Commissariat Central Tsaralalàna

Ho fanampiana ny Polisim-pirenena amin'ny adidy goavana izay sahaniny dia nanome  fanampiana ho azy ireo ny ato amin'ny.Faritra Analamanga izay tarihin'ny Governora Hery Rasoamaromaka. Fanampiana ara-tsakafo sy solika ho an'ireo Polisy mpitondra moto moa no natolotro tamin'izany.
-Ny Polisim-pirenena no anisan'ireo sehatra   voalohany  midina ifotony  amin'ny  fanatanterahana  ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana napetraky ny fitondram- panjakana, ankoatra ny andraikitra izay efa sahaniny isan'andro dia ny fanampiana ny vahoaka amin'ny fiainana andavan'andro miampy ny  fiarovana ny ainy sy  ny fananany.  
-Mifanidra an-dalana amin'izany ity fanomezana nomena ity izay hanampiana ny mpitandro filaminana amin'ny ady atao amin'ny trangana tsifandriampahalemana, ahafahan'ny vahoaka ato amin'ny faritra miaina ao anaty filaminana indrindra amin'izao ankatoky ny fetin'ny fahaleovantena izao.
Marihina fa tsy vao voalohany izao fanomezana fanampiana ho an' ny Polisy tahaka izao.

31/05/21