Hamehana ara-pahasalamana

Ny Governoran'ny Faritra Analamanga dia manamafy ny filazana fa ny Fiangonana eto aminy Faritra Analamanga sy ireo Faritra hafa izay nakatona dia mbola mikatona ka tsy hisy noho izany ny fotoam-pivavahana isaky ny Alahady noho ny ezaka iombonana amin'ity ady amin'ny valan'aretina ity.
Ireo Fiangonana any amin'ny Faritra hafa tsy mikatona kosa dia afaka manatanteraka ny fotoam-pivavahana isaky ny Alahady.
Ireto avy ireo Faritra mbola mikatona:
-Faritra Analamanga
-Faritra Atsinanana
-Faritra SAVA
Ireo Faritra nakatona tamin'ny 2 May :
-Faritra Vakinakaratra
-Faritra Matsiatra Ambony
-Faritra Anôsy
Ireo Faritra efa nosokafana ny 2 May lasa teo:
-Faritra Boeny
-Nosy Be
Entanina hatrany isika hanaraka ireo toromarika ireo mandra-piandry ny toromarika vaovao.

 

15/05/21