Notokanana ny alatsinainy 03 may 2021 ny toerana handraisana ireo mararin'ny Covid-19, na ny CTC-19 eny Andoharanofotsy, distrikan'Antananarivo Atsimondrano.
Ao amin'ny ivon-toerana Institut Supérieur du Travail Social tantanan-dry Masera "Filles du Coeur de Marie" no misy ity CTC-19 ity. Natao handraisana ireo marary mbola tsy ao anatin'ny forme grave ity toby ity izay misy fandriana 160 miaraka amin'ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny fitsaboana toy ny concentrateur d'oxygène. Mpiasa 120 no miandraikitra ny asa, ahitana dokotera, mpitsabo mpanamby sy ny mpandraharaha. Izy ireo no mifandimby mandray ny marary ka miaraka 40 na 30 isan'andiany.
Tonga nitokana ity toeram-pitsaboana ity ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany tamin'izany fa ny fitsaboana manakaiky vahoaka no tanjona. Nisaorany manokana ny masera eto Andoharanofotsy sy ny fiangonana katolika eto Madagasikara izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin'ny fitsaboana ireo mararin'ny Covid-19. Nankahery hatrany ireo mpiasan'ny fahasalamana ihany koa ny Filoha ary nanome toky amin'ny fanomezana tambin-karama manokana ho azy ireo.
Nisaotra ny fitondram-panjakana kosa ny Solombavambahoaka voafidy tao Atsimondrano, Andry Ratsivahiny. Rariny sy hitsiny hoy izy raha toa ka ny distrika be olona indrindra eto Madagasikara toa an'Atsimondrano no ametrahana fotodrafitrasa toy izao.