Faritra Analamanga dia misokatra hatrany amin'ny fiharaha-miasa amin'ireo Ben'ny Tanana rehetra mba hanatanterahana ny fampandrosoana eto amin'ny faritra.

30/10/20


Kaominina Antehiroka, nahazo dabilio. 04 jona 2021

NY FIANARANA NO LOVA TSARA INDRINDRA
Namaly ny fangatahana nataon'ny Ben’ny Tanànan'ny Kaominina Antehiroka ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ny Faritra Analamanga ka nanolotra dabilio miisa 100 sy koba katsaka ho an'ny mpianatra teny amin'ny Kaominina Antehiroka ny zoma 04 jona 2021. Nisolo tena ny Governoran'ny Faritra Analamanga tamin'izany ny Tale misahana ny raharaha ara-bola  Andriamatoa RALAY Andrianantenaina Andonirina. Nandray izany tamin'ny anaran'ny vahoakan'Antehiroka kosa ny Ben'ny Tanàna.
Izao rehetra izao dia mbola tafiditra amin'ny fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny fampandrosona ifotony.

04/06/21


Lycée Fihaonana Ankazobe, notolorana dabilio, 07 jona 2021

DABILIO 5000 SY KAOMININA 50 NO EFA NISITRAKA NY DABILIO NOMEN'NY FARITRA ANALAMANGA
Araka ny fangatahan'ny Ben'ny Tanàna ao amin'ny kaominina Fihaonana, distrikan'Ankazobe, dia nanolotra dabilio miisa 100 ho an'ny Lycée Fihaonana ny Faritra Analamanga.
Nanolotra izany tany an-toerana, nisolotena ny Governoran'Analamanga ny mpikambana eo anivon'ny kabinetran'ny Faritra Analamanga misahana ny Arofenitra, Ramatoa RAFIDIMANANTSOA Verotiana.
Izao no natao dia mba hiatrehana ny nahazoan'ny Kaominina Fihaonana ny Foibem-panadinana bakalorea ka kaominina 3  no hahazo tombontsoa amin'ny fisian'io centre  io dia Fihaonana, Mahavelona ary Miantso.

07/06/21


Kaominina Marondry Ankazobe, nahazo dabilio sy kidoro, 05 Jolay 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA
Nanolotra dabilio miisa 60 ho an'ny CEG sy kidoro 10 ho an'ny CSB 2 ao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Marondry, distrikan'Ankazobe ny Faritra Analamanga.
 Natolotra ireto dabilio ireto amin'izao ankatoky ny fanadinana CEPE izao mba ahafahan'ireo ankizy manatanteraka ny fanadinanana amin'ny antsakany sy andavany.
Nambaran'ny Ben'ny tanàna nandritra ny fandraisam-pitenenany fa tena tsy nanadino ny Kaominina Marondry ny Governora. Amin'ny fotoana ilàna azy tsara izao fanampiana izao satria ny CEG Marondry dia isan'ny hahazo amin'ireo ary hampiasaina avy hatrany satria tsy ampy ny dabilio hiatrehana  ny fanadinana.

05/07/21


CEG, Lycée MAHABO, notolorana dabilio 60 isa - 16 juillet 2021

FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANTSIKA.
Dabilio 60 isa no natolotry ny Faritra Analamanga teto amin'ny Kaominina Mahabo, distrikan'Ambohidratrimo, izay natolotra ny Ben ny tanàna sy ny mpanabe tao amin'ny Lycée sy CEG MAHABO, niaraka tamin'ireo raiamandreny sy ny mpianatra notronin'ny Solombavambahoakan'i Madagasikara voafidy teto amin ny Distrikan'Ambohidratrimo .

16/07/21


EPP Soavinarivo, notokanana 26 Aogositra 2021

Notokanana ny Alakamisy 26 Aogositra 2021 ihany koa ireo efitrano manara-penitra miisa 3 nataon'ny Faritra Analamanga ho an'ny EPP Soavinarivo kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy, distrikan'Ambohidratrimo.

