Faritra Analamanga

Milina fanjairana miisa 10 no natolotry ny Governoran'ny Faritra Analamanga ho an'ireo fikambanam-behivavy roa samy hafa ao Antsohihy.
Toy ny fanaon'ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara-miasa aminy rehefa mitsidika tanàna na Faritra iray dia misy hatrany ny asa sosialy tanterahiny eo antoerana. Nandritra ny fandalovan'ny ekipan'ny Faritra Analamanga tany Antsohihy tamin'ny fankalazana ny 
14 oktobra àry no nanolorana ireo fitaovana ireo araka ny fangatahan'ireto fikambanana ireto, mba hiveloman'izy ireo sy hiavotany amin'ny fiainana.
Tonga nanotrona ny Governoran'ny Faritra Analamanga sy nisaotra azy tamin'izao fihetsika izao ny Governoran'ny Faritra Soafia Lylison René de Roland.

15/10/20