Minisiteran'ny Rano, Fanadiovana sy Fidiovana

FARITRA ANALAMANGA MIADY AMIN'NY COVID-19
  Ho fanamafisina hatrany ny ady amin'ny Covid-19 avy amin'ny alalan'ny famendrahana fanafody famonoana ny otrik'aretina dia mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny Faritra Analamanga sy ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana.
Manoloana ny fihanaky ny covid-19 dia nisy ny fanoloran'ny Ministera fanafody famendraka virokil 150 daba ho an’ny distrika 7 ato Analamanga dia Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo, Anjozorobe, Ankazobe, Manjakandriana ary Andramasina.
 Nanolotra ireo fanafody ireo ny Sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny rano, ny fanadiovana, ary ny fidiovana, nandray izany kosa ny Sekretera Jeneralin'ny Faritra Analamanga notronin'ireo Lehiben'ny Distrika maro ato Analamanga.

29/04/21