Noho ny  tsy fahampian'ny efitrano fianarana tao amin'ny EPP dia nisy ny firesahan'ny Talen'ny Sekoly tamin'ny fiadidiana ny Faritra Analamanga amin'ny hanitarana ny sekoly. Nirosoana avy hatrany ny asa ary izao vita izao ireo efitrano vaovao manara-penitra ary vonona ny handray mpianatra sahady amin'ity fidiran'ny mpianatra vaovao ity.

Nandritra ny fitokanana dia nisy ny fanoloran'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena ireo fitaovam-pianarana marobe toy ny dabilio, aronakanjo, kit scolaire, kapa sy ny hafa ihany koa, ho an'ireo mpianatra ao Soavinarivo ka hisaorana ny Filohampirenena sy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena tsy nanadino ireo mpianatra Malagasy.

26/08/21


EPP Ambohinambo Talatamaty, Fitokanana 03 septambra 2021

Notokanana ny zoma 06 septambra 2021 ny EPP Ambohinambo, Kaominina Talatamaty, Distrikan'Ambohidratrimo, ahitana efitrano fianarana manara-penitra 6 izay nataon'ny Faritra Analamanga.
Tonga teny an-toerana nanome voninahitra izao fitokanana izao ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle ary nitondra sy nanolotra Kits scolaires, aron'akanjo, kapa avy amin'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Marihina fa ireo efitrano fianarana ireo dia efa nasiana dabilio manara-penitra ihany koa izay avy amin'ny Fitondram-panjakana tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.
Hatreto ny Faritra Analamanga dia efa nahavita efitrano fianarana 30 izay mitsinjara ho amin'ny EPP, CEG ary LYCEE manerana ny Distrikta maro ato anatin'ny Faritra ary mbola manome toky hatrany fa hanohy ny fanamboarana efitrano fianarana manara-penitra mba holovain'ny taranaka fara-mandimby.

 

03/09/21


CEG Andranovelona Ilafy, 16 Desambra 2021

FITOKANANA EFITRANO FIANARANA VAOVAO AO AMIN'NY CEG ANDRANOVELONA ILAFY

Notanterahina ny 16 Desambra 2021 ny fitokanana ny efitrano fianarana vaovao miisa 3 ho an'ny CEG ao amin'ny Fokontany Andranovelona, kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan'Antananarivo Avaradrano.
Asa iandraiketan'ny Faritra Analamanga avy amin'ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fananganana fotodrafitrasa manara-penitra ho an'ny zaza malagasy toy izao ka isaorana azy hatrany, hoy ny Governoran'ny Faritra Analamanga raha nitokana izany tany an-toerana. Ny Faritra Anlamanga ihany koa no nameno ny dabilio fianarana ao anatin'ireo efitrano fianarana vaovao ireo.

FANARENANA NY SIMBA

Araka io toromariky ny Filoha io hatrany dia tsy mpanangana fotsiny ihany isika fa mpanarina ireo efa simba sy tranainy ihany koa. Ka noho ny fangatahan'ny Talen'ny sekoly sy ny Ben'ny tanàna ao an-toerana dia horaisin'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana sy fanarenana ireo efitrano fianarana maro ato anatin'ity CEG Andranovelona ity izay efa ratsy sy simba tanteraka.
Tsy mety raha mifangarika ka ny hafa manarapenitra nefa ny hafa efa potika toy ny hita amin'ny sary.

16/12/21


CEG Androhibe Antsahadinta, 23 martsa 2022

Noho ny fitombon'ny mpianatra ao amin'ny CEG Androhibe Antsahadinta, distrikan'Antananarivo Atsimondrano, dia nampian'ny Fitondram-panjakana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA, avy amin'ny alalan'ny Faritra Analamanga ny efitrano fianarana ao amin'ny CEG Androhibe Antsahadinta.
Nisy ny fanorenana efitrano fianarana 3 izay eo andalam-pahavitana ankehitriny.
Nidina teny an-toerana ny teknisianina sy ny STAFF avy ao amin'ny Faritra Analamanga nijery ifotony ny fizotry ny asa.

