Filoha Andry Rajoelina tao amin'ny TVM, 13 Jona 2021

- Andalam-pandresena ny Corona Virus isika izao satria hita fa efa mihena dia mihena ny tahan'ireo mitondra ny otrikaretina, na izany aza dia mila mitandrina foana isika ary miara-miatrika izany aretina izanyisika . Ilaina foana ny fahatongavan-tsaintisika rehetra.
- Mitohy ny asa fanasoavana ny Tanindrazana na dia ao anatin'ny krizy ara-pahasalamana aza isika.
- Fametrahana tetikasa lehibe no natao any Atsimo. izay no nanaovana iny Colloque tany Taolagnaro iny. Marobe ireo trtikasa hotanterahana any antoerana ka isan'izany ny fanaovana ny Pipeline lehibe izay hitarika ny rano ao EFAO ary volan'ny fanjakana madiodio no hanatanterahana izany.

Hatomboka ny asa fanamboarana ny RN13, RN12A sy RN10.

Hametrahana parc solaire goavana  ny distrika rehetra any Atsimo. 

- Mikasika ny fankalazana ny fetim-pirenena dia eny anivon'ny renivohi-paritany no hankalazana ny fetim-pirenena Malagasy amin'ny 26 Jona sy hanaovana ny matso. Entanina ny Malagasy hanangana ny sainampirenena.

Fepetra ara-pahasalamana : 
-Mitohy ny hamehana ara-pahasalamana mandritra ny 15 andro.
-Miakatra ho 200 ny olona azo raisina amin'ny famoriana olona saingy miankina amin'ny haben'ny toerana kosa izany.

-Mihatra hatrany ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina na ny couvre feu manomboka amin'ny 11ora alina ka hatramin'ny  04ora maraina.

- Azo entina ny razana raha tsy Covid no nahafaty ilay olona, tsy azo atao kosa ny mampiditra na mamoaka ny razana matin'ny covid-19 ary alevina androtriny ihany.
-Mbola mikatona ny sisintany fa omena alalana manokana ny manamanjo izay hanao adidy farany.
-Misokatra ny espace sy ny toerana  fandraisana mariage fa hajaina hatrany ny fepetra.
Ankoatra izany dia mbola mitoetra ireo fepetra sakana rehetra.

 

14/06/21