Sport

Kianja Elgeco Plus, 10 aout 2023

FITOKANANA NY TRIBUNE CENTRALE - KIANJA ELGECO PLUS BY PASS 
Ny Kianjan'ny Elgeco Plus etsy By pass no kianja faharoa handray ny fifaninana taranja baolina kitra, ankoatra ny Kianja Barea Mahamasina, mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay hotanterahina eto Madagasikara, ny 25 Aogositra hatramin'ny 03 Septambra 2023.
Nitokana ny asa fanamboarana ny "tribune centrale" vaovao natsangana ao amin'ity kianja ity ny 10 aogositra 2023 ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Kianja izay manaraka ny fenitra ka hahafahana mandray lalao iraisam-pirenena.
Mitohy hatrany araka izany ny fanomezan'ny fitondram-panjakana lanja sy hasina ny sehatry ny fanatanjahantena ary tafiditra indrindra ao amin'ny velirano faha 13 n'ny Filoha, ka noho izany indrindra no nanotronako sy ireo mpiara-miasa amiko ny Filoha tamin'izao fotoana izao sy ho fanohanana ny mpiara-miombon'antoka amin'ny Fanjakana, hoy ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka.

10/08/23


Kianja manarapenitra Iavoloha Andoharanofotsy, 16 mars 2023

๐—™๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—š๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—ž๐—œ๐—”๐—ก๐—๐—” ๐— ๐—”๐—ก๐—”๐—ฅ๐—”-๐—ฃ๐—˜๐—ก๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐—œ๐—”๐—ฉ๐—ข๐—Ÿ๐—ข๐—›๐—” ๐—”๐—ง๐—ฆ๐—œ๐— ๐—ข๐—ก๐——๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข ๐—ฆ๐—ฌ ๐—™๐—œ๐—ง๐—ข๐—ž๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” ๐—ก๐—ฌ ๐—˜๐—ฃ๐—ฃ ๐— ๐—”๐—›๐—”๐—•๐—ข ๐—”๐—ก๐——๐—ข๐—›๐—”๐—ฅ๐—”๐—ก๐—ข๐—™๐—ข๐—ง๐—ฆ๐—ฌ. 16.03.2023
Efitrano fianarana 2 nandritra ny taona maro no nampiasain'ny mpianatra 400 tao amin'ny EPP Mahabo Andoharanofotsy ka voatery mifandimby isaky ny ora 2 ny mpianatra no mianatra.
Nanao fangatahana noho izany ny Ben'ny Tanana mba hanorenana trano sekoly fanampiny ka nanome toromarika ny Filoha Andry RAJOELINA ny hananganan'ny Faritra Analamanga sekoly manara-penitra vaovao ka vita soamatsara izany.
Tonga nitokana izany fotodrafitrasa izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina niaraka tamin'ny  vahoakan'Andoharanofotsy tonga maro be tao an-toerana.
Taorian'ny fitokanana izany sekoly izany dia nisy ny dia be nataon'ny Filoha sy ny vahoakan' Andoharanofotsy nihazo an'Iavoloha satria hisy ihany koa ny fananganana Kianja Manara-penitra izay fotodrafitrasa lehibe ary tsy mena-mitaha amin'ny hafa, hatsangana ho an'ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena ary ho an'ny vahoakan' Atsimondrano.
NY FARITRA ANALAMANGA MIASA HATRANY HO ANAO.

17/03/23


Tsipy kanetibe GRAND PRIX DU PRESIDENT

Ekipa 602 nahitana mpilalao 1800 manerana ny Nosy no niatrika ny fifaninanana Grand prix du Président, teo amin'ny taranja tsipy kanetibe, ny 5 sy 6 novambra 2022, teny Ivato.
Nisongadina nandritra ny fifaninanana ny ekipa avy eto Analamanga sy ny avy any Vakinankaratra.
Nasongadin'ny Governoran'Analamanga fa ny fanatanjahantena no mampiray ny vahoaka Malagasy manontolo.

 

06/11/22

CFFA Andoharanofotsy, hanandratra avo ny fanevan'i Madagasikara

Fandresena tamin'ny isa 2-1 no azon'ny solontena Malagasy CFFA (Centre de Formation de Football Andoharanofotsy) avy ao Andoharanofotsy raha nandranto lalao tany Zambie ka nihaonany tamin'ny Kabwe Warriors tao amin'ny kianja Levy Mwanawasa ao Ndola Zambie. Lalao miverina izay tafiditra amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF.
Nisantatra ny baolina matin'ny Malagasy ny penalty tafiditr'i Bela teo amin'ny minitra faha-7. Nosahalain'ny zambiana teo amin'ny minitra faha-30 ny lalao tamin'ny baolina matin'i Mumba ary io isa 1-1 io no nentin'ny ekipa roa tonta niala sasatra. Tao anatin'ny fidirana faharoa no nampidiran'i Tsito ny baolina faharoa azon'ny Malagasy ka nitondra azy ho amin'ny dingana manaraka. Raha tsiahivina dia nisaraka ady sahala 0-0 ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Kabwe Warriors tamin'ny lalao mandroso natao tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny 12 septambra 2021. Ny Interclub avy any Angola no miandry ny CFFA amin'ny dingana manaraka. 