23/03/22


Lycée Androhibe Antsahadinta, 23 martsa 2022

MADIVA HO VITA ARY AZO AMPIASAINA TSY HO ELA.
Nijery ifotony ny fizotry ny asa fanamboarana ny Lycée manarapenitra ao Androhibe Antsahadinta, ny 23 martsa 2022, ireo teknisianina sy  STAFF ao amin'ny Faritra Analamanga.
Izao no natao dia ho fanatanterahana ny Velirano izay nampanantenain'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ity Lycée ity ity dia ahitana efitrano fianarana miisa 6 ary efitrano 2 natokana ho Birao.
Raha ny hita teny an-toerana dia efa madiva ho vita izy ity ary efa mamaraparana ny asa ny orinasa tompon'andraikitra manao ny asa. Vantany vao vita tanteraka izy ity dia hampiasaina avy hatrany satria amin'izao fotoana izao dia mifandimby efitrano ny Lycée sy ny EPP. Hivaha tsy ho ela noho izany olana.

23/03/22


CEG Ambohidrapeto, 01 aprily 2022

Nitohy teny amin'ny Kaominina Ambohidrapeto, distrikan'Antananarivo Atsimondrano ny fitsirihana ny asa sahanin'ny Faritra Analamanga, ny Zoma 01 aprily 2022, ka ny asa fanamboarana ny efitrano fianarana 3 ao amin'ny CEG Ambohidrapeto no notsidihana tamin'izany.
Efa madiva ho vita ny asa fanamboarana ka hisitraka efitrano fianarana vaovao ny sekoly. Isaorana etoana sahady ny Filoha Andry RAJOELINA, nahafahana nanao izao fotodrafitrasa izao ho tombontsoan'ny taranaka Malagasy.

01/04/22


Lycée CEG Androhibe Antsahadinta, 07 Aout 2022

Fotodrafitrasa manarapenitra

Vita soa amantsara araka ny fenitra nilaina ny Lycée sy ny CEG ao amin'ny Kaominina Androhibe Antsahadita, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Natao ireto fotodrafitrasa ireto ho fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA.
Hotokanana tsy ho ela ireto fotodrafitrasa ho an'ny zanaka amam-para ireto.

07/09/22


EPP Antamboho Atsimo, Ankazobe, 22 septembre 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ATSIKA.
Vita ary efa azo ampiasaina sy ianarana nanomboka tamin'ity taom-pianarana ity ireo efitrano fianarana 3 vaovao namboarin'ny Faritra Analamanga tao amin'ny Fokontany Antamboho Atsimo, Kaominina Ambonivohitra Ankazobe.
Marihana fa trano tany sy tafo bozaka ity efitrano fianarana ity teo aloha ary tsy ampy nianaran'ny mpianatra izay efa nitombo maro. Ka araka ny velirano sy toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA no nanorenan'ny Faritra Analamanga ireto efitrano fianarana vaovao 3 ireto.
Mba hampanara-penitra tanteraka ireto efitrano fianarana ireto dia nisy ny fanolorana dabilio vaovao 120 ny sekoly.
Entanina hatrany ny mba hanajana ny fananana iombonana satria mitovy amin'ny tsy manana ihany ny tsy mahay manaja sy mikolokolo.

23/09/22


Lalana pavé Anjoma Betoho, 24 octobre 2022

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Mizotra tsara araka ny tokony ho izy ary efa madiva hifarana ny asa fanamboaran-dalana "lalan-tany" any amin'ny kaominina Anjoma Betoho ao anatin'ny Distrikan'i Manjakandriana.
Lalan-tany mirefy 10 km mahery ity amboarin'ny Faritra Analamanga ity izay ampiasana ireto "engins" izay nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA ireto.
Ny torimariky ny Filoha dia ny hamintana lalan-tany mirefy 200 km isan-taona.

