Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo

Nisy ny Fidinan'ny Filoha Andry RAJOELINA.teny amin'ny Kaominina Ivato, distrikan'Ambohidratrimo, nanolotra camions mpitaona fako sy dabam-pako miaraka aminy.

Taorian'ny fitokanana ny Kianja Manarapenitra tao amin'ny Kaominina Ambohidratrimo dia nihazo avy hatrany ny kaominina Ivato ny Filoha Andry Rajoelina.
Nambaran'ny Filoha nandritra ny fandraisany fitenenana fa « ...ny fampandrosoana tsy ijerena loko politika... ». Na dia teo aza ny tsy fitoviana eo amin'ny lokon'antoko politika dia tsy nahasakana ny Filoha Rajoelina sy ny ben'ny Tanànan'Ivato, Landry Randrianarisoa, hifanome tanàna izany satria ny fampandrosoana ny Firenena no vaindohan-draharaha. Samy nanamafy izany rahateo ny roa tonta ary hita taratra teto fa raha tiana tokoa ny handroso dia ny fiaraha-mientana no antoka voalohany.
Zava-dehibe loatra ho an’ny kaomina ny fananana kamiao mpitaona fako sy daban-jaoridira satria sady fikajiana ny tontolo iainana no fikoloana ny tanàna haha-te honina sy ho tombotsoan’ny vahoaka. ka natolotra nandritra io fotoana io ihany koa ny kamiao mpitaona fako ho an'ny kaomina Ambohibao Antehiroka sy Mahitsy izay samy ao amin'ny distrikan'Ambohidratrimo, Faritra Analamanga, araka ny efa nampanantenain'ny Filoha.
Nisy ihany koa ny fangatahan'ny Ben’ny tanànan’Ivato ka novalian’ny Filohan’ny Repoblika teo no ho eo koa izany ka nilazany ny hanamboarana Kianja Mitafo (Gymnase couvert) sy Kianja fanaovam-baolina manarapenitra (terrain synthétique), sekoly manarapenitra, fanavaozana ny biraon'ny kaominina ary ireo lalana efa simba ao anatin’ny Kaomina Ivato dia horaisin'ny Faritra Analamanga ny fanamboarana azy.
Tsy adino koa ny hanomezana jiro hanazava ireo lalana maizina rehetra ao amin’izany Kaominina izany. « Ny vahoaka no jerentsika, ary mbola ho maro ny fiaraha-miasa » hoy ny Filohan’ny Repoblika raha nitodika manokana tamin’Andriamatoa Ben’ny tanànan’Ivato izy.

10/06/21