Tetikasa Ankohonana Miarina

Nosokafana androany tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe ny tetikasa "ANKOHONANA MIARINA" ho an'Antananarivo Renivohitra amin'ity taona 2021 ity.
Tetikasan'ny Filoham-pirenena ny Ankohonana Miarina izay natao hanampiana ireo tokantrano sahirana eo amin'ny fihariana noho ny fiantraikan'ny aretina coronavirus. Lelavola 50.000 Ariary isam-bolana mandritra ny enim-bolana no omena amin'izany mba hanatanterahan'izy ireo ny tetikasany. 
Nanokatra izany teny an-toerana ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka niaraka tamin'ny Ben'ny Tananan'Antananarivo Renivohitra, Naina Andriantsitohaina sy ny Solombavambahoakan'i Magagasikara voafidy tao amin'ny boroboritany faha-5 Naivo Raholdina.

Ho an'ny Faritra Analamanga manokana dia tokantrano 52.000 no hisitraka ny tetikasa Ankohonana Miarina araka ny fanambaran'ny Governora.

 

 

 

10/05/21