Fasan'ny Firaisam-po Anosiala Ambohidratrimo

FILAZANA SY FAMPAHAFANTARANA MOMBA NY FASAN'NY FIRAISAM-PO


    Ny fasan'ny Firaisam-po eny Ambohidratrimo dia natao ho an'ireo olona manana havana sanatria lavo noho ny Covid-19 na sanatria lavo noho ny antony hafa nefa tsy afaka mody any an-tanindrazana noho ny lalana mihidy.
    Misy ireo toerana efa nokarakaraina mialoha vita lavaka sy efa nasiana "La croix" mialoha mba ho fanampiana ireo manaman-jo.
    Ho an'ireo manana fomba hafa noho ny finoany sy ny fombany kosa ka tsy mety aminy ny lavaka efa voakarakara dia tsara ny mampahafantatra fa mbola misy toerana malalaka eny an-toerana ao anatin'ny toerana voatokana sy voafefy ka azon'izy ireo atao ny manao lavaka hafa vaovao handevenany ny havany raha sanatria misy lavo.
    Marihina fa maimaimpoana ny fahafahana mandevina havana eny raha sanatria misy lavo.

 

12/05/21