24/10/22


EPP Mahabo Andoharanofotsy, 16 mars 2023

𝗙𝗜𝗧𝗢𝗞𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗘𝗣𝗣 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗕𝗢 𝗔𝗡𝗗𝗢𝗛𝗔𝗥𝗔𝗡𝗢𝗙𝗢𝗧𝗦𝗬 𝗦𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗞𝗜𝗔𝗡𝗝𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗥𝗔-𝗣𝗘𝗡𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗜𝗔𝗩𝗢𝗟𝗢𝗛𝗔 𝗔𝗧𝗦𝗜𝗠𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗡𝗢. 16.03.2023
Efitrano fianarana 2 nandritra ny taona maro no nampiasain'ny mpianatra 400 tao amin'ny EPP Mahabo Andoharanofotsy ka voatery mifandimby isaky ny ora 2 ny mpianatra no mianatra.
Nanao fangatahana noho izany ny Ben'ny Tanana mba hanorenana trano sekoly fanampiny ka nanome toromarika ny Filoha Andry RAJOELINA ny hananganan'ny Faritra Analamanga sekoly manara-penitra vaovao ka vita soamatsara izany.
Tonga nitokana izany fotodrafitrasa izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin'ny  vahoakan'Andoharanofotsy tonga maro be tao an-toerana.
Taorian'ny fitokanana izany sekoly izany dia nisy ny dia be nataon'ny Filoha sy ny vahoakan' Andoharanofotsy nihazo an'Iavoloha satria hisy ihany koa ny fananganana Kianja Manara-penitra izay fotodrafitrasa lehibe ary tsy mena-mitaha amin'ny hafa, hatsangana ho an'ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena ary ho an'ny vahoakan' Atsimondrano.
NY FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.

17/03/23


Fitokanana Lycée sy CEG Androhibe Antsahadinta, 25 mars 2023

FITOKANANA NY LYCEE SY CEG TAO ANDROHIBE ANTSAHADINTA
Tontosa soa amantsara ny Sabotsy 25 Martsa 2023 ny fitokanana ny Lycée sy CEG vaovao ao Androhibe Antsahadinta, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Izao no natao dia ho famalian'ny Faritra Analamanga ny fangatahan'ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY sy ny Ben'ny Tanana Fabrice rakotomalala noho ny faharatsian'ny sekoly nisy tao an-toerana. Tafiditra indrindra ihany koa amin'ny fanatanterahana ny VELIRANO Faha4 ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny fanabeazana ho an'ny rehetra.
Manampahefana maro no tonga tany an-toerana nahitana ireo Solombavambahoaka sy Loholona maro, mpikambana maro ao anatin'ny governemanta ary ny mpanolotsaina manokan'ny Filoham-pirenena.
Isaorana manokana ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena nanome latabatra fianarana manarapenitra marobe natao tao amin'ireo trano fianaranana vaovao ireo. Afaka misitraka fianarana manara-penitra ny zaza any Androhibe an-kehitriny.
Taorian'ny fitokanana dia nisy ny nofonkena mitam-pihavanana nomena ny vahoaka rehetra tao an-toerana izay tonga maro tokoa narahin'ny fiaraha-mikorana tamin'ny vahoaka nafanain'ny mpanakanto ny tolakandro.

25/03/23


CEG Ivato, 09 juin 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY
Noho ny fahitan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny fahasimban'ireo efitrano fianarana ao amin'ny CEG Ivato, distrikan'Ambohidratrimo, dia nanampakevitra ny Governora sy ireo mpiara-miasa aminy ny handraisan'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanarenana sy fanamboarana ny efitrano fianarana (Salle de classe) miisa 4 ao amin' ny CEG Ivato.
Ny Faritra Analamanga dia miara-miasa hatrany ho tombotsoan'ny vahoaka fa tsy mifidy firehan-kevitra ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA hoe tsy hisy Distrika ho hadino intsony.

