Governora Hery Rasoamaromaka

MIARAHABA ANTSIKA REHETRA.


Tonga soamantsara eto an-tanindrazana ny tenako.
Isaorana voalohany Andriamananitra nanasitrana.
Faharoa dia ireo mpitsabo izay nitsabo na teto an-toerana na tany ivelany.
Ary tsy ny kely indrindra dia ianareo namana sy havana ary mpiara-miasa nitondra am-bavaka.
Hitondrako fanazavana fohy fa "Assurance Santé" tao amin'ny ASSISTANCE PLUS izay efa nataoko nandritra ny taona maro no nahafahako nanao ny EVASAN tany ivelany sy nanarahako ny fitsaboana (Hospitalisation) fa tsy nisy volam-panjakana na volan'ny Faritra niala na kely aza.
Azontsika hamarinina eo anivon'ny Assistance Plus sy ny Faritra Analamanga izany.


Mbola eto ary miha mahery vaika ny aretina Covid-19 ka manentana antsika hatrany hitandrina sy hanaja ireo fihetsika sakana rehetra  indrindra ireo fepetra napetraky ny Filoha Andry RAJOELINA izay ankasitrahana tanteraka.

 

06/04/21