Valanaretina Covid-19 eto Madagasikara

Nandritra ny fandaharana manokana momba ny ady atao amin'ny valanaretina Covid-19, ny alahady 18 oktobra 2020, tao amin'ny TVM sy RNM ary noraisin'ireo haino aman-jery samihafa, no nanambaran'ny Filoha Andry Rajoelina fa tapitra ny hamehana ara-pahasalamana (état d'urgence sanitaire) eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Mitohy kosa ny fepetra entina manakana ny mety ho fiparitahan'ny aretina indray : 

  • Mitohy ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra.
  • Tsy maintsy manao arovava orona ny rehetra rehefa mivoaka ny trano.
  • Voarara ary mbola tsy azo atao ny famoriam-bahoaka mihoatra ny 200.
  • Azon'ny Governora atao na ny Préfet ny mandray andraikitra amin’ny faritra misy azy.
  • Mbola mikatona ny sisitany eto Madagasikara.
  • Ny 01 Novambra ho avy izao no sidina farany mampody ireo olona avy any ivelany.

18/10/20