Association des Jeunes Maires Analamanga (AJMA)
Nihaona tamin'ny Governoran'Analamanga Hery Rasoamaromaka ireo ben'ny tanàna ao anatin'ny fikambanana AJMA na Association des Jeunes Maires d'Analamanga.
Vontoatin'ny fihaonana ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin'ny roa tonta mba hampirindra tsara ny fanatanterahana ny fampandrosoana izay takian'ny Filoha Andry Rajoelina miainga eny ifotony.
Ny 9 oktobra 2020 lasa teo no tafatsangana tamin'ny fomba ofisialy ny AJMA. Ny Ben'ny tanànan'Andoharanofotsy, Rakotonirina Henintsoa na i Tôta no Filohany ary ben'ny tanàna 102 amin'ireo 140 ato amin'ny Faritra Analamanga no mpikambana.