Tonga ny concentrateurs d'oxygène

Androany maraina, 28 aprily 2021, no tonga teny amin'ny seranam-piaramanidina Ivato ny concentrateurs d'oxygène miisa 1000 avy any Chine. Tonga nandray izany teny Ivato ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Prof. Rakotovao Hanitrala Jean Louis.
Andiany voalohany amin'ireo fitaovana nafaran'ny fitondram-panjakana malagasy ireto tonga teny Ivato, nentin'ny fiaramanidin'ny Air Madagascar, ireto. 
Tsy maintsy atao ny ezaka rehetra hanavotana sy hitsaboana ny Malagasy amin'izao fisian'ny aretina izao, hoy ny Filoha Andry Rajoelina, ka izany no nahatonga ny fitondrana hanafatra fitaovana faran'izay haingana toy izao. Concentrateurs d'oxygène 2000 no nafarana ka izao efa tonga izao ny ampahany voalohany miisa 1000. Tsy hijanona fotsiny eto Antananarivo izy ireo fa hamonjena ireo toerana samihafa toy ny any Antsirabe, Fianarantsoa, sy ny Faritra Sava ary hanainga avy hatrany ny kamiao hitatitra ny entana. Rahampitso ihany koa dia hanainga indray ny fiaramanidin'ny Air Madagascar hiazo an'i Chine, haka ny bouteilles d'oxygène nafaran'ny fitondrana malagasy.

 

28/04/21