09/06/23


CEG Ivato, 09 juin 2023

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA HATRANY
Noho ny fahitan'ny avy ato amin'ny Faritra Analamanga ny fahasimban'ireo efitrano fianarana ao amin'ny CEG Ivato, distrikan'Ambohidratrimo, dia nanampakevitra ny Governora sy ireo mpiara-miasa aminy ny handraisan'ny Faritra Analamanga an-tanana ny fanamboarana izany.
Toy izao ary ny fizotry ny asa fanarenana sy fanamboarana ny efitrano fianarana (Salle de classe) miisa 4 ao amin' ny CEG Ivato.
Ny Faritra Analamanga dia miara-miasa hatrany ho tombotsoan'ny vahoaka fa tsy mifidy firehan-kevitra ho fanatanterahana ny toromariky ny Filoha Andry RAJOELINA hoe tsy hisy Distrika ho hadino intsony.

09/06/23


ESAC ANTANIMENA, Andiany FANASINA 13 juin 2023

NOFIDIANA HO RAY MPIAHY NY ANDIANY FANASINA AO AMIN'NY ESCA ANTANIMENA.
Ny Governora Hery Rasoamaromaka no nosafidian'ireo mpianatra ao amin'ny kilasy faha 3 ao amin'ny Kolejy ESCA Antanimena andiany FANASINA ho Ray mpiahy azy ireo amin'ny fivoahany hanohy ny fianarana indray amin'ny dingana manaraka.
Nisy noho izany androany ny fihaonany tamin'izy ireo teny amin'ny ESCA Antanimena nahazoany nampita ny hafatra mba hanohizan'izy ireo izany fianarana izany. Nambaran'ny Governora fa zava-dehibe ny tokony "hananana tanjona amin'ny fiainana" dieny izao ary atao fanamby ny hatratrarana izany.
Nisy nandritra io fotoana io ihany koa ny famelabelarana narahina fanazavana nentin'ny Talem-paritry ny Ministeran'ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy Analamanga nanentanana amin'ny tokony hikoloana ny tontolo Iainana.
Nohamafisin'ny Governoran'Analamanga hatrany ny fisaorana ny "Frère Directeur" ny ESCA sy ireo mpianatra  nisafidy ny tenany ho Ray mpiahy ary dia nirary soa sahady amin'ny fanadinana BEPC hataon'izy ireo tsy ho ela, ary hihaona tsy ho ela amin'izy ireo indray amin'ny " sortie de promotion" hatao ny 13 jolay ho avy izao.

13/06/23


ESAC ANTANIMENA, Andiany FANASINA 13 juillet 2023

FAMOAHANA ANDIANA MPIANATRA.
Notanterahina ny Alakamisy 13 jolay 2023 tetsy amin'ny Espace Yandy By Pass ny "Sortie de promotion" ho an'ny kilasy faha-3 (classe de 3ème) ao amin'ny Kolejy ESCA, Andiany Fanasina.
Ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka, no nangatahin'ireto mpianatra ireto ho Ray mpiahy azy ireo.
Nisy ny mari-pankasitrahana natolotry ny Faritra Analamanga ho an'ny Sangany tamin'ny Andiany (major) sy ireo 3 voalohany mendrika indrindra tamin'ireo kilasy miisa 5.
Tsy hadinon'ny Governora ihany koa ny nisaotra sy nankasitraka ireo mpampianatra satria ny "Ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriny no tsara" ka tsy nisy ny vokatra tsara toy izao, hoy izy, raha tsy teo ireo mpampianatra ireo. Noho izany dia nisy ny fanomezana manokana natolotra ho azy ireo.
Nanafana sy nampiseo ny fahaizany nandritra izany fotoana izany moa ny "Click" izay mpitsoka mozikan'ny ESCA, ka nisy ihany koa ny fanomezana natolotra ho azy ireo.
Izao hetsika izao dia mifanindra an-dalana hatrany amin'ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia ny resaka fampianarana ny zaza Malagasy.
Tsy hijanona hetreo fa mbola hitohy amin'ny endriny hafa ny fiaraha-miasa amin'ny Kolejy ESCA ka  nirary soa ho an'ireto zaza nahavita dingana ireto ho tojo amin'ny dingana manaraka indray ny Governoran'Analamanga sy ny mpiara-miasa aminy.

