Tonga ary noraisina ny alarobia 16 jona 2021 ireo engins miisa 4 sy ny camion citerne ho an'ny Faritra Analamanga. Efa fampanantenana nataon'ny Filoha Andry Rajoelina ny hamatsy fitaovana lehibe toy izao ho an'ny Faritra isanisany. Tsy fampanantenana poakaty tokoa no ataon'ny fitondram-panjakana fa arahina fanatanterahana avy hatrany ka izao tonga izao ny anjaran'ny Faritra Analamanga. Manoloana izany dia naneho ny fisaorana feno ny Filoha Andry Rajoelina ny Governoran'ny Faritra Analamanga, Hery Rasoamaromaka ary nampanantena fa hanao asa bebe kokoa noho ny asa efa vita teo aloha.