Fanamboarana ny lalana Mahabo-Anjanadoria

FARITRA ANALAMANGA MIASA HO ANTSIKA.
Efa mandeha ankehitriny ny asa fanamboarana ny lalan-tany mampitohy ny Kaominina MAHABO amin ny Kaominina ANJANADORIA any amin'ny distrikan'Ambohidratrimo ; lalana mirefy 8 km eo ho eo ary asa izay raisin'ny FARITRA ANALAMANGA an-tanana manontolo ny fanatanterahana izany.
Izao no atao dia ho hanatanterahana ny Veliranon'ny Filoha Andry RAJOELINA, dia ny fampandrosoana izay miainga avy eny ifotony sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ary koa ilay toromarika hanamboarana lalan-tany 250 km isan-taona.

12/05/21