13/07/23


CEG Ivato, 12 SEPTAMBRA 2023

VITA ARY EFA NATOLOTRA NIANARAN'NY MPIANATRA NY CEG IVATO
Efa vita ary efa natolotra ny mpianatra ho azo ampiasaina hianarana ny CEG Ivato izay nasian'ny Faritra Analamanga fanavaozana.
Efa simba sy potika ireto efitrano fianarana ireto ka nangataka tamin'ny Faritra Analamanga ny Ben'ny tanana ao Ivato Penjy Randrianarisoa, ny handraisan'ny Faritra an-tanana izany asa izany.
Koa satria Tafiditra ao anatin'ny Velirano faha-4 ny Filoha Andry RAJOELINA ny hoe "FANABEAZANA HO AN'NY REHETRA" dia tsy nisalasala ny avy ao amin'ny Faritra Analamanga nanatanteraka ny asa.
Nanomboka ary ny taom-pianarana ka nisitraka fotodrafitrasa tsara tarehy ny mpianatra.
Nankasitraka ny asa vita ireo ray amandrenin'ny mpianatra ary nentanina hikolokolo ny fotodrafitrasa ny mpianatra.

13/09/23


CEG Ivato, 19 septembre 2023

Fanolorana lakilasy fianarana sy dabilio, 19 septambra 2023
Ny talata 19 septambra 2023 no nanolorana tamin'ny mpianatra sy ny ben'ny tanàna ary ireo mpampianatra ireo lakilasy fianarana marobe izay nasiam-panavaozana tao amin'ny CEG Ivato.
Simba sy potika tokoa izy ireo ary tsy mendrika ho trano fianaran'ny mpianatra, ny sasany aza dia nomena  ny solon'anarana hoe "tranon-tsoavaly" noho ny haratsiany.
Ho fanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA dia tsy nisalasala ny Faritra Analamanga namaly ny fangatahan'ny Ben'ny tananan'Ivato nanao ny asa fanarenana rehetra.
Nambaran'ny Governoran'Analamaanga fa ny atao hoe politika dia asa fanatsarana ny tanàna fa tsy araka ny fiheveran'ny sasany azy ka na dia tamin'ny antoko hafa aza ny Ben'ny tananan'Ivato dia tsy natao sakana velively izany.
Ho famalian'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fangatahan'ny Ben'ny tanàna Penjy Randrianarisoa hatrany ny sabotsy lasa teo, dia natolotra androany ihany koa ny "tables-bancs" miisa 360 raha 150 no nangatahiny.
Etoana ny tenako sy ireo mpiara miasa amiko dia manome toky hatrany fa mbola hiasa ary vonona hiasa miaraka amin'ireo Ben'ny tanàna eny ifotony mba ho fampandrosoana an'i Madagasikara, hoy hatrany ny Governora.

19/09/23


CEG Anosisoa Ambohimanarina, 16 avril 2024

Dabilio 100 ho an'ny CEG Anosisoa Ambohimanarina

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANAO HATRANY
Mba ho fampiroboroboana ny fampianarana izay voaporofo fa antoky ny fampandrosoana ny Firenena no sady fanohizana sy fanatanterahana ny vinan'ny Filoha Andry RAJOELINA, dia tonga nanolotra dabilio miisa 100 ho an’ny mpianatra ao amin'ny CEG  ANOSISOA AMBOHIMANARINA, distrikan'Antananarivo faha-VI, ny Faritra Analamanga, ny 16 aprily 2024.
Natao ihany koa izao fanampiana sy fanomezana izao mba ho fanatsarana ny tontolon’ny Fampianarana.

16/04/24