Sante

MANTASOA CSB, 04 DESAMBRA 2020

MANTASOA  04 DESAMBRA 2020
Androany dia nisy ny fidinan'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy tany Mantasoa Distriktan'i Manjakandriana.
Noho ny fangatahan'ny Medecin Chef-n'ny CSB2 ao an-toerana dia nisy ny fanoloran'ny Faritra Analamanga kidoro 16 ho an'ny CSB1 Ambohitrinibe II sy ny CSB2 ao Mantasoa.
Izao no natao dia noho ny fanatanterahan'ny Faritra ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA ka isaorana azy manokana.

04/12/20


CSB-II AMBOHITROMBY ANKAZOBE, 06 OKTOBRA 2020

Araka ny fangatahan'ny Ben'ny tanana ao amin'ny kaominina Ambohitromby, distrikan'Ankazobe tamin'ny Governoran'ny Faritra Anslamanga nandritra ny fitsidihana nataony tany Ankazobe andro vitsy lasa izay dia natolotra ho azy ireo androany ny kidoro 10 ho am'ny CSB-II sy ny dabilio 60 ho an'ny sekoly ao an-toerana hiatrehana ny fidiran'ny mpianatra ho avy izao.
Nanolotra izany tany an-toerana ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga, Ravomanana Vincent sy ireo mpiara-miasa maro ao amin'ny Faritra Analamanga.
Raha nandray fitenenana ny Ben'ny Tanàna sy ny solombavambahoaka dia nisaotra sy nankasitraka izao fandraisan'ny Faritra Analamanga andraikitra haingana izao satria tena efa antitra sy tonta tokoa ireo fitaovana ao amin'ny CSB II sy sekoly ireo. Tamin'ity fotoana ity ihany koa no nanatanterahana ny "implantation" sy ny "batardeau" amin'ny tohodrano (barrage) ao amin'ny Fokontany Miantsoarivo Maroanana kaominina Ambohitromby Distrikan'Ankazobe.

 

06/10/20


Fitokanana ny asa fanitarana ny CHUJRA

FAITOKANANA NY FANITARANA NY URGENCE ETSY AMIN'NY CHUJRA 

Ho fanohizan'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fanatanterahana ny Velirano faha-5 dia ny fahasalamana ho an'ny rehetra tsy mifidy sokajin-taona dia notokanan'ny Filoha androany 14 Desambra 2021 ireo fotodrafitrasa roa sosona ho an'ny fahasalamana tetsy amin'ny CHUJRA.
Teo ny fanitarana ny sampana vonjy aina ao amin'ny CHUJRA sy ny "Salle de rééducation" eo anivon'ny Centre d'appareillage ao Befelatanana.
Hitombo avo roa heny ny toerana handraisana ny marary ao amin'ny sampana vonjy aina eto amin'ny hopitaly CHUJRA Ampefiloha. Nampiana sy nohatsaraina ihany koa ny fitaovana handraisana ireo marary, ary notolorana extracteurs d’oxygène sy moniteurs de surveillance ity sampan-draharaha ity. 
Isaorana ny Filoha miasa sy mikatsaka hatrany ny hanatsarana ny lafiny fitsaboana eto Madagasikara.
Mikasika ny valan’aretina COVID-19 dia nanambara ny Filoha Andry RAJOELINA fa hodinihina mandritra ny filankevitry ny ministra hatao ny Alarobia 15 Desambra 2021 ny fepetra horaisina sy ny fanapahan-kevitra mety indrindra manoloana ny fivoaran’ny valanaretina covid-19 eto amin’ny tany sy ny fanjakana ankehitriny.

14/12/21