Amin'izao fiverenan'ny mpianatra mpanao fanadinana araka ny toromarika nomen'ny Filoha Andry RAJOELINA ny Alahady teo izao, dia nitohy ny famendrahana fanafody nataon'ny Faritra Analamanga, ka teny amin'ny kaominina Tanjombato indray no.nanatanterahana izany ny 05 may lasa teo. Ny EPP, CEG, CSB2 ary ny Pompier no nofendrahana tamin'izany. Isika rehetra MIARA MIENTANA no handresena haingana io aretiman-doza TSY HITA MASO io. |