28 mars 2021 Tamim-pahatairana tokoa no nahenoko io maraina io fa nodimandry ny Filoha teo aloha ny Amiraly Didier RATSIRAKA. Amin'ny alalan'ny tenako manokana sy ireo mpiara-miasa amiko ato amin'ny Faritra Analamanga no anehoako ny fiaraha-miory amin'ny fianakaviany iray manontolo sy ireo mpiara-dia aminy tao amin'ny antokony AREMA. Mandria am-piadanana Amiraly. |