Filankevitry ny Governora voalohany
FILANKEVITRY NY GOVERNORA VOALOHANY NOTARIHIN'NY FILOHA ANDRY RAJOELINA , NATREHIN'NY PRAIMINISITRA NTSAY CHRISTIAN
Notanterahina tao Antsohihy Faritra Soafia androany 15 Oktobra ny filankevitry ny Governora voalohany.
Niatrika izany ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo Governora rehetra efa voatendry.
Lahadinika tamin'izany ny fijerena ireo tomban'ezaka tamin'ny fanatanterahana ireo vinam-pampandrosoana napetraky ny Filohampirenena izay voafaritra ao anatin'ny tanjon'ny fampandrosoana maharitra, ny tetikasan'ny Filohampirenena ary ny asa tanterahin'ny Faritra tsirairay.
Fametrahana ny TONDROZOTRA hanamafisana ny fampandehanana ireo asa sy programan'asa izay eo andalam-panatanterahana sy ireo izay mbola hotanterahina.
Toromarika napetraky ny Filohampirenena ny hanatanterahana ny fampandrosoana isam-paritra, tarihin'ny Governoram-paritra, amin'ny alalan'ny fanatrarana ireo vina izay voafaritra ao anatin'ny Velirano 13.
Teo ihany koa no nitondran'ireo Governora ny hetahetany amin'ny asa fampandrosoana tokony hisy isam-paritra, ka tamin'izany indrindra no nilazan'ny Filoha fa efa hisitraka fitaovana fanamboaran-dalana ny faritra tsirairay ary tokony hahaleo-tena ny isam-paritra hoy hatrany ny Filoha.
Hotanterahina isaky ny iray volana sy tapany ny Filankevitry ny Governora ity ary hiodina isaky ny Faritra tsirairay izany.