Tamin'ity dian'ny CFFA Andoharanofotsy ity dia isan'ireo raiamandreny nanotrona sy nanohana azy ireo ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka, sy ny Solombavambahoaka avy ao Atsimondrano sady filohan'ny Kaomisiona misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Andry Ratsivahiny, ary ny Ben'ny Tanànan'Andoharanofotsy izay filohan'ny Ligin'ny baolina kitra Analamanga rahateo.
Tsy nijanona tamin'ny fanohanana ny ekipa Malagasy fotsiny ihany Governora Hery Rasoamaromaka tamin'ny diany tany Zambie fa nisy ny fihaonany tamin'ireo tomponandraiki-panjakana tao Ndola ny 17 septambra. Nisongadina tamin'izany fa vonona ny roa tonta hiara-hiasa eo amin'ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana ary mbola hivelatra amin'ny sehatra hafa izany.

Ny sabotsy 18 septambra kosa dia nisy ny fihaonan'ny Governoran'Analamanga tamin'i Nundwe Bllagah Bright izay "Permanent Secretary COPPERBELT PROVINCE" izay toy ny Governora ao Ndola Zambie.
Vontoatin'ny fihaonana ny fitadiavana fiaraha-miasa eo amin'ny andaniny sy ny ankilany izay mifototra hatrany amin'ny fampandrosoana.

Nakotroka ny fitsenana ny delegasiona teny Ivato

Ny talata 21 Septambra 2021 no nigadona teto an-tanindrazana omaly ny delegasiona malagasy rehefa avy niatrika ny lalao miverina tany Zambie.
Tsahivina fa naharesy ny Zambiana tamin'ny isa  2-1 isika tany an-taniny raha nisaraka tsy nisy nitoko teo Mahamasina.
Amin'ny maha Governoran'ny Faritra Analamanga ny tenako, hoy ny Governora dia nitondra ny anjara biriky ho fanohanana ny ekipa solotenan'ny Madagasikara izay nivoaka avy ato Analamanga ny tenako.
Hamafisiko etoana fa tsy hilatsaka ho Filohan'ny Federasionin'ny baolina Kitra Malagasy intsony ny tenako fa manampy ny ekipa izay miezaka toy ny CFFA ary ny taranja ara-panantanjahatena hafa toy ny fanamboarana kianja na fanohana amin'ny lafiny maro mba ho fanatanterahana ny Vinan'ny Filoha eo amin'ny lafiny fanatanjahantena, hoy hatrany ny Governora Hery RASOAMAROMAKA.
Nohamafisin'ny Governora hatrany ny fisaorana ny Filoha Andry RAJOELINA tamin'ny fanampiana ity ekipa avy eto Analamanga ity ka nahafahany niatrika ny lalao miverina satria ny Filoha no niantoka ny sarandalan'ny delegasionina sy izay filàna rehetra tany an-toerana.

Ny ekipan'ny InterClub avy any Angola no hifanandrina amin'ny CFFA Andoharanofotsy amin'ny lalao manaraka izay hatao ny 15 na 16 na 17 oktobra ho avy izao eto Madagasikara, izay inoana fa hatao etsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina. Ny lalao miverina kosa dia hatao any Angola ny 22 na 23 na 24 oktobra 2021. Vonona ny ekipa hoy ny mpanazatra Titi RASOANAIVO sy ny Raiamandreny Henintsoa RAKOTOARIMALALA (Tôta) sy ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY.

Ireto avy ireo ekipa hifandona amin'ny dingana faharoa:

- US Ben Guerdane (Tunisie) – RS Berkane (Maroc)

- AS FAR Rabat (Maroc) – JS Kabylie (Algérie)

- Diambars FC (Sénégal) – Enyimba FC (Nigeria)

- Bayelsa United (Nigeria) – CS Sfaxien (Tunisie)

- ASAC Concorde (Mauritanie) – JS Saoura (Algérie)

- AZAM FC (Tanzanie) – Pyramids FC (Égypte)

- URA FC (Ouganda) – Al Masry (Égypte)

- Al Ahly Merowa (Soudan) – Gor Mahia FC (Kenya)

- Marumo Gallants FC (Afrique du Sud) – AS Vita Club (RD Congo)

- Orapa United (Botswana) – Coton Sport Garoua (Cameroun)

- Diables noirs (Congo-Brazzaville) – Orlando Pirates (Afrique du Sud)

- Red Arrows FC (Zambie) – Primeiro de Agosto (Angola)

- AS Kigali (Rwanda) – DC Motema Pembe (RD Congo)

- Binga FC (Mali) – ASFA Yennenga (Burkina Faso)

- Biashara United Mara (Tanzanie) – Al Ahli Tripoli (Libye)

- CFFA (Madagascar) – GD InterClube (Angola)

21/09/21

Kianja Tsipy kanetibe "Fitaratra 2023" Tanjombato, 20 aogositra 2021

Notokanana ny Zoma 20 Aogositra 2021 ny kianja filalaovana tsipy kanetibe manarapenitra "FITARATRA 2023" eto Tongarivo, kaominina Tanjombato distrikan'Antananarivo Atsimindrano.

Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Hawel Mamod'Al, ny Governoran’ny faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka, ny Solombavambahoakan'Atsimodrano Andry Ratsivahiny, ny VPAN avy any Mahajanga, ny Filohan'ny federasiona Malagasy Tsipy kanetibe, ny lehiben'ny distrikan'Atsimondrano, ny ben'ny tananan’ny Kaominina Tanjombato, sy ireo manampahefana isan-tsokajiny.

Nandritra ny fandraisampitenenana nataon'ny Governora no nisaorany manokana ny Filoha Andry Rajoelina noho ny fahavitan'izao fotodrafitrasa goavana izao. Nankasitraka ny ezaka nataon'ny Solombavambahoakan' Atsimondrano Andry Ratsivahiny ihany koa ny tenany amin'ny fanamboarana fotodrafitrasa toy izao izay mifanaraka amin'ny fanatanterahana ny vinan'ny filoham-pirenena faha-13.

Efa manao izay tandrify azy ny fitondram-panjakana amin'ny fanamboarana fotodrafitrasa manarapenitra manerana ny Nosy hoy hatrany ny Governoran'ny Faritra Analamanga ary nanentana ireo solombavambahoaka manerana ny nosy amin'ny fanamboarana fotodrafitrasa toy izao ihany koa.

Nofaranana tamin’ny lalao ara-pirahalahiana nihaonan'ireo manam-pahefana ny fotoana teny Tongarivo Tanjombato.

 

 

 

 

20/08/21


Kianja Manarapenitra MAHITSY, notokanana 06 JONA 2021

Nahazo tombony ny Faritra Analamanga satria tato amin'ny Faritra Analamanga no notokanana voalohany ny Kianja Manarapenitra teto Madagasikara, ny alahady 06 jona 2021, dia tao amin'ny kaominina Mahitsy distrikan'Ambohidratrimo izany.
Nambaran'ny Filoha Andry RAJOELINA nandritra ny kabariny fa "Vita hatreo ny baolina ambony vovoka. Vita hatreo ihany kosa ny baolina an-tanimbary ho an'ny tanoran'i Mahitsy". Efa fampanantenana nataon'ny Filoha ho an'ny tanora tao an-toerana nandritra ny fampielezan-kevitra nataony tokoa ny fananganana ity kianja ity ka izao tanteraka izao izany.
Ny fanokanana izao kianja aty amin'ny kaominina ambanivohitra izao dia porofon'ny fampandrosoana miainga avy aty ifotony.
33 ireo kianja Manarapenitra no efa an-dalam-panamboarana ankehitriny ary 31 hafa no hatomboka amin'ity taona ity.
Nohamafisin'ny Governora nandritra ny kabariny fa raha ny ato Analamanga no tenenina dia tsy ho ampy ny fotoana raha hotokanana avokoa ireo zavabitan'ity Fitondrana ity ka nilazany fa miasa ary tena miasa ny Fitondrana tarihin'ny Filoha Andry RAJOELINA. Aoka ny bainga voavadika sy ny zava-bita no ho porofo fa tsy ny horakoraky ny efa tsy eo amin'ny Fitondrana intsony ka manenina fa tsy nahavita ny vitan'ity Fitondrana ity.
Amin'ny Alakamisy izao dia hisy indray ny fitokanana Kianja manarapenitra toy ity eto Mahitsy ity, ato amin'ny Faritra Analamanga ihany.

06/06/21


Kianja Manarapenitra MAHITSY sy AMBOHIDRATRIMO

Nitohy tamin'ny fitsidihana ny Kianja manarapenitra teny Mahitsy sy Ambohidratrimo izay nampanantenain'ny Filoha Andry RAJOELINA ny fitsidihana ifotony androany 24 FRBROARY 2021 izay nataon'ny Governoran'ny FarItra Analamanga sy ireo ekipa teknisianina mpiara-miasa aminy.
Misy maromaro ireo Kianja Manarapenitra efa natao ato Analamanga ka andraikitry ny Governora ny manara-maso ny fanamboarana  azy ireny.
MarihIna fa mbola misy vitsivitsy hafa mbola haorina tsy ho ela ihany koa.
Nandritra ny fitsidihana androany no nahitana fa ny 90% ny asa no no efa vita ka ny pitsopitsony sisa no hovitaina ka ho azo ampiasaina tsy ho ela ireo Kianja Manarapenitra ireo.

24/02/21