Manjakandriana

MANJAKANDRIANA
Androany 29 Oktobra 2020 dia nitohy tany Manjakandrina indray ny fidinana ifotony eny amin'ireo Distrikta ataon'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy. Ny anton'ny dia dia ny hifampidinika sy hitafa amin'ireo olom-boafidy rehetra ao amin'ny Distrikan'ny Manjakandrina izay nahitana ny ben'ny tanàna 25 sy ny Filohan'ny mpanolotsainan'ny Tanàna avy amin'ireo kaominina ireo.
Tanjon'ny Faritra rehefa midina distrikta toy izao moa ny fihainoana ny hetahetan'ireo Ben'ny tanàna mba ahafahan'ny faritra manatanteraka izay heverin'ny Ben'ny tanàna ho laharam-pahamehana amin'ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony.
Rehefa vita ny fandraisam-pitenenan'ireo Ben'ny tanàna rehetra dia nisy ny fivoriana nataon'ny Faritra Analamanga mba fandravonana ireo fangatahan'ny Ben'ny tanàna ireo. Nambaran'ny Governora avy eo fa hotanterahana avokoa ireo fangatahana ireo satria tsy dia ilàna vola be na mila tetibola manokana fa efa voasoritra sy voafaritra hotanterahan'ny faritra avokoa.
Nohamafisin'ny Governora hatrany fa tsy mifidy antoko ny fampandrosoana ny tanàna satria ny fampandrosoana an'i Madagasikara dia miainga avy eny ifotony ka mila miara-miainga ny kaominina rehetra ato Analamanga raha tiana hotanteraka izany fampandrosoana an'iMadagasikara izany.

29/10/20