Ady amin'ny fipariahan'ny Covid-19

Mitohy hatrany ny famendrahana fanafody ataon'ny ekipan'ny Faritra Analamanga any amin'ireo toerana be olona sy be mpifamezivezy toy ny tsena, biraon'ny kaominina sy ny zandary sns...mba hamonoana ireo otrik'aretina mitarika ny aretina.
Toerana maro sy kaominina maro no efa nanatanterahana izany toy ny teny Ivato, Talatamaty, Ambohibao, Tanjombato, Andoharanofotsy, Ambohipo, Itaosy sns...
Manentana hatrany mba hitandrina ary tsy hivoaka raha tsy tena misy antony manokana araka ny toromariky ny Filoha farany teo.
Aza hadino ny arovava-orona hiarovanao ny tenanao sy hiarovana ny hafa.
Aza ny mpitandro filaminana sy ny sazy no atahorana fa ny fahasalamanao.
Isika rehetra MIARA-MIENTANA no handresena haingana io aretiman-doza tsy hita maso io.

 

